Meksika
Estados Unidos Mexicanos ((es)) | |||||
((es)) | |||||
Etazonian'i Meksika ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : tsy misy | |||||
Teny ofisialy | Espaniola | ||||
Renivohitra | Mexico 19° 0′ N, 99° 0′ O | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Mexico | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filohan'i Meksika |
Repoblika federaly Felipe Calderón Hinojosa | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 13 1 972 550 km² 2,5 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 11 106 682 500[1] mpo. 54 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Meksikanina | ||||
IDH (2004) | ▲ 0,821 (ambony) faha 53[2] | ||||
Sandam-bola | Peso Meksikanina ($) (MXN )
| ||||
Faritr'ora | UTC -7 à -9 | ||||
Hiram-pirenena | Himno Nacional Mexicano | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+52
|
Ny Meksika na Mekisiko, afaka tenenina ihany koa hoe firenena mivondron'i Meksika, dia firenena any amerika avaratra. Any avaratr'i Meksika dia misy ny Etazonia ary any antsimo misy an'i Beliza sy Guatemala. 107 tapitrisa ny isan'ny olona miaiana any Meksika (20 tapitrisa any amin'ny tananan'i Mexico).
Tantara
Meksika Prekolombianina
Fanjanahantany Espaniola
Tamin'ny taonjato faha enina ambin'ny folo, nampilefitra ny foko azteka ny espaniola entin'i Hernán Cortés miaraka amin'ny foko rehetra izay fahavalon'ny azteka noho ny hatsaran'ny fitaovam-piadiany ary ny habetsahany rehefa miady miaraka amin'ny tafika espaniola.
Nanafika ny espaniola sy ny foko havany nonina manodidon'ny tanànan'i Meksiko ny azteka, taorian'io dia nisy ringana mitondra ny anarana hoe Noche Triste tamin'ny 1520. Io ringana io sy ny aretina entin'ny eoropeana avy any Eoropa no nampihongana ny fahefana azteka tamin'ny 1525.
Taorian'izay faharesena sy ny fandringanana ny foko azteka izay, nozanahan'ny Espaniola ny Amerika Afovoany. Ny anaran'ny zanatany espaniola ao Amerika afovoany dia Espaina-Vao. Ny sisintany avaratr'io Espaina vao io dia tonga hatrany Atsimon' Etazonia (izany hoe eo amin'ny misy an'i Kalifornia, ny Arizona, ny Meksika-Vao ary ny Texas ankehitriny). Efa nitsangana ny tanàna meksikana lehibe (Meksiko eo amin'ny toeran'i Tenochtitlán), Guadalajara, Pueble ary Monterrey.
Tao aorian'ny fanjanahantany espaniola, tonga tao Espaina-Vao ny misionera espaniola mba hampiovan'ny finoan'ireo tompontany. Anisan'ireo misionera ireo, miavaka i Bartolomé de las Casas amin'ny faniriany hiaro ny foko tompontany.
Nanomboka tamin'ny 1535, ny fandrindràna ny zana-tanin'i Espaina-Vao dia omena an'ny mpanaka faharoa. Ny voalohany dia i Antonio de Mendoza, notononin'i Charles V
Nandritra io fe-potoana io, nihananankarena ny fanjakana Espaniola tamin'ny alàlan'ny fitsentserana ny harena an-kibon'ny tany toy ny volamena sy ny volafotsy) ary koa tamin'ny fambolena (fary ho an'ny siramamy, kafe) kanefa amin'ny lafin'ny isam-ponina, nihena dia nihena ny isan'ny mponina tompon-tany noho ireo asa an-terivozona ary ny aretina. Avinavina fa talohan'ny nahatongavan'ny espaniola, 25 tapitrisa ny isam-ponina tao afovoan'i Meksika. Iray tapitrisa sisa ny isan'izy ireo tamin'ny 1650.
Ady ho an'ny fahaleovantena
Teo aorian'ny ady
Repoblika voalohany
Ady tamin'ny Etazonia
Ankehitriny
Toe-tany
Ny Meksika dia firenena any Amerika Avaratra. Mizara sisintany amin'i Etazonia izy (3326 km) any avaratra, ny Belize (1936 km) ary ny Guatemala (962 km) any atsimo. Ny fivelaran'i Meksika dia misy 1 972 550 km² raha kaontiana ao ny nosy an'i Meksika any ampivoan-dranomasina. Mitontaly 2,7 tapitrisa km2 ny fivelaran'ny ZEE an'i Meksika. Manana ny Nosy Guadalupe sy Nosy Revillagigedo (amin'ny ranomasimbe Pasifika) ny Meksika. Misy afotroa maromaro ihany koa any Meksika. Ny tendron'i Orizaba dia manana haabona 5700 metatra. Kanefa 10 m monja ny haabon'ny Laguna Salada. Misy hororontany matetika any Meksika.
Amin'ny harena an-kibon'ny tany, misy volafotsy, varahina, gazy, volamena, solika, firamainty ary fanitso.
Politika
Toe-karena
Demografia
Lahatsoratra ilaina
Tsiahy
|