Aller au contenu

Wikipedia:Lahatsoratra/*

Avy amin'i Wikipedia

Ny fizarana "Takelaka tsara vakiana" dia fizarana azo soloin'iza na iza, na hoviana na hoviana ; Ny pejin'ny lahatsoratra hita eo amin'ny pejy fandraisana dia afaka jerena sy ovaina any amin'ny Wikipedia:Takelaka/*/tsara vakiana. Ny takelaka tenenina hoe "tsara vakiana" dia takelaka tsy tokony ahitana diso tsipelina loatra, takelaka manaraka ny fitsipika tipôgrafikan'ny wikipedia, takelaka tsy tokony lava loatra (lahatsoratra tsy mihoatra ny 10.000 teny) ary lahatsoratra betsaka loharano na (source). Ny lahatsoratra eto dia mbola tsy misy manana label « Lahatsoratra Tsara » (« Article de qualité » any amin'ny wikipedia miteny frantsay).

Ny takelaka tsara vakiana (ovay)

[hanova ny fango]
Ankizy mahafaly

Ny Mahafaly dia vondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, eo anelanelan' ny ony Menarandra ao atsimo sy Onilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' ny lembalemba be sokay sy fasika izay mitondra io anarana Mahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manao sary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboarana aloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja ny razana sy ny mpanjaka maty. I Betioky sy i Ejeda ary i Ampanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' ny fady amin' ny Mahafaly, toy ny Antandroy koa, ny mihinana sokatra (mahafaly: sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150 000 ny isan' ny Mahafaly[1]. Mpiompy omby sy osy sy ondry ary akoho amam-borona (anisan' izany ny vorontsiloza) ny Mahafaly. Mamboly mangahazo sy voamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly.

Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' i Afrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty.

Miteny mahafaly, izay fitenim-paritra mifanakaiky amin' ny fiteny antandroy, izay fiteny malagasy, sampan' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana ny Mahafaly.

Ny anarana hoe Mahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny ony Menarandra sy Onilahy[2]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoe Mahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[3]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[4]. (tohiny...)


  1. Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge.
  2. Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
  3. Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.
  4. Zimmermann, Maurice (1911). "Le pays Mahafaly dans le sud Malgache". Annales de Géographie. 20 (110).