Aller au contenu

Sela

Avy amin'i Wikipedia
Selan-javamaniry

Ny sela no singa biôlôjika fototra ara-drafitra sy miasa amin' ny zavamananaina. Izy io no singa velona, kely indrindra, afaka mitombo isa amin' ny fomba mahaleo tena.

Ny zavamananaina maro dia voaforon' ny sela iray ihany: ireo dia zavamananaina tokan-tsela, toy ny bakteria sy ny arkea ary ny ankamaroan' ny prôtista. Ny hafa dia voaforon-tsela maro: ireo dia zavamananaina maro sela, toy ny zavamaniry sy ny biby. Ireto farany ireto dia misy sela maro izay miovaova isa arakaraka ny karazan-javamananaina; ny vatan' olombelona, ohatra, dia manana sela manodidina ny iray hetsy lavitrisa (1014), sady onenana bakteria miisa avo iray ka hatramin' ny folo heny, izay anisan' ny mamorona ny mikrôbiôta ao aminy ary kely lavitra noho ny selan' olombelona. Ny ankamaroan' ny selan' ny zavamaniry sy ny an' ny biby dia tsy hita afa-tsy amin' ny mikrôskôpy, satria manana savaivo eo anelanelan' ny 10 sy 100 µm.

Avy amin' ny sela hafa efa nisy teo aloha foana ny sela, ary mirakitra ny fampahalalana momba ny fototarazo ilaina amin' ny fiasany sy amin' ny fampitana ny lova ho an' ny sela ao amin' ny taranaka manaraka.

Ny sela voalohany dia niseho teto an-tany, fara fahakeliny, 3,7 lavitrisa taona lasa izay, ary angamba efa tany amin' ny 4 lavitrisa taona lasa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.