Aller au contenu

Rio Tinto

Avy amin'i Wikipedia
Ao amin' ny tranoben' ny 120 Collins Street any Melbourne, Aostralia ny foibe aostralianan' ny Rio Tinto.

Ny Rio Tinto dia vondron' orinasa mpitrandraka harena an-kibon' ny tany anglô-aostraliana misandrahaka maneran-tany, izay miorina indrindra ao Aostralia sady manana foibe roa (any Melbourne sy any Lôndôna) sy ao Amerika Avaratra. Io vondrona io dia hita ihany koa amin' ny firenena maro ao amin' ny Kôntinenta dimy, nefa ny ampahany be amin' ny fitrandrahany dia ao Aostralia sy ao Kanada.

Ny fananany dia mitentina 81 lavitrisa dôlara, izay azy amin' ny alalan' ny tambajotran' orinasa sy sampana maro[1]. Hatramin' ny nividiany ny Alcan sy ny famoronana ny Rio Tinto Alcan, ny fitrandrahana ny viraty (na alominiôma) no lehibe indrindra amin' ny anton' asa sahaniny: niteraka 40 % amin' ny varotra nataony tamin' ny taona 2008 izany[2].

Ny fitrandrahana ny vy kosa dia 28 % amin' ny varotra ataony, ary ny Rio Tinto, niaraka tamin' ny orinasa BHP Billiton sy ny orinasa Vale, dia iray amin' ny vondrona telo izay manjaka amin' ny tsena maneran-tany amin' ny fitrandrahana sy fivarotana io akora io. Anisan' ny asa sahaniny amin' ny sehatra hafa iasan' ilay vondrona ny arintany sy ny varahina.

Sampan' ny Rio Tinto ny QIT-Fer et Titane izay manana zana-tsampana hafa ka ny eto Madagasikara dia ny QIT Madagascar Minerals (QMM) izay miorina ao Tôlagnaro (Fort-Dauphin) sady mitrandraka ilmenita na "fasi-mainty".

Tantarany

[hanova | hanova ny fango]
Ny anaran' ilay orinasa dia nalaina avy amin' ny anaran' ity renirano hita eto amin' ny sary ity, dia i Rio Tinto, izay lasa mena noho ny fahalotoana navelan'ny tantara (fitarihan-drano miharo asidra, vokatry ny fitrandrahana tany aloha ela be, mety tany amin' ny Andro Taloha).

Fanombohany niasa tao Espaina

[hanova | hanova ny fango]

Naorina tamin' ny taona 1873 ny Rio Tinto, rehefa nisy fikambanana iraisam-pirenenan' ny mpampiasa vola niforona mba hividy ny toeram-pitrandrahan' i Rio Tinto izay an' ny governemanta espaniôla, teo amin' ny ony Rio Tinto. Ny mpividy dia nalain' ny mpanankarena mpanana taozava-baventy atao hoe Hugh Matheson (Matheson's Matheson and Company), izay namorona fikambanana natokana ho amin' izany, ka ahitana Deutsche Bank (56 %), ny orinasa Matheson (24 %), sy ny orinasa misahana lalamby atao hoe Clark, Punchard and Company (20 %).

I Hugh Matheson, ilay nividy ny Rio Tinto avy any Espaina sady tale voalohan' ilay orinasa.

Amin' ny fivarotana ny toeram-pitrandrahana, tamin' ny fotoana feno fikorontanana ara-pôlitika (14 Febroary 1873), efatra andro taorian' ny fananganana ny Repoblikan' i Espaina, dia nandresy ny ny fikambanana ka nahazo ny toeram-pitrandrahana manontolo tamin' ny tolotra mitentina 3,68 tapitrisa pound sterling (92,8 tapitrisa peseta espaniôla), taty aoriana dia naseho fa ambany lavitra noho ny tokony ho vidiny izany[3]. Ny tolotra dia ahitana andininy iray milaza fa tsy manana ny zo rehetra hitaky ny tamberim-bidy momba ny famokarana eo amin' ilay toeram-pitrandrahana ny governemanta espaniôla. Fotoana fohy taorian' ny nividianana ilay toeram-pitrandrahana dia namorona an' ity orinasa indostrialy antsoina hoe Rio Tinto ity ny sendika (niditra tao amin' ny rejisitry ny orinasa espaniôla tamin' ny 29 Martsa 1873)[4].

Lavaka be navelan' ny fitrandrahana nataon' ny orinasa Rio Tinto tamin' ny taona 1980.

Tamin' ny faramparan' ny taompolo 1880 dia nandray ny fanaraha-maso ny orinasa ny fianakaviana Rothschild, orinasa izay efa nampitombo be dia be ny habetsahan' ny asany momba ny harena ankibon' ny tany trandrahany[4].

Nanomboka teo dia nitombo sy nanan-karena ilay orinasa nandritra ny fisian' ny fanambarana sy fividianan-karen' orinasa ka nahatonga azy ho lasa anisan' ny orinasa matanjaka indrindra eran' izao tontolo izao amin' izao fotoana izao amin' ny famokarana akora isan-karazany, anisan' izany ny viraty, ny vy, ny varahina, ny oraniôma, ny arintany ary ny diamondra[5].

Na dia natokana ho an' ny sehatry ny fitrandrahana mineraly sy ny fitadiavam-bola momba ny metaly aza ny Rio Tinto dia manan-danja ihany koa izy amin' ny fahaiza-manao sy amin' ny orinasam-panadiovana, indrindra fa ny fanadiovana ny baoksita sy ny akoram-by[6].

Tantaran' ny fitrandrahana

[hanova | hanova ny fango]

Taorian' ny fividianana ny toeram-pitrandrahan' i Rio Tinto, dia nanorina trano vaovao fanodinana ny tompon' orinasa vaovao, izay nampiasa teknikam-pitrandrahana vaovao sy nanitatra ny karazan' ny harena ankibon' ny tany trandrahany[4].

Hatramin' ny taona 1877 ka hatramin' ny 1891 dia ny toeram-pitrandrahana Rio Tinto no lehibe indrindra eran-tany amin' ny famokarana varahina[7].

Nanomboka tamin' ny taona 1870 ka hatramin' ny 1925 dia nanokana ny fahaizany amin' ny fitrandrahana tanteraka ilay toeram-pitrandrahana goavamben' i Rio Tinto, sady nanitatra ny fitrandrahana any ivelan' i Espaina. Io vondrona io dia ampahany amin' ny fiombonan' orinasa izay mifehy ny famokarana varahina sy pirita ary ny fifehezana ny vidin' ny vokatra manerana izao tontolo izao, izay manome antoka ny fahombiazany ara-bola tsy miova nanomboka tamin' ny taona 1914.

Les teleras sy ny "taonan' ny tifitra"

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny 4 Febroary 1888, fotoana fohy taorian' ny nahatongavan' ny tale jeneraly vaovao, William Rich, ny fihetsiketsehan' ny mpitrandraka sy ny tantsaha nanohitra ny fisian' ny setroky ny "teleras" sy nanohitra ny tontolo fadiranovan' ny asa, dia nofaizin' ny tafika mafy. Na dia tsy niresaka firy ny amin' ilay hetsika aza ny governemanta sy ny orinasa, dia fantatra fa olona maherin' ny 200 no maty. Ireo tranga feno ra mandriaka ireo no atao hoe año de los tiros ("taon' ny tifitra") any amin' ny faritanin' i Huelva.

Ny teleras (fandoroana ny akora an-kalamanjana) dia efa fanao tao an-toerana nanomboka tamin' ny fiandohan' io taonjato io fa tamin' ny fahatongavan' ny Britanika no nampitombo be ny fanaovana izany, hany ka dia tombanana ho 500 taonina isan-taona ny akora voadoro. Nisy akony teo amin' ny firenena izany toe-draharaha izany, ary tany amin' ny faritany dia nizara roa ny mponina ka ao ireo atao hoe humistas ("mpankasitraka ny setroka"), nanohana ilay fanao izay heveriny ho mariky ny fandrosoana, ary ao koa ireo antihumistas ("mpanohitra ny setroka"), izay nitsikera ny fandotoana goavana ny tontolo iainana. Raha ny marina, ny setroka avy amin' ny teleras dia nandoto ny faritra manontolo, ka indraindray dia tonga any Sierra de Sevilla, ary na dia tany Ayamonte sy Pôrtogaly aza dia tongan' izany setroka izany. Noho izany, nanomboka tamin' ny taona 1877 dia maro ny fitarainana voarain' ny governemantan' i Cánovas del Castillo, ka nahatonga famoahana didim-panjakana tamin' ny 22 Jolay 1879, izay nanome onitra kely fotsiny ho solon' ny fahavoazana amin' ny vokatry ny fambolena; izany dia sahala amin' ny fanomezana alalana ny fampiasana izany fomba fandorana akora izany, na dia teo aza ny fahafatesan' ny mpiasa maro tao amin' io faritra io vokatr' izany. Nilaza ny dokotera rehetra tao amin' ilay orinasa fa vokatry ny aretina avy any an-kibon-dreny mianjady amin' ny mpiasa izany fahafatesana izany fa tsy vokatry ny setroka.

Nandritra izany fotoana izany dia maro ny tanàna niezaka nandrara ny fandoroana akora ankalamanjana. Nanafoana ny didy navoakan' ireo tanàna ireo anefa ny governemanta noho ny olona ao amin' ilay governemanta efa azon' ny orinasa sy ny ny gazety mpandala ny mahazatra toa ny La Provincia.

Nitombo ny tsy hafalian' ny olona ka ny tompon-tany sy ny mpiasa tany, izay tsy afaka nivelona intsony noho ny fahalotoan' ny tontolo iainana, dia nitambatra ka nanao hetsi-panoherana amin' ny maha mpiasa, sy ho fandalana ny tontolo iainana. Noho izany, tamin' ny 31 Janoary 1888 dia nisy hetsika teo amin' ny lapan' ny tanàna iray notarihan' ilay mpikatroka an-dahatsoratra, dia ilay Kiobana Maximiliano Tornet, izay nametraka fangatahana maromaro, anisan' izany ny fampitsaharana ny fandoroana akora eny ankalamanjana. Tamin' ny 29 Desambra amin' io taona io vao namoaka didy ny governemanta fa tokony hahena io fomba fandoroana io (nefa efa voarara any Britaina Lehibe fito taona lasa izany fanao izany).

Ny 2 Febroary 1888 dia nisy fitokonana tao amin' ny lempona fitrandrahana, izay nitarika ny Governorata Sivily hametraka antoko miaramila roa an' ny jeneraly Pavía, izay baikoin' ny lietna-kôlônely Ulpiano Sánchez. Ny ampitson' io, na dia teo aza ny ezaka fanelanelanana nataon' ny Guardia Civil, dia nisy ny trangan-kerisetra niseho, ka ny mpitantana ny tanàna sy ny mpitantana ny orinasa, William Rich, dia tsy nanaiky ny fifampiraharahana sady angamba nampandre ny any amin' ny renivohitra mba handefa ny tafika ao Riotinto.

Ny marainan' ny 4 Febroary dia nisy hetsika vaovao indray, nandraisan' ny mponina tao an-tanànana akaikin' i Nerva sy ny faritra manodidina, ary nisy solontena tonga tao amin' ny lapan' ny tanàna mba hanolotra ny fangatahany. Feno mpiasa sy zaza amam-behivavy ny Kianjan' ny Lalàmpanorenana ary tombanana fa nisy mpanao fihetsiketsehana 12 000. Hetsi-panoherana am-pilaminana izany, nefa tsy nisy olona nahalala marina tsara hoe iza no nanome alalana ny miaramila tao Pavía mba hitifitra ny vahoaka, ary avy eo dia novitain' ny miaramila tamin' ny baiônety ny ain' ny maratra.

Tsy fantatra hoe natao inona ny faty, nefa heverina fa nalevina tao amin' ny korontan-tany sy vato tao amin' ilay toeram-pitrandrahana. Ireo fisehoan-javatra mampalahelo ireo, izay niteraka fihetseham-po eran' ny firenena sy eran-tany, dia azo heverina ho fihetsiketsahana voalohany natao hiarovana ny tontolo iainana, fa na dia eo aza ny didy navoakan' ny minisitra José Luis Albareda, ny teleras dia tsy voarara tanteraka tao Espaina raha tsy tamin' ny taona 1907.

Ny toeram-pitrandrahana taorian' ny Ady Lehibe Faharoa

[hanova | hanova ny fango]
Ny pirita no iray amin' ny vokatra tena trandrahina ao amin' ilay toeram-pitrandrahana voalohany, Río Tinto.

Tonga ny Ady Lehibe Voalohany ka ny vokatr' izany dia ny fahafoanan' ny tsena amerikana amin' ny maha tsena azo ianteherana ho an' ny akora pirita eorôpeana azy, izany dia niteraka fihenan' ny fandraharahana orinasa maneran-tany[4], nefa nisy tsena vaovao nipoitra, izay niroborobo noho ny filana metaly avy amin' ny tafika eorôpeana, ary avy eo dia nila izany koa ny asa fanarenan-tanàna potiky ny ady.

Ny tsy fisian' ny fanamaroana ny karazam-bokatra vokarin' ny orinasa ilain' ny sehatra hafa na ny firenena hafa dia nanampy ny fihenan' ny endrik' ilay orinasa amin' ny maha orinasam-pitrandrahana iraisam-pirenena lehibe indrindra azy. Na izany aza dia niova ny toe-draharaha taorian' ny ady, tamin' ny taona 1925, rehefa i Auckland Geddes no nandimby an' i Alfred Milner amin' ny maha filohan' ny vondrona azy.

Nanapa-kevitra ny hampivelatra ny fampiasam-bolan' ny orinasa sy hanavao ny paikady ara-barotra ny i Geddes sy ny ekipa teo amin' ny fitantanana vaovao. Nitarika ny vondrona i Geddes mba hamolavola sehatra iraisam-pirenena miaraka amin' ny mpanjifa eo amin' ny sehatry ny fampivoarana ny teknôlôjia vaovao sy amin' ny fikarohana harena an-kibon' ny tany sy ny fitrandrahana izany ivelan' i Espaina[4].

Ny manan-danja indrindra tamin' ny fampiasam-bolan' ny orinasa dia mety ho ny fividianana ny tany malalaka sy ny toeram-pitrandrahana varahina any Rhodesia, izay nohamafisin' ilay orina tamin' ny namoronany ny Rhokana Corporation[4]. Ireo ezaka fanamaroan-karazana ny vokatra ireo dia nahafahan' ny orinasa handao ny toeram-pitrandrahana tao Rio Tinto ao Espaina, raha tamin' ny taona 1950 ny governemanta nasiônalistan' i Franco nahatonga ny fitrandrahana ny harena voajanahary "espaniôla" ho amin' ny tombontsoian' ny orinasa vahiny[4]. Ny orinasa Rio Tinto Company izay notohanan' ny fampiasam-bolany maneran-tany, dia afaka nivarotra ny roa ampahatelon' ny asa nataony tao Espaina tamin' ny taona 1954, notanterahiny tamin' ny taona maromaro manaraka ny sisa tavela[8].

Fanakambanana sy fividianana orinasa

[hanova | hanova ny fango]
Foiben-toeran' ny Rio Tinto any Melbourne any Aostralia.

Tahaka ny orinasam-pitrandrahana goavam-be maro, dia nitombo tamin' ny alalan' ny fanakambanana sy ny fividianana orinasa ny orinasa Rio Tinto.

Tamin' ny Ôktôbra 2007, ny Rio Tinto dia nividy tamin' ny vola 38,1 lavitrisa dôlara amerikana, an' ilay orinasa kanadiana mpamokatra atao hoe Alcan[9]. Izy no lasa lohalaharana maneran-tany amin' ny famokarana alimo alohan' ny orinasa rosiana Rusal sy amerikana Alcoa. Nantsoina hoe Rio Tinto Alcan ilay orinasa vao noforonina.

Tamn' ny Febroary 2009 dia nanao izay handraisan' ny Chinalco anjara ara-bola ny Rio Tinto mba hanatanterahana ny adidiny ara-bola, ka anisan' izany ny tokony handoavany 9 lavitrisa dôlara tamin' ny faran' ny taona 2009. Namidiny tamin' ny orinasa Vale ny petra-bolany mba hanatsara ny toe-bolany azo kirakiraina. Ankoatra izany dia nanambara ny fandroahana mpiasa miisa 14 000 tamin' ny taona 2009 ilay orinasa[10]. Tamin' ny 12 Febroary 2009 dia nanapa-kevitra ny hampiasa 19,5 lavitrisa dôlara ao amin' ny Rio Tinto ny Chinalco[11]. Tamin' ny Jona 2009 dia nisafidy ny handray famatsiam-bola avy amin' ny tsenam-panjakana ny Rio Tinto, sady nanao sonia fiaraha-miasa amin' ny BHP Billiton, ka nandao ny Chinalco teo amin' ny famitana dingana. Nilaza ny Ny mpanao gazety tokan-tsehatra fa nanery ny Rio Tinto ny governemanta sinoa mba hahatonga azy hanaiky ny fanaraha-maso ny Chinalco[12].

Tamin' ny volana Aogositra 2010 dia nisy orinasa vaovao, dia ny Alcan EP, izay nanangona ny vokatra voamboatra, izany hoe ny asa nataon' ny Pechiney amin' ny vokatra vita amin' ny viraty (na alominiôma) ho an' ny fiaramanidina sivily sy miaramila, ho an' ny fiara, ho an' ny fanamboarana lalamby na ho an' ny indostria.

Tamin' ny voalohandohan' ny taona 2011 dia namidy tamin' ny tahiry fampiasam-bola amerikana (ny Apollo) ny 51 % amin' ny Alcan EP, ary ny 10 % no namidy tamin' ny tahirim-bolan' ny fanjakana frantsay, dia ilay atao hoe Fonds Stratégique d'Investissement. Mitazona ny sandanjon' ny renivola ny Rio Tinto Alcan, izany hoe ny 39 %[13]. Manana toeram-pitrandrahana 70 sy mpiasa miisa 11 000 maneran-tany ny Alcan EP, izay novana anarana hoe Constellium, ka ny 5 000 amin' ireo dia any Frantsa.

Tamin' ny taona 2016 dia namidiny 100 % tamin' ilay orinasa maheni-tany Simec ny zanak' orinasany, dia ny Alcan Aluminum UK, tamin' ny vola mitentina 410 tapitrisa dôlara.

Tamin' ny Janoary 2017 dia nanambara ny fivarotana ny ampahan' ny asa arintany izay nataony any Aostralia tamin' ny Yanzhou Coal Mining (Yancoal) ny Rio Tinto tamin' ny vola 2 450 tapitrisa dôlara[14]. Tamin' ny volana Jona 2017 dia nihoatra izany tolotra izany ny Glencore[15].

Tamin' ny Ôktôbra 2017, izay sambany teo amin' ny tantara, dia nadefa fiaran-dalamby tsy misy mpamily tamin' ny dia lavitra tany Aostralia ny Rio Tinto[16].

Asa sahaniny

[hanova | hanova ny fango]

Ny akora fototra an' ny Rio Tinto dia any Aostralia (akoram-by, arintany, viraty), any Etazonia (varahina, arintany), any Kanada (viraty sy ny hafa), any Amerika Latina ary any Afrika Atsimo.

Tamin' ny Marsa 2009 dia heverina ho orinasa fahefatra mpitrandraka harena an-kibon' ny tany eto amin' izao tontolo izao ny Rio Tinto tamin' ny renivola tokony ho 34 lavitrisa[1] ka io vondrona io dia voatanisa ao amin' ny gazetiboky Fortune fa any amin' ny laharana faha-263 eto amin' izao tontolo izao araka ny filaharan' ny orinasa lehibe indrindra araka ny lisitra Global Fortune 500[17].

Tany Kanada, ankoatra ny viratin' ny Alcan, dia manara-maso toeram-pitrandrahana maro sy orinasana mpitrandraka metaly fototra ny Rio Tinto. Ohatra, manana ny QIT-Fer et Titane ao Quebec ny Rio Tinto[18] izay mitrandraka ny tahirina ilmenita lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao, hita ao amin' ny farihy Tio, 43 km avy ao Havre-Saint-Pierre any amin' ny morontsiraka avaratr' i Kanada. Ao amin' ny Sorel-Tracy, ny QIT dia maka diôksida-na titanina avy amin' izany akora ilmenita izany izay anamboarana loko fotsy mpanamatroka ao amin' ny asa fandokoana sy ny plastika sy ny taratasy, sns, sady loharano voalohany ahazoana titanina. Izy koa no manana toeram-pitrandrahana vy lehibe indrindra ao Labrador any Kanada, ka mahatratra 59 % ao amin' ny Independent Operating Company (IOC) izany. Farany, dia manana ny 60 % fandraisana anjara ao amin' ny fitrandrahana diamondra ao Akdov any Yellowknife, ao amin' ny Northwest Territories[19].

Tamin' ny taona 2013 dia nahazo fiaran-dalamby tamin' ny Qiqihar Railway Stock Co., Ltd. ny Rio Tinto, novokarin' ny mpanamboatra fiaran-dalamby iray malaza ao Sina izay afaka mitondra entana faran' izay mavesatra indrindra manerana izao tontolo izao: mety hahatratra 155 taonina isan-kalesy izy io; ny vesatra lehibe indrindra zakan' ny tsivalan-kodiarana tsirairay dia 44 taonina ary ny lamasinina dia mahazaka entana entana 30 000 ka hatramin' ny 50 000 taonina[20].

Tanjany ara-bola

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2006 ny Rio Tinto dia nanambara fa mampiasa vola hatramin' ny 22 500 tapitrisa dôlara ka ny fitombon' ny hareny dia mahatratra 8,6 lavitrisa dôlara kanadiana.

Tamin' ny taona 2007 ilay orinasa dia nahazo tombom-barotra 147 lavitrisa dôlara[21],[22] .

Na dia nahomby nandritra ny taona maro nifanesy aza ny fitantanana ara-bolan' ilay orinasa, na dia tsara aza ny fidiram-bola avy amin' izany ho an' ny mpampiasa vola, ary na dia eo aza ny fitadiavan' i Sina metaly be dia be, tamin' ny taona 2007, ny famerenana ilay orinasa Kanadiana Alcan tamin' ny fividianana azy amin' ny vola mitentina 38,1 lavitrisa dôlara dia namoaham-bola be loatra ka nampidi-trosa indrindra tao amin' ny vondrona Rio Tinto[23].

Tsy sahala amin' ny orinasa hafa mitovy habe aminy ny Rio Tinto, izay orinasa Dual-listed company, izany hoe orinasa fehezin' ny fikambanana roa miavaka, izay mizara ny fahasahiranana mety hitranga sy ny tombontsoa:

  • ny Rio Tinto Plc, orinasa voatanisa ao amin' ny rejisitry ny London Stock Exchange, izay mikambana ao amin' ny vondrona ao amin' ny FTSE 100 Index[24];
  • ny Rio Tinto Ltd, voasoratra ao Aostralia ary anatin' ny lisitra ao amin' ny Australian Securities Exchange izay ao amin' ny vondron' ny S&P/ASX 200 Index[25].

Io vondrona io dia mizara ho sampana ara-barotra dimy: ny viraty (na alominiôma), ny varahina, ny diamondra sy mineraly hafa, ary ny angovo ny akoram-by. Tamin' ny taona 2007 dia nisy orinasa 80 niorina tany amin' ny firenena miisa 50.

Ny tsikera mahazo ny Rio Tinto

[hanova | hanova ny fango]

Tsikera sy fitarainana

[hanova | hanova ny fango]

Maro dia maro ny fitsikerana ny fomba fiasan' ny Rio Tinto hatramin' izay nisiany, momba ny mpiasa, momba ny zon' olombelona, momba ny tsolotra, momba ny fanajana ny lova ara-kolontsain' ny vahoaka sasany, momba ny tontolo iainana, sns. Izao ny zava-nitranga sasany:

  • 1888: fandripahana tantsaha, mpiasa amin' ny fitrandrahana, sns tany amin' ny toeram-pitrandrahana any RioTinto tany Espaina, izay nanohitra ny fandotoana ny tontolo iainana noho ny fandoroana faika avy amin' ny fitrandrahana pirita[26][27].
  • 1939–1945: fitsabahan' ny firenena mpiara-dia ao amin' ny "Teza" (i Alemaina sy i Italia ary ny Empiran' i Japàna) nandritra ny Ady Lehibe II, tamin' ny andron' i Franco, filohan' i Espaina[28].
  • 2000: fitoriana noho ny fanaovan' ny Rio Tinto toeram-panariam-pakom-pitrandrahana ny vinanihefaky ny ony Kawerong-Jaba, avy amin' ny toeram-pitrandrahan' i Panguna any Papoazia-Ginea Vaovao sy ny fanimbana ny tonrolo iainana (fanimbana ala)[29].
  • 2008: nisintona ny volany tsy hampiasaina intsony ao amin' ny Rio Tinto i Nôrvezy mba tsy ho anisan' ny mpandray anjara amin' ny fanimbana ny tontolo iainanana manerana izao tontolo izao, taorian' ny fahatsapany fanimbana tontolo iainana tany amin' ny toeram-pitrandrahana volamena Grasberg any Papoazia izay atao hoe Ginea-Vaovao Andrefana (Indônezia), fitrandrahana izay efa nanomboka tany amin' ny taona 1973[30][31].
  • 2012: fanehoan-tsy fankasitrahana ny fizaràna medaily nandritra ny Lalao Ôlimpika tany London, volamena avy amin' ny volamena notrandrahana tany Utah (Etazonia) sy tany amin' ny toeram-pitrandrahan' i Oyu Tolgo (Môngôlia), fitrandrahana niteraka olana amin' ireo tanàna ireo[32].
  • 2015-2022: fitarainana momba ny fanavakavahana sy fampijaliana ary fanararaotana ara-nofo tany amain' ny toeram-pitrandrahana any Aostralia[33][34][35][36].
  • 2020: fanimbana toerana manan-tantara sady heverin' ny Abôrijinina aôstraliana ho masina, izay efa nisy 45 000 taona, mba hanitaran' ny Rio Tinto ny toeram-pitrandrahany any Juukan Gorge (Aostralia)[37][38].
  • Mpanao hetsi-panoherana ny Rio Tinto tany Serbia tamin' ny taona 2021–2022.
    2020: taorian' ny fitrandrahana varahina sy volamena tany Panguna any Bougainville (Papoazia-Ginea Vaovao), izay nilaozan' ny Rio Tinto tamin' ny taona 1989, sady niteraka tondra-drano sy fahalotoan' ny fantsakana ary fanapoizinana ny renirano, dia nametraka fangatahana fanadihadiana tamin' ny governemanta aostraliana ny mponina ao amin' ilay faritra tamin' ny Septambra. 2020[39].
  • 2021: hetsi-panoherana tao amin' ny faritra andrefana amin' i Serbia, izay nanehoan' ny olona, indrindra ny mpiaro ny tontolo iainana, ny tsy fankasitrahana ny fitrandrahana litiôma izay nataon' ny Rio Tinto tany amin' io faritra io. Nitsahatra ny fitrandrahana nefa nilaza ny fitondram-panjakana fa mankasitraka ny hanohizana ilay tetikasa[40][41][42].
Ny toeram-pitrandrahana ao Grasberg any Indônezia

Tsy fanajana ny tontolo iainana

[hanova | hanova ny fango]

Tsikerain' ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana ny vondrona Rio Tinto noho ny asa firandrahana ataony. Miompana amin' ny fomba fiasan' ilay orinasa ny fanoherana an' io orinasa io: fanimbana ny tontolo iainana, fitrandrahana sy fiasana ny arintany izay mandray anjara amin' ny fampiakarana ny hafanana maneran-tany, ny fitrandrahany oraniôma izay mampiahiahy momba ny tontolo iainana sy ny teknôlôjia nokleary. Ny an' ny governemanta nôrveziana no tsikera iarovana ny tontolo iainana mafy indrindra, i Nôrvezy izay niala tamin' ny asan' ny Rio Tinto sady nisakana ny fampisam-bola noho ny fisahiranany momba ny tontolo iainana. Nitarika ny Statens pensjonsfond Utland (tahirim-bola fifampitsinjovana an' ny governemanta nôrveziana) hanala ny Rio Tinto tsy hanaovany fampiasam-bola ny fiampangana noho ny fanimbana goavana ny tontolo iainana izay mifandray amin' ny asan' ny Rio Tinto ao amin' ny toeram-pitrandrahan' i Grasberg any Indônezia. Izany tahirim-bola izany, izay heverina ho laharana faharoa eran-tany, dia nivarotra ny petra-bolan' ny orinasa izay mitantina 4,85 miliara korônina (855 tapitrisa dôlara) mba hialana amin' ny fandraisana anjara amin' ny fanimbana ny tontolo iainana ataon' ilay orinasa[43].

Fahasimban' ny tontolo iainana aorian' ny fitrandrahana nataon' ny Rio Tinto

Ny fanesoranay ilay orinasa avy tamin' ny Tahirim-bola dia maneho ny fahalainana ny ho azon' ny fahasahiranana tsy azo ekena amin' ny handraisana anjara amin' ny fihetsika izay mazava fa mifanohitra amin' ny tokony ho izy. Nanatsoa-kevitra ny Filankevitry ny fahamendrahana fa ny Rio Tinto dia mandray anjara mivantana, noho ny fandraisany anjara amin' ny toeram-pitrandrahana ao Grasberg ao Indônezia, amin' ny fanimbana ny tontolo iainana vokatr' izany fitrandrahana harena an-kibon' ny tany izany[44].

Nanohitra izany fiampangana azy ho manimba tontolo iainana ao amin' ny toeram-pitrandrahana ao Grasberg izany ny Rio Tinto ka nanambara fa nitazona hatry ny ela laza tsara raha ny amin' ny resaka tontolo iainana[45].

Tsy fanajana ny fepetran' ny asa sy ny zon' olombelona

[hanova | hanova ny fango]

Fikambanana mpihetsiketsika maro no naneho koa ny ahiahiny ny amin' ny asan' ny Rio Tinto any Papoazia-Ginea-Vaovao, izay, araka ny lazain' izy ireo, nivoy ny fahasahiranan' ny mpisara-bazana ao Bougainvilla[46]. Nitsikera ihany koa ny tsikombakomba misy eo amin' ny fanitsakitsahana ny zon' olombelona izay miseho manodidina ny toeram-pitrandrahana ny fikambanana mpanao asa soa britanika miady amin' ny fahantrana War on Want; misa any Indônezia sy any Papoazia-Ginea Vaovao io fikambanana io[47].

Tamin' ny 31 Janoary 2010 dia nanajanona mpiasa nitaky zo miisa tokony ho 600 eo ho eo avy ao amin' ny toeram-pitrandrahana ao Boron, any Kalifornia, Etazonia, ny Rio Tinto[48].

Ny Rio Tinto dia ampangaina koa ho nanomana sy namatsy vola ny famonoana an' ilay mpanao fihetsiketsehana tao amin' ny RTI, dia i Shehla Masood, tao Bhopal any India. Nanohitra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny diamondra izay nataon' ny Rio Tinto tamin' ny firaisana tsikombakomba tamin' ny olona ao amin' ny governemanta izy. Izany raharaha izany dia voavaha ary tsy nisy ifandraisany amin' ny Rio Tinto azo porofoina, na dia mihevitra ny olon-tsotra fa meloka ny Rio Tinto [49][50][51][52].

Na dia izany aza dia tsy voaheloka maneran-tany amin' ny fiasany miohatra amin' ny ara-môraly ny Rio Tinto. Nahazo ny loka amin' ny fahaiza mitondra tena ilay orinasa, dia ny loka Worldaware Award for Sustainable Development tamin' ny taona 1993[53]. Izany loka izany, na dia natolotry ny vaomiera mahaleotana aza, dia tohanan' ny orinasa iray hafa izay misandrahaka maneran-tany koa (noho izany, ny mpanohana dia ny Tate and Lyle). Manohana ny fanolorany loka WorldAware koa ny Rio Tinto, dia ny loka Rio Tinto Award for Long-term Commitment[54].

Tsy misy intsony nanomboka tamin' ny volana Marsa 2005 ny fikambanana mpanao asa soa britanika Worldaware[55]. Ireo loka ireo, izay omena ny orinasa mpitrandraka izay nanao fanamby manaja ny tontolo iainana mba hialana amin' ny fitsikerana faobe ny asa ataon' izy ireo, dia ataon' ny fikambanana mpanara-maso ny orinasa hoe "greenwashing" (ara-bakiteny: "fandiovana ho maitso" na "fanamaitsoana") izany hoe isehoana ho tsy mana-tsiny manoloana ny tontolo iainana[56][57][58].

Fiampangana amin' ny fanaovana tsolotra

[hanova | hanova ny fango]

Fitrandrahana tany Sina

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2009 dia nanadihady momba ny fiampangana ny Rio Tinto ny mpitondra sinoa. Fanaovana tsolotra amin' ny mpitantana tao amin' ny orinasa mpanodina vy (metalorjia) lehibe indrindra sinoa miisa 16 mba hahazoana vaovao miafina[59]. Tamin' ny 29 Marsa 2010 dia mpiasa miisa efatra tao amin' ny Rio Tinto no niaiky heloka ny amin' ireo fiampangana ireo tamin' ny nandraisany vola dôlara an-ketsiny natao tsolotra[60]. Voasazy nandoa an-jato tapitrisa dôlara izy ireo miampy 7 hatramin' ny 14 taona an-trano maizina[61].

Fitrandrahana tany Ginea

[hanova | hanova ny fango]

Voarohirohy tamina fiampangana tsolotra momba ny fividianany fandraisana ajara petra-bola tao amin' ny toeram-pitrandrahana vy tao Simandou tao Ginea ny Rio Tinto. Ny foiben' ny fiampangana dia momba ny fanomezana vola tsolotra mitentina 10,5 tapitrisa dôlara an' i François de Combret, mpanolotsaina ao amin' ny banky frantsay izay namana sady mpanolotsaina ny filoha Alpha Condé[62][63].

Nanao fanadihadiana anatiny ny Rio Tinto momba izany, izay nosahanina vondrona mpisolovava mahaleo tena, ary tamin' ny 9 Nôvambra 2016 dia nambara izy ireo fa hanao tatitra momba ny vokatra azony any amin' ny United States Securities and Exchange Commission (SEC) sy ny Serious Fraud Office (Britanika) sy ny Australian Securities and Investments Commission ary ny United State Justice Department. Nanambara koa izy ireo fa hiara-hiasa amin' ny fanaovana fanadihadiana mifanampy amin' izany sady nandroaka mpiasa ambony roa izay nisy fifandraisany tamin' ilay raharaha, ka ny iray dia lehiben' ny angovo sy ny akora mineraly, dia i Alan Davies[64], izay nitantana ny hetsika Simandou tamin' ny taona 2011[63]. Nahantona tamin' ny asany izy taorian' ny nahitan' ny mpanadihady imailaka mampiahiahy ahitana adivarotra momba ny fandoavana ny fifanekena nanomboka tamin' io taona io. Nilaza i Davies fa tsy misy ny antony tokony hanalana azy amin' ny asany[65].

Ny filoha dia nanda ny mety ho fahalalany ilay fifanakalozana tsy ara-dalàna, nefa ny raki-peo tao amin' ny France24 dia nanaporofo ny mifanohitra amin' izany[66]

Nahazo 80 % amin' ny karamany izay voahazona nandritra ny fitohizan' ny fanadihadiana I Sam Walsh izay filoha sy tale jeneraly taloha tao amin' ny orinasa[67].

Tamin' ny fiandohan' ny volana Nôvambra, ilay ministry ny harena an-kibon' ny tany taloha ao Ginea, Mahmoud Thiam, dia nanambara fa nanome tsolotra azy tamin' ny taona 2010 ny tomponandraikitra tamin' ny hetsiky ny Rio Tinto tao Ginea, mba ho afaka mifehy ny toeram-pitrandrahan' i Simandou ary mba hahazo ny fanohanan' ny mpikambana zokiny ao amin' ilay orinasa[68].

Tamin' ny taona 2017, ny Rio Tinto dia niatrika fitoriana miaraka miisa efatra fara-fahakeliny tao Etazonia, izay mitaky onitra tamin' ny fiampangana kolikoly tany Ginea. Nanambara ny fampanoavana fa nanao "fanambaràna diso sy mamitaka goavana" izay "namitaka" ny mpampisa vola ny Rio Tinto[69].

Tamin' ny volana Jolay 2017, ny Serious Found Office (SFO) dia nanambara ny hanaovana fanadihadiana momba ny hosoka sy ny tsolotra eo amin' ny fomba fiasa ara-barotry ny Rio Tinto ao Ginea[70]. Taorian' ny fanambaràna ny hanaovana ny fanadihadiana dia nihena 1,4 % ny petra-tsora-bolan' ny Rio Tinto[71]. Ny pôlisy federaly aostraliana koa dia nanadihady ny amin' ireo fiampangana ireo[72]. Nanambara ny Rio Tinto fa hiara-hiasa amin' ny fanatanterahana ny fanadihadiana. Taorian' ny fanambaràna ny hanaovana fanadihadiana izay nataon' ny SFO sy taorian' ny fikarohana olona hatao filoha sy tale jeneraly vaovao, dia voatery nametra-pialana tamin' ny toerany tao amin' ny orinasa i John Varley, talen' ny Rio Tinto[73][74].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1,0 et 1,1 Rio Tinto Chartbook Archived Jolay 15, 2011 at the Wayback Machine, marsa 2009, Rio Tinto Group, notsidihina tamin'ny 08-04-2009
  2. "Rapport annuel 2008" (PDF). Archived from the original (PDF) on 2016-03-03. Retrieved 2018-04-16.
  3. Huelva Province – Rio Tinto, Andalucia.com, notsidihina tamin'ny 03/03/2009.
  4. 4,0 4,1 4,2 4,3 4,4 4,5 et 4,6 Charles E. Harvey (1981) ; The Rio Tinto Company: an economic history of a leading international mining concern (Ny orinasa Rio Tinto : tantara ara-toekarenan'ny vondrona mpitrandraka harena an-kibon'ny tany mantanjaka eran-tany), jereo takila faha-188.
  5. Rio Tinto ; Résultats préliminaires 2008 Archived Martsa 27, 2009 at the Wayback Machine.
  6. Our Products; Rio Tinto web site Archived Desambra 13, 2010 at the Wayback Machine, Rio Tinto Group, 2009/04/11
  7. Stevens, Horace Jared The Copper Handbook, Ed : Horace J. Stevens, 1908, vol 8, takila faha-1547.
  8. "Who We Are: Timeline, Page du site Web du Groupe Rio Tinto, version 2009, notsidihina tamin'ny 04/03/2009;
  9. "Rio Tinto prend le contrôle d'Alcan", Le Monde,‎ 24 octobre 2007 (tahiry).
  10. Personnel de rédaction, "The big owe", The Economist,‎ 2 Febroary 2009 (tahiry).
  11. The Associated Press, "Chinalco investit 19,5 milliards $US dans Rio Tinto", Le Devoir,‎ 13 février 2009 Archived Febroary 15, 2009 at the Wayback Machine. (tahiry)
  12. "A souring relationship", The Economist,‎ 11 Aogositra 2009.(tahiry)
  13. "La renaissance de l'ex-Pechiney prend effet", La Tribune,‎ 4 Janoary 2011.
  14. Rio Tinto sells coal assets to China's Yancoal for up to $2.45 billion, Byron Kaye et Barbara Lewis, Reuters, 24 Janoary 2017 (tahiry)
  15. Glencore outbids Yancoal for Rio Tinto coal mines in Hunter Valley, Reuters, 9 oktobra 2017 (tahiry)
  16. Steve Tenre, "Ce train autonome inédit vient d’effectuer son premier trajet", Daily Geek Show,‎ 4 Oktobra 2017 (tahiry)
  17. Loharano: Jérôme Goellner, lehiben'ny service technologie et risques industriels ao amin'ny ministera misahana ny Tontolo Iainana (Oktobre 2010), nanontaniana ny amin'ny fotaka mena ao Gardanne.
  18. QIT Archived Aprily 16, 2018 at the Wayback Machine [tahiry)
  19. Claude Turcotte, "Rio Tinto, 134 ans et toutes ses dents", Le Devoir,‎ 14 juillet 2007 Archived Novambra 22, 2008 at the Wayback Machine [tahiry]
  20. french.peopledaily.com.cn/Economie/8367654.html
  21. Freed Jamie, thwart-bhp/20080201-1pkr.html Chinese raid on Rio Tinto could thwart BHP (Un Raid chinois sur Rio Tinto pourrait contrecarrer BHP) [tahiry], 2008/02/01, Sydney Morning Herald, édité par Fairfax Digital, notsidihina 2009 04 10
  22. BBC, 2007/11/08 BHP makes £120bn Rio bid approach [tahiry], Informations en ligne, BBC, notsidihina 2007/11/08
  23. Espinoza, Javier; Rio Tinto on the Hunt for Cash [tahiry] ; 2009/04/06, Ed : Forbes.com, notsidihina 2009/04/07
  24. Rio Tinto Plc Ord 10P [tahiry]; London Stock Exchange – Detailed Prices; London Stock Exchange ; consulté 2009/03/11
  25. S&P/ASX 200 Fact Sheet Archived Jiona 13, 2011 at the Wayback Machine [tahiry] ; Standard & Poor's, PDF, 2009/03/11
  26. Harvey, Charles (1981). The Rio Tinto Company: an economic history of a leading international mining concern, 1873-1954. Penzance, Cornwall: A. Hodge. p. 132. ISBN 0-906720-03-6. OCLC 9081306.
  27. Millan, Matteo; Saluppo, Alessandro, eds. (2020). Corporate Policing, Yellow Unionism, and Strikebreaking, 1890–1930: In Defence of Freedom. p. 53. doi:10.4324/9780429354243. ISBN 9780429354243. S2CID 238046666.
  28. Kutney, Dr. Gerald (2007). Sulfur: History, Technology, Applications & Industry. ChemTec Publishing. p. 260. ISBN 9781895198379.
  29. "Rio Tinto: A shameful history of human and labour rights abuses and environmental degradation around the globe". London Mining Network. 8 June 2021.
  30. Norwegian Ministry of Finance (9 September 2008). "The Government Pension Fund divests its holdings in mining company".
  31. MacAlister, Terry (9 September 2008). "Ethical business: Norway ejects mining giant Rio from its pension portfolio". The Guardian. UK.
  32. "Greenwash Gold 2012 campaign". Corporate Watch. 1 November 2018. Retrieved 15 December 2022.
  33. Toscano, Peter Milne, Nick (1 February 2022). "Rio Tinto 'shamed' by alarming sexual harassment, bullying and racism". The Sydney Morning Herald.
  34. "Rio Tinto says 21 female workers reported sexual assaults". BBC News. 1 February 2022.
  35. "Bullying, sexual harassment and racism rife at Rio Tinto, workplace review finds". The Guardian. 1 February 2022.
  36. Menon, Praveen (1 February 2022). "Report on Rio Tinto finds 'disturbing' culture of sexual harassment, racism, bullying". Reuters.
  37. "A 46,000-Year-Old Aboriginal Site Was Just Deliberately Destroyed in Australia". Science Alert. 28 May 2020.
  38. "Mining firm Rio Tinto sorry for destroying Aboriginal caves". BBC News. 31 May 2020.
  39. Albeck-Ripka, Livia (30 September 2020). "Abandoned Rio Tinto Mine Is Blamed for Poisoned Bougainville Rivers". The New York Times. ISSN 0362-4331.
  40. "Rio Tinto lithium mine: thousands of protesters block roads across Serbia". The Guardian. Agence France-Presse. 5 December 2021.
  41. "Jovanović Ćuta: The blockade succeeded, we will continue until Rio Tinto is expelled". N1 Srbija.
  42. Tatalović, Žaklina (16 July 2024). ""Ponovo radi Rio Tinto": Brnabić za sve krivi bivšu vlast, Nemci stižu da se "sporazumemo o litijumu"". N1 (amin' ny fiteny serbiana).
  43. Norwegian Ministry of Finance (92008). "The Government Pension Fund divests its holdings in mining company".
  44. MacAlister, Terry (9 September 2008). "Ethical business: Norway ejects mining giant Rio from its pension portfolio". The Guardian. UK. notsidihina 10 Septambra 2008.
  45. "Norway blacklists miner Rio Tinto". BBC News. 10 September 2008. Notsidihina 9 Avrily 2009.
  46. Lea, David (1999). "Corporate and Public Responsibility, Stakeholder Theory and the Developing World". Business Ethics: A European Review. 8 (3): 151–162. doi:10.1111/1467-8608.00143.
  47. Curtis, Mark (November 2007). "Fanning the Flames" (PDF). Fanning the Flames. War on Want. Archived from the original (PDF) on 22 December 2009. Notsidihina 10 Avrily 2009.
  48. "Locked-out Rio Tinto borax miners in U.S. get support". Reuters. 25 February 2010. Notsidihina 24 Febroary 2010.
  49. "Shehla Masood Case solved".
  50. "Letters by Shehla Masood on Illegal mining".
  51. "Shehla Masood's last interview".
  52. "RTI activist shot dead"
  53. "Tate and Lyle Award for Sustainable Development". Worldaware. 1993. Tahiry
  54. "The Rio Tinto Award for Long-Term Commitment". Worldaware. 1999. Archived from the original on 23 July 2001. Notsidihina 10 Avrily 2009.
  55. "About Worldaware". Worldaware.org.uk. Archived from the original on 17 February
  56. Client Earth. "Rio Tinto's greenwash challenged in first big test of UK's company reporting regulator". Archived from the original on 14 April 2013. Notsidihina 8 Avrily 2011.
  57. Campbell, Logan (28 October 2008). "Rio Tinto greenwashing bad record". The Daily Utah Chronicle. Notsidihina 9 Avrily 2011
  58. Bruno, Kenny. "The UN's Global Compact, Corporate Accountability and the Johannesburg Earth Summit". CorpWatch. Notsidihina 1 Avrily 2011.
  59. "Rio Tinto bribery case advances in China - CNN.com". Notsidihina 14 Avrily 2017.
  60. Barboza, David (29 March 2010). "Stiff Sentences Given to Rio Tinto Employees in China". The New York Times. ISSN 0362-4331. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  61. "TRACE Compendium - RIO TINTO GROUP". www.traceinternational.org. Retrieved 14 April 2017.Ererere
  62. "SEC Said to Probe Rio Tinto on Mozambique Deal Impairments". Bloomberg.com. 28 November 2016. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  63. 63,0 et 63,1 "French claims Rio's consultant working 'hand in hand' with officials in Guinea". Financial Review. 2 December 2016. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  64. Samb, Sonali Paul and Saliou. "Rio Tinto suspends senior executive after Guinea investigation". Reuters UK. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  65. "Sacked Rio Tinto exec hits back over Guinea bribery scandal". The Telegraph. Notsidihina14 Avrily 2017.
  66. "Audio recordings drag Guinea president into mine bribery scandal - France 24". France 24. 1 December 2016. Retrieved 14 April 2017.
  67. Pash, Chris (3 March 2017). "Rio Tinto's retiring CEO Sam Walsh is having problems with his bonus Archived Martsa 7, 2018 at the Wayback Machine". Business Insider Australia. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  68. "Rio Tinto Offered Bribe for Mine, Ex-Guinea Minister Says". Bloomberg.com. 18 November 2016. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  69. "Subscribe | theaustralian". www.theaustralian.com.au. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  70. "UK's SFO says opens investigation into Rio Tinto Group". Reuters. 24 July 2017. Notsidihina 3 Janoary 2018.
  71. Staff; Reuters (25 July 2017). "SFO says it is investigating Rio Tinto over Guinea operations". The Guardian. ISSN 0261-3077. Notsidihina 3 January 2018.
  72. AFP. "UK Serious Fraud Office probes Rio Tinto Guinea project". The Citizen. Notsidihina 3 Janoary 2018.
  73. "Subscribe to read". Financial Times. Notsidihina 3 Janoary 2018.
  74. Knight, Elizabeth (22 June 2017). "Rio Tinto's governance a fiasco as director charged with fraud". The Sydney Morning Herald. Notsidihina 3 Janoary 2018.