Aller au contenu

Pio XII

Avy amin'i Wikipedia
Ny papa Pio XII

I Pio XII dia papa faha-260 tao amin' ny Eglizy Katôlika nanomboka tamin' ny 1939 ka hatramin' ny nahafatesany. Amin' ny teny latina izy dia Pius XII, ary Pio XII amin' ny teny italiana. Teraka ny 2 Marsa 1876 tao Rôma (Italia) ary maty ny 9 Ôktôbra 1958 tao Castel Gandolfo (Italia).

Teraka tao amin' ny fianakavian' ny andriana pôntifikaly izy, dia nandroso tao amin' ny koria, ho mpahay lalàna momba ny diplômasia vatikana. Nontsy apôstôlika nandritra ny Ady Lehibe Voalohany tany Bavaria (frantsay: Bavière) izy avy eo tany Alemaina, izay nanatrehany maso ny fikomian' ny Kôminista sy ny fahaterahan' ny antoko Nazi, mpanao fifampiraharahana tao amin' ny kônkôrdata maro izy, dia natao kardinaly izy tamin' ny taona 1929 ary tamin' ny Febroary 1930 dia notendrena ho kardinaly sekreteram-panjakan' ny papa Pio XI. Niara-niasa taminy isan' andro izy, indrindra fa tamin' ny fifandraisana tamin' i Alemaina nentin' i Hitler, notohanan' ilay Katôlika atao hoe Franz von Papen, izay nanaovany fifampiraharahana kônkôrdata.

Niasa ho an' i Pio XI izy avy eo tamin' ny taratasy manameloka ny nazisma: Mit brennender Sorge. Ny fahaizany amin' ny maha diplômaty azy sy ny fitokisan' i Pio XI, izay maty tamin' ny taoba 1939, dia nahatonga azy ho ankafizin' ny maro tao amin' ny kônklava, izay nifidy azy taloha kelin' ny nanombohan' ny ady.

Niezaka ny hitandro ny fandriampahalemana (farafaharatsiny ho an' i Italia) izy, nampiharihary ny fahitany ny andraikitry ny papa ao amin' ny ensiklika Summi Pontificatus, dia nitazona an' i Vatikana ho tsy miandany izy, izay manameloka ny fihoaram-pefin' ny ady (indrindra fa tany Pôlônina) nefa tsy manonona mazava ny nazisma, sao hampitombo ny famoretana. Teo ambany fanaraha-mason' i Mussolini aloha, avy eo teo ambanin' ny an' ny Alemàna, dia nitazona fifandraisana ara-diplômasia amin' ny fitondrana rehetra izy, anisan' izany ireo izay niara-niasa ho amin' ny antisemitisma (fankahalana Jiosy) sy amin' ny fanaovana sesitany ny Jiosy, nefa nandà ny hanameloka ny firaisankina teo amn' ny firenena mpiara-dia sy ny Firaisana Sôvietika.

Noho ny fahafantarany ny fisian' ny toby fandripahana maro, ny papa dia nanameloka ny fandripahana, nefa tsy nilaza mazava tsara ny niharam-boina na ny meloka (Noely 1942). Nandritra ny fibodoan' ny Nazi an' i Rôma, i Pio XII dia nanao zavatra mba hialana amin' ny daroka baomba ao an-tanàna, sy mba hiarovana ny Jiosy, izany dia tsy nahasakana tanteraka ny fanaovana sesitany azy ireo, nefa nahatonga azy ho neken' ny olona sy olo-manan-kaja jiosy maro taorian' ny ady.

Taorian' ny ady dia nanohitra ny fitondrana kôminista maro izay nanohy ny famoretana ny Katôlika sy nanohana ny fanafoanana ny fanjanahantany izy, tamin' ny fananganana klerjy teny ifotony. Nandritra ny fotoana lava naha papa azy, i Pio XII dia nampihatra ny toniam-pampianarana manam-pahefana, tamin' ny fampiasana ny tsy fetezan-diso hanamafisana ny dôgman' ny Fampakarana an' i Maria any an-danitra, namoaka ensiklika roa amby efapolo ary nanambara amin' ny fomba ôfisialy olon-tsambatra telo amby telopolo. Nanamafy ny fomba fijery misy ambaratonga ao amin' ny Eglizy izay toy ny vatana mistikan' i Kristy, ka nanantitrantitra ny maha apôstôly ny laîka sy ny andraikitry ny ankohonana kristianina amin' ny fanabeazana. Nanara-maso ny fanavaozana litorjika sy ny fikarohana momba ny Soratra Masina izy, nampitsahatra ny fisian' ny pretra mpilahasa, niandany momba ny lohahevitra manahirana teo amin' ny siansa, ny fanabeazana aizana na amin' ny fivoarana ara-pôlitika, amin' ny fampiasana ny haino aman-jery môderina (radiô, fahitalavitra), ary ny fivoriana lehibe.

Taorian' ny nahafatesany, indrindra tamin' ny taona 1963, taorian' ny famoahana ny tantara an-tsehatra Der Stellvertreter (frantsay: Le Vicaire) nosoratan' i Rolf Hochhuth, dia niadian-kevitra ny momba azy (izay nitohy tamin' ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana momba ny hanaovana azy ho olon-tsambatra) teo amin' ireo izay nidera ny asa soa nataony sy ny hetsika nataony nanoherana an' i Hitler andaniny, sy ireo izay nanaratsy azy noho ny "fahanginany" (indrindra ny amin' ny Shoah, izany hoe ny fandripahana ny Jiosy tany Eorôpa tamin' ny fitondran' ny Nazi sy ny mpiara-miasa amin' izy ireo) sy ny manjavozavo teo aminy manoloana ny fitondrana farany havanana.