John Wesley
John Wesley | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | John Wesley | ||
Teraka | 17 Jiona 1703 | ||
Maty | 2 Martsa 1791 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Fanjakana Mitambatra | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
I John Wesley dia mpitondra fivavahana sy teôlôjiana ary evanjelista anglisy izay nitarika ny hetsika fifohazam-panahy tao amin' ny Fiangonan' i Angletera, fantatra amin' ny anarana hoe metôdisma. Teraka tamin' ny 17 Jona 1703 ary maty tamin' ny 2 Marsa 1791 tao London izy.
Tao amin' ny Oniversiten' i Oxford, i John Wesley dia nitarika ny "Holy Club", fikamnanana naorina mba hianarana sy hikatsahana ny fiainana kristiana feno fanoloran-tena, izay naorin' i Charles rahalahiny ary nahitana an' i George Whitefield, anisan' ny mpikambana tao. Notokanana ho pretra anglikana izy tamin' ny taona 1728, ary tsy nahitam-bokany fanompoany izay naharitra roa taona tany Savannah, any Georgia (any Etazonia), avy eo dia niverina tany London ary niditra tao amin' ny fikambanana ara-pivavahana notarihin' ny Mpirahalahy Môraviana. Tamin' ny 24 Mey 1738 dia nahazo traikefa ara-panahy izay nahatsapany fa "nafanana hafahafa" ny fony. Nandao ny Môraviana izy avy eo, ary nanomboka ny fanompoany manokana.
Toy izay nataon' i George Whitefield koa, ny fitoriana mitety tanàna, indraindray eny an-kalamanjana, no anisan' ny fanalahidin' ny fandrosoan' ny fanompoana nataony. Nandeha manerana an' i Britaina Lehibe sy tany Irlandy izy, dia nanangana vondrona kristiana feno fanoloran-tena izay namolavola fomba fampianarana sy fidirana ho mpikambana ara-pivavahana azy ireo manokana, ary nankininy tamin' ny evanjelista laîka mandehandeha ny andraikitra hitaiza ireo vondrona ireo, izany anefa tsy nampisaraka azy amin' ny Fiangonan' i Angletera fa nanantitra ny fampivoarana ny hetsika metôdista ao anatin' ny fanao anglikana. Tsy noraisin' ny pasitera anglikana tsara anefa ny fitoriana nataony ary voarara tsy hanao toriteny tao amin' ny fiangonan' ny paroasy maro izy – izany dia vao mainka nampirisika azy hitory an-kalamanjana. Izany no nahatonga ny fanenjehana ny Metôdista indraindray.
Tsy toa an' i George Whitefield i John Wesley fa nandray ny fampianarana arminiana. Nandresy lahatra ny amin' ny fahalavorariana kristiana ihany koa izy, tamin' ny filazany fa ao amin' izao fiainana izao ny Kristiana dia afaka ny ho tonga amin' ny toerana izay anjakan' ny ny fitiavan' Andriamanitra amin' ny fomba fara tampony ao am-pon' izy ireo, ka manome azy ireo fahamasinana ivelany sy anatiny. Nampirisika ny mpihaino azy i Wesley mba hanana traikefa manokana miaraka amin' i Jesoa Kristy, ilay "lalana tsara indrindra" mitondra ho amin' ny "fahalavorariana kristiana". Mijanona ho fototry ny fotopampianaran' ny Fiangonana Metôdista mandraka ankehitriny ny teôlôjian' i Wesley.
Teo ambany fitarihan' i Wesley, ny Metôdista dia lasa mpandray anjara manan-danja tamin' ny fanavaozana ara-tsôsialy tany Angletera, indrindra momba ny fampanajana ny maha olombelona ao amin' ny fonja sy ny fanafoanana ny fanandevozana. Tamin' ny fiafaran' ny fiainany izy dia nantsoina hoe "ilay olona tian' i Angletera indrindra".
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Ao amin'i Freebase: [1]