Aller au contenu

Hoalan' i Meksika

Avy amin'i Wikipedia
Hoalan' i Meksika

Ny Hoalan' i Meksika dia hoala midadasika mikambana amin' ny Ranomasimbe Atlantika, ao atsimo-atsimo-atsinanan' i Amerika Avaratra, hodidinin' i Etazonia ao avaratra, i Kiobà ao atsinanana ary i Meksika ao atsimo sy andrefana. Mirefy 1 550 000 km2 mahery izy io ary 1 721 km ny savaivony lehibe indrindra (avy any Vera Cruz, ao Meksika, ka hatrany am-bavan' i Econfina River, any Florida). Manamorona ny saikinosin' i Florida, an' i Alabama, an' i Mississippi, an' i Louisiana, an' i Texas Atsimo-Atsinanana, ny morontsiraka atsinanan' i Meksika, ny morontsiraka andrefana sy avaratra amin' ny Saikanosin' i Yucatan ary ny ampahany amin' ny morontsiraka avaratr' i Kiobà.

Ny Hoalan' i Meksika dia mirefy 1 800 km avy any atsinanana ka hatrany andrefana ary 1 300 km avy any avaratra ka hatrany atsimo. Mifandray amin' ny Ranomasimbe Atlantika amin' ny alalan' ny Andilan-dranomasin' i Florida (eo anelanelan' ny Fanjakan' i Florida sy i Kiobà) izy sy amin' ny Ranomasina Karaiba amin' ny alalan' ny andilan-dranomasin' i Yucatán (eo anelanelan' i Kiobà sy Meksika).

Ny ony lehibe mivarina any amin' ny Hoalan' i Meksika dia i Mississippi sy i Brazos (any Etazonia), ary i Rio Grande (eo anelanelan' i Etazonia sy Meksika). Ny Hoalan' i Meksika dia eo amin' ny lalana fandalovan' ny rivo-mahery sy ny rivodoza trôpikaly izay miforona ao Atlantika ary voatosika mankany amin' ny morontsirak' i Etazonia sy ny an' i Kiobà ary ny an' i Meksika.

Fitrandrahana solitany ao amn'ny Hoalan' i Mexika

Anisan' ny asa ara-toekarena atao ao amin' ny Hoalan' i Meksika ny fanjonoana (indrindra ny makamba) sy ny fitrandrahana solitany (ao amin' ny Helodranon' i Campeche (Meksika) asy any amin' ny morontsirak' i Louisiana sy Texas (Etazonia)).