Aller au contenu

Aritmetika

Avy amin'i Wikipedia
Asa marika tsotra ao amin' ny aritmetika

Ny aritmetika dia sampana fototra ao amin' ny matematika izay mandalina ny isa tsimimivaki-nanahary, isa tsimivaky voasaina ary voasaina, eny fa na ny isa voatsapa aza, ary koa ny fifandraisany sy ny toetrany, mifandray amin' ny asa marika fototra sasany: fanampiana (+), fanalana (−), fampitomboana (×), fizaràna (÷, /, na :), toraka sy faka (√ ). Ny teny hoe aritmetika dia avy amin' ny teny grika hoe αριθμός / arithmos midika hoe "isa". Amin' ny heviny malalaka kokoa dia misy ihany koa ary ny anaîsa. Ahitana hevitra hafa avy amin' ny teôrian' ny isa mampiasa ny fomba fiasan' ny jeômetria aljebrika sy ny teôrian' ny vondrona koa io teny io indraindray. Amin' ny ankapobeny, ny aritmetika dia atao hoe "siansan' ny isa".

Misahana ny kajy misy isa tsimivaky miabo sy miiba ny aritmetikan' ny isa tsimivaky. Anaovana asa marika misy ampaha amin' ny isa tsimivaky ny aritmetikan' ny isa voasaina. Momba ny kajy misy isa voatsapa, izay ahitana isa voasaina sy tsivoasaina, ny Ny aritmetikan' ny isa voatsapa.

Ny fanavahana hafa dia mifototra amin' ny rafitry ny isa ampiasaina hanaovana kajy. Ny aritmetikan' ny isa tafolo no mahazatra indrindra: mampiasa ny isa fototra manomboka amin' ny tarehimarika 0 ka hatramin' ny 9 sy ny fanakambanana azy ireo hanehoana isa. Ampiasain' ny ankamaroan' ny solosaina ary maneho isa izay fanakambanana ny tarehilarika fototra 0 sy 1 kosa ny aritmetika taroa. Misahana ny fepetra manokana amin' ny fampiharana ny aritmetikan' ny isa taroa amin' ny solosaina ny aritmetikan' ny infôrmatika. Ny rafitra aritmetika sasany dia miasa amin' ny zavatra matematika ankoatry ny isa, toy ny aritmetikan' ny heba sy ny aritmetikan' ny lasitra.

Ny asa marika ao amin' ny aritletika no fototry ny sampan' ny matematika maro, toy ny aljebra sy ny kajy tatsiefa ary ny statistika. Manana anjara asa mitovy amin' izany izy ireo ao amin' ny siansa, toy ny fizika sy ny toekarena. Hita amin' ny lafiny maro amin' ny fiainana andavanandro ny aritmetika, ohatra, ny kajy momba ny vola rehefa mivarotra na ny fitantanana ny volan' ny tena manokana. Ny aritmetika no iray amin' ny endrika voalohany indrindra amin' ny fampianarana matematika hitan' ny mpianatra. Halalinina ao amin' ny psikôlôjia sy ny filôzôfia ny fototry ny aritmetika, ara-tsaina sy ara-kevitra.

Efa an' arivony taona ary mety ho efa analina taona no nampisy ny fianarana ny kajy aritmetika. Namorona rafitra fanisana hamahana ny olana mpitranga andavanandro ny sivilizasiôna tamin' ny Andro Taloha toa ny Ejipsianina sy ny Somerianina tamin' ny taona 3000 tal JK tany ho any. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-7 sy faha-6 tal JK, ny Grika tamin' ny Andro Taloha dia nanomboka nandalina kokoa, tsy amim-piheverana zavatra azo tsapain-tanana, momba ny isa sady nampiditra ny fomba fanaovana porofo matematika mirija. Namolavola ny voan-kevitra momba ny aotra (na zerô) sy ny rafitra tafolo ny Indiana tamin' ny Andro Taloha koa, izany dia nohatsarain' ny matematika arabo bebe kokoa sy niely tany amin' ny Tontolo Tandrefana nandritra ny Andro Antenatenany. Noforonina tamin' ny taonjato faha-17 ny fampiasana voalohany ny milina hanaovana kajy. Nivoatra ny teôria môderina momba ny isa sy ny famolavolana ny fototra ara-matoankevitra (aksiômatika) momba ny aritmetika tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19. Tamin' ny taonjato faha-20, nanova ny fahamarinan-tandrify sy ny hafainganam-piasa amin' ny fanaovana kajy arithmetika ny fisandratan' ny fitaovana fikajiana elektrônika sy ny solosaina.

Karazan' isa

[hanova | hanova ny fango]
  • : ny tsimivaki-nanahary ().
  • : ny manontolo relativa ()
  • : ny isa tafolo, isa ampitomboana amin'ny
  • : ny isa voasaina rehetra azo soratana. Ny isan' ny tafolo dia mety tsiefa, fa tsy maintsy miverimberina. Ohatra: .
  • : ny isa voatsapa, ao amin' io sokajy io daholo ny isa izay tsy miditra ao amin' ny sokajy hafa notononina teo aloha. Ao ohatra ny isa toy pi (π = 3,14159...), na ny isa volamena.
  • : ny isa haro, dia isa voatsapa ampiarahtna amin' ny isa sainina. Ny isa voatsapa dia soratana toy ny isa tsotra, fa ny isa sainina kosa soratana amin' ny litera na amin'ny elektirônika sy fizika.

Ny isa haro izany dia mitondra ny endrika  ; ao amin' io endrika io,

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.