Aller au contenu

Anton Denikin

Avy amin'i Wikipedia
Anton Ivanovich Denikin

I Anton Ivanovich Denikin dia jeneraly rosiana, lehiben' ny etamazôro tao amin' ny Tafika Imperialy Rosiana nandritra ny Ady Lehibe I ary kômandin' ny Tafiky ny Mpilatsaka an-Tsitrapo nandritra ny Ady an-trano rosiana. Amin' ny teny rosiana izy dia atao hoe Антон Иванович Деникин. Teraka tamin' ny 4 Desambra 1872 (16 Desambra amin' ny kalandrie gregôriana) tao Włocławek (governemantan' i Varsôvia, avy eo tao amin' ny Empira Rosiana) izy ary maty tamin' ny 8 Aogositra 1947 tao Ann Arbor (any Etazonia). Nalaza tamin' ny fanaovana pôgrôma ny miaramilany tamin' ny Fampihorohoroana Fotsy (Белый Террор / Belyy Terror).