SATA MIFEHY NY FIKAMBANANA
« FIVOHI »
Fikambanana Vonona Hijoro eo anivon’ny
Fiaraha-monina
TOKO I – MOMBAMOMBA NY FIKAMBANANA
Andininy 1 : Aoriana eto Madagasikara – Fokontany Ankorondrano Andrefana Kaomina
III, Fivondronana Antananarivo/RV
Faritany ANTANANARIVO
Ny Fikambanana antsoina hoe : FIVOHI
Ity Fikambanana ity dia fehezin’ny hitsivolana laharana
Faha-60 133 tamin’ny 03 Oktobra 1960
Andininy 2 :Ny Foibe dia ao amin’ny Lot IVO 213 Faritany Antananarivo Kaomina Tana
III, Fivondronana ……………………. Faritany Antananarivo
Andininy 3 : Ny zava-kendren’ny Fikambanana dia :
3.1. Manamafy ny fifandraisan’ny mpitondra sy ny mponina
3.2. Mamerina ny hasin’ny Tanana sy ny mponina eo aminy
3.3. Mitaiza sy mikolokolo ny ankizy sy ny tanora (mamerina an-tsekoly ny ankizy, mijery
ny zon’ny ankizy sy ny tanora eo amin’ny lafin’ny Fanabeazana)
3.4. Mampivelatra sy mampiofana ireo sokajin’olona liana amin’izany (mamorona asa,
mampanao fiofanana arak’asa)
3.5. Manamafy ny lanjan’ny Fiaraha-monina
3.6. Mikojakoja na manangana ireo fananana iombonana misy eo an-tanana
3.7. Jerena manokana ny lafin’ny sosialy (ireo Zokiolona izay tena manana ny lanjany
eo amin’ny Fiaraha-monina, ireo tsy manan-kialofana sy sahirana ara-pivelomana)
Andininy 4 : Ny Fikambanana dia tsy miankina amin’ny antoko politika, tsy manavaka ara-
pinoana na ara-pirazanana na ara-pihaviana
Andininy 5 : Ny mpikambana dia manaiky hiditra an-tsitrapo ary hanaraka sy hanaja ny
fepetra voalaza amin’ity sata sy ny fitsipika anaty.
Andininy 6 : Tsy voafetra ny faharetan’ny Fikambanana
TOKO II - FANDAMINANA
Andininy 7 : Ny Fikambanana dia tantanan’ny Birao izay fidian’ny Fivoriam-be amin’ny
alàlan’ny latsa-bato miafina na am-pahibemaso na tsangan-tanàna. Ny Birao
dia Komity mpitantana ny Fikambanana ary Mpanatanteraka izay rehetra
tapaky ny Fivoriam-be ihany koa.
Andininy 8 : Misy Mpikambana 10 ny Birao, izay hisy filoha, filoha lefitra, mpitam-bola,
mpitam-bola lefitra, mpitan-tsoratra, mpitan-tsoratra lefitra, mpanolo-tsaina
ary mpanara-maso.
Milaza ny heviny ny Birao ary manao soso-kevitra ihany koa izy mikasika io
fanovana io ary
manolotra izany eo amin’ny Fivoriambe izay tompon’ny fanapahan-kevitra
farany.
Andininy 33 : Mamolavola Fitsipika anaty ny Birao mba hamaritana sy hanamafisana
bebe kokoa izay fepetra rehetra tsy voafaritra tsara ao anatin’ny sata.
Atolotra ny Fivoriambe izany hankatoavin’ny tompon’andraikitra amin’izay
mety ho fanovana ny
Fitsipika anaty Birao, araka izay mety ho fangatahan’ny mpikambana.
Ny Mpikambana izay manao izany fangatahana fanovana izany dia tsy
maintsy manao izany an-
tsoratra sy manazava tsara ny antony mba hodinihin’ny Birao.
TOKO VII – FAHARAVAN’NY FIKAMBANANA
Andininy 34 : Ny Fivoriambe izay antsoina manokana no manapaka ny fandravana. Tsy
maintsy lanin’ny 2/3n’ny Mpikambana vao azo ekena ny fandravana.
Andininy 35 :Raha misy faharavan’ny Fikambanana, ny vola sisa sy ny fananana rehetra
dia atolotra sy arotsaka manontolo ho an’ny ASA FANAOVAN-TSOA.
TOKO VIII – VOKIM-PITANTANANA
Andininy 36 : Antontan-taratasy rehetra miraikitra ny fitantanana ny vola sy ny fananan’ny
Fikambanana dia tsy maintsy atao mazava tsara sy voakajy tsara mba
hahafahan’ny manam-pahefana hanara-maso raha toa ka misy ilàna izany.
TOKO IX - FAMPIHARANA
Andininy 37 : Ampiharina avy hatrany ny andininy rehetra voaraikitra amin’ity sata ity
hifehy ny fiainan’ny Fikambanana.
FIKAMBANANA FIVOHI
Natao teto Antananarivo, Androany faha-28 Aprily 2019
Ny Filoha Ny Mpitan-tsoratra
LISITRY NY MPIKAMBANA (BIRAO)
N° ANARANA ADIRESY ANDRAIKITRA SONIA
IVO 214 Ankorondrano
01 RASOANIRINA Lydia Filoha
Ouest
RASOARINDRANO IVO 213 Ankorondrano
02 Filoha Lefitra
Landiarimalala Velonjanahary Ouest
Antanandrano
03 ANDRIAMALALA Julie Mpitantsoratra
Ankadikely
IVO 138 Ankorondrano
04 RAHOLIARISON Jocelyne Mpitam-bola
Ouest
IVO 45 Bis U Mpanara-maso
05 RANDRIANIARISON Tsiriniaina
Ankorondrano Est vola
Antanandrano
06 RAZARILALAO Patricia Mpanolo-tsaina
Ankadikely
Lot II H 133 Ter
07 RAVAOARINORO Nambinina Mpanolo-tsaina
Soavimasoandro
FANOMEZANTSOA Zenah IVO 215 Ankorondrano
08 Mpanolo-tsaina
Sanchette Ouest
RANDRIANATOANDRO IVO 213 Ankorondrano
09 Mpanolo-tsaina
Anjaratiana Bruel Ouest
10 RAKOTOZAFY Jean Baptiste IVO 215 Ankorondrano Mpanolo-tsaina
FITANANA AN-TSORATRA MOMBA NY FANANGANANA NY
FIKAMBANANA
Anio faha-28 Aprily 2019 tamin’ny 02ora tolakandro no nivory tao Lot IVO 213 Ankorondrano
Ouest ny Mpikambana. Ny lahadinika tamin’izany di any fananganana ny Fikambanana “FIVOHI”
Fikambanana Vonona Hijoro eo anivon’ny fiaraha-monina.
Nisy ny latsa-bato miafina natao mba hifidianana ny birao mpitantana.
Manoloana izany dial any ho Birao ireto olona ireto :
1- Filoha : RASOANIRINA Lydia
2- Filoha Lefitra : RASOARINDRANO Landiarimalala Velonjanahary
3- Mpitan-tsoratra : ANDRIAMALALA Julie
4- Mpitam-bola : RAHOLIARISOA Jocelyne
5- Mpanara-maso vola : RANDRIANARISOA Tsiriniaina
6- Mpanolo-tsaina :
- RAZARILALAO Patricia
- RAVAOARINORO Nambinina
- FANOMEZANTSOA Zenah Sanchette
- RANDRIANATOANDRO Anjaratiana Bruel
- RAKOTOZAFY Jean Baptiste
Rehefa izany dia manao fanambarana ampahibemaso ny Filoha izay nitarika ny fivoriana fa
tafatsangana teto ANKORONDRANO-ANDREFANA Firaisana fahatelo, Antananarivo Renivohitra,
Faritra Analamanga ny Fikambanana FIVOHI.
Ny Mpitan-tsoratra Ny Filoha