Aller au contenu

Vy

Avy amin'i Wikipedia
Petra-by ao amina ozinina sideriorjika

Ny vy dia singa simika, manana eva Fe (fanafohezana ny teny latina hoe Ferrum) ary manana isa atômika 26. Io no zavatra ferômanetika tena fantatra sy tena hita matetika indrindra amin' ny fiainana andavanandro. Ny vy tsotra dia metaly malemy (mbola malemy noho ny viraty), fa raha asiana loto kely fotsiny izy (roa na telo isan-jaton' ny lanja totaliny), dia lasa mafimafy kokoa: raha afangaro amin' ny metaly hafa izy na amin' ny karbônina, dia lasa mbola mafy be noho ny vy madio.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza matahotra ny tanan-kiempaka ka manolotra ny vozon-kavesa-by.
  • Hianao no angady nananana, vy nahitana, ka sarotra atao rainazy.
  • Manao vy very ny ainy.
  • Ny vy tsy mba mikotrana irery.
  • Tantanam-by sy tsofa vy: havana mpanajary havana.
  • Vinanto tsy manam-bary maina: tsy vinanto fa vy nahantona.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]