Aller au contenu

Vondrom-poko

Avy amin'i Wikipedia
Olona avy amin' ny foko isan-karazany

Ny foko na vondrom-poko dia vondron' olona mihevitra ny tenany ho iray razana, iray tantara sy fedrà, iray kolontsaina, iray fiteny na fitenim-paritra, iray fomba fiainana. Mety ho ny sasany amin' ireo singa famaritana ireo ihany na izy rehetra no amaritana ny foko na ny vondrom-poko. Ny maha anisan' ny foko iray ny olona iray dia mifamatotra amin' ny fananana lovan-kolontsaina iraisana, ka iray anisan' izany ny lovantsofina na ny fomba amam-panao nolovaina, ny anjara asa sahanina eo amin' ny fiarahamonina, ny faritra niaviana, ny foto-pisainana, ny fivavahana, ny fomba fahandroana sakafo, ny fitafiana, ny mozika, ny dihy, sns. Tsy misy noho izany ny famaritana tokana eken' ny rehetra momba ny atao hoe foko na vondrom-poko na dia ampiasaina betsaka aza ireo teny ireo.

Ny vondrom-poko lehibe indrindra amin' izao fotoana izao dia mety ahitana olona an-jatony tapitrisa (ohatra, ny Hàna (Sinoa), ny Arabo, ny Rosiana, ny Bengaly, ny Latinô-Amerikana, sns.) ary mety miparitaka any amin' ny firenena maro (zanaka am-pielezana na diaspôra) fa ny kely indrindra dia mety hahitana olona an-jatony vitsivitsy na am-polony, ​​ary maro ny firenena onenana foko samihafa. Ny vondrom-poko lehibe dia matetika mamorona zana-bondrona (atao ara-tantara hoe "fokom-pirenena"), izay mety hisaraka amin' ilay foko lehibe ka lasa foko mahaleo tena, nefa izany dingana izany dia ara-kolontsaina fa tsy voajanahary (araka ny filazan' ny sôsiôbiôlôjia). Ny foko avy amin' io vondrona voalohany io dia manohy mampiasa ny fiteny mpihavana ary mivondrona ho vondrom-poko ara-piteny (Banto, Latina, Jermanika, Slava, Iranika, Torkika, Aostrôneziana, sns.). Misy ihany koa ny dingana mifanohitra amin' izany, izay ahafahan' ny foko roa na maromaro mizara ny kolontsainy (fifanambadian' ny tsy mitovy foko, fampifngaroana singa ara-kolontsaina, tsy fisisn' ny fiavahana ara-poko intsony, sns.) na manolotra sy mandray singa ara-kolontsaina (fandraisana ny kolonsaina vahiny, fandraisana ny kolontsain' ny tompon-tany, sns.).

Mbola iadian-kevitra noho ny fepetra famaritana izay miovaova arakaraka ny mpanoratra sy ny lalàna ary ny firenena, ny atao hoe "foko" izay tsy voafaritra mazava, fa na izany aza dia ampiasaina betsaka io teny io (fanasokajiana ôfisialy ny olona manana zo samihafa, antony manosika ny fitakiana, sns.).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]