Aller au contenu

Vintsy

Avy amin'i Wikipedia
Vintsy

Ny vintsy dia karazana voron-kely ao amin' ny fianakaviana Alcedinidae izay hita eto Madagasikarasy ao Mayotte ary ao Kômôro. Matetika izy dia hita eny amoron-drano. Ny fonenany voajanahary dia ala honko any amin'ny faritra manana toetanin-janape-hintany na ambaninin-janapehintany. Ny anarany ara-tsiansa dia Corythornis vintsioides.

Ny vintsy dia nofaritan' ny mpandinika zavaboary frantsay Joseph Eydoux sy Paul Gervais tamin' ny fomba mazava tamin' ny taona 1836 ary nomena anarana hoe Alcedo vintsioides. Mifandray akaiky amin' ilay vorona hafa arao hoe Corythornis cristatus izy io, izay miely patrana any atsy Afrika. Iray amin' ny voron-kely mpanjono roa misy eto Madagasikara izy io. Ny iray hafa dia ilay atao hoe marotaina (Corythornis madagascariensis).

Roa ny zana-karazan' ny vintsy:

Mirefy 13 sm ny halavan' ny vintsy ary milanja 16,5 hatramin' ny 22 g. Ny tapany ambony dia manga antitra, ny tapany ambany manja volomboasary ary misy toa satroka manga sy maitso. Mainty ny vavany. Mitovy endrika ny lahy sy ny vavy. Ny volo manga amin' ny karazana C. v. i johannae dia hatsatra sy somary manopy maitso kokoa noho ny an' ny C. v. vintsioides.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]