Aller au contenu

Tarehin-tsoratra arabo

Avy amin'i Wikipedia

Ny tarehin-tsoratra arabo dia lamim-panoratana tsy ahitana afa-tsy renisoratra, natao hanoratana ny fiteny arabo sy fiteny hafa koa, ka soratana avy ankavana miankavia. Ny abidy arabo no tena fantatra mampiasa ny tarehin-tsoratra arabo nefa maro koa ny fiteny mampiasa ny tarehin-tsoratra arabo.

Tsy misy zanatsoratra hanoratana ny zanapeo izy fa mari-tsoratra sahalahala amin' ny teboka na faingo apetraka eo ambony na ambany na aloha na aorian' ny renisoratra hisolo ny zanatsoratra.

Nanomboka tamin' ny fielezan' ny finoana silamo dia maro ny fiteny ankoatry ny fiteny arabo izay soratana tamin' ireo tarehin-tsoratra arabo ireo. Izy ireo no anoratana ny fiteny indô-eorôpeana toy ny fiteny persana, ny fiteny kasmiry, ny fiteny sindy, ny fiteny ordo ary ny fiteny kiorda. Ampiasaina ao Sina koa ireo tarehin-tsoratra ireo, indrindra ao amin' ny faritanin' i Xinjiang sy Gansu ary Ningxia, ary amin' ny mponina vitsy anisa izay nandray ny fivavahana silamo (ireo no atao hoe "Xiao'erjing"). Taloha dia nenti-nanoratra ny fiteny sasany ao Afrika ny tarehin-tsoratra arabo, dia ny fiteny soahily, ny fiteny haosa, ny fiteny oôlôfo ary ny fiteny sômaly) ary koa nanoratana ny fiteny tiorka hatramin' ny taona 1928. Avy amin' ny tarehin-tsoratra arabo ihany koa ny sorabe izay rafi-panoratana ny teny malagasy voalohany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]