Aller au contenu

Tafoforana

Avy amin'i Wikipedia
Tafoforana fampiasa an-trano

Ny tafoforana dia fitaovana namboarina mba hanomezana rivotra mahery, indrinda hitsofana afo. Ny karazana tsotra indrindra dia misy kitapo malefaka vita amin' ny hazo fisaka henjana roa miaraka amin' ny tahony mifandray amin' ny lafiny misy hoditra azo aforitra izay misy atiny azo abontsina sy fisahina amin' ny alalan' ny fanetsehana ny tahony, ary misy valva na sopapa amin' ny lafiny iray izay mamela ny rivotra hiditra hameno ny atiny rehefa mibontsina izy, ary misy fantsona iray fivoahan' ny rivotra voatsindry. Maro ny fampiasana ny tafoforana, indrindra fa ny fitsofana afo mba hanomezana azy rivotra.