Nosy Miparitaka
Ny Nosy Miparitaka na Nosy Malagasy, izay atao amIn' ny teny frantsay hoe Îles Éparses, dia nosy maromaro ao amin' ny faritra andrefana amin' ny Ranomasimbe Indianina, manodidina an' i Madagasikara. Mizara dimy ireo nosy ireo, dia ny Nosy Europa (na Nosy Ampela), i Bassas da India (na Nosy Bedimaky) ary i Juan de Nova (na Nosy Kely) ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika andaniny; ny Nosy Glorieuses (na Nosy Sambatra) sy ny Nosy Tromelin kosa ankilany, izay samy any avaratra sy atsinanan' i Madagasikara[1].
Nanomboka tamin' ny taona 2007 dia anisan' ny distrika dimy ao amin' ny Terres australes et antarctiques françaises (TAAF)[2] (miaraka amin' ny Nosy Saint-Paul sy ny Nosy Amsterdam, ny Vondro-nosy Crozet, ny Nosy Kerguelen, ary i Terre Adélie), ny Nosy Miparitaka[3]. Tsy misy mponina sivily monina maharitra ireo nosy ireo[3], nefa misy miaramila frantsay mifandimby mipetraka any isaky ny 45 andro, afa-tsy ny ao Tromelin, izay misy mpiasan' ny TAAF.
Takian' i Kômôro sy i Madagasikara ary i Maorisy amin' ny ampahany ny Nosy Miparitaka. Efa taty aorian' ny nahazoany ny fahaleovantenany ny fitakian' ny Malagasy sy ny Maorisiana.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Toerana misy ny Nosy Miparitaka
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika, eo anelanelan' i Môzambika sy Madagasikara, avy any avaratra ka hatrany atsimo: ny Nosy Juan de Nova sy ny Bassas da India ary ny Nosy Europa. Any amin' ny Ranomasimbe Indiana sy andrefan’ i Cap d'Ambre na Tanjona Bobaomby (Madagasikara) ny Vondro-nosy Glorieuses. Any amin’ ny Ranomasimbe Indiana sy atsinanan’ i Madagasikara ny Nosy Tromelin. Voahodidin' ny Vondrona Aldabra (an' i Seisely) any avaratra sy ny Vondro-nosy Kômôro any andrefana ny Nosy Glorieuses. Voahodidin' i La Réunion sy i Maorisy any atsimo-atsimo-atsinanana, ny vondro-nosy Saint-Brandon any atsinanana ary ny vondro-nosy Agaléga any avaratra-atsinanana ny Nosy Tromelin.
Vohon' ny tany
[hanova | hanova ny fango]Ny Nosy Miparitaka ao amin' ny Ranomasimbe Indiana dia noforona avy amin' ny haran-dranomasina avokoa, araka ny asehon' ny môrfôlôjia, amin' ny endrika atoll i Bassas da India, ny vondro-nosy Glorious, ny nosy Juan de Nova ary ny nosy Europa, na amin' ny endrika atoll avo ho an' ny Tromelin. Mitotaly 44 km2 ny velaran-tanin' ireo nosy ireo ary ny toerana avo indrindra dia tsy mihoatra ny metatra vitsivitsy ambonin' ny ranomasina. Ny lehibe indrindra amin' ireo nosy ireo dia i Europa izay manana velarana 32,9 km2 ary ny kely indrindra dia i Tromelin izay mananavelarana 1 km2. I Bassas da India dia saika difotry ny rano amin' ny fiakaran' ny ranomasina.
Toetany
[hanova | hanova ny fango]Any amin' ny laharam-pehintany eo anelanelan' ny 22° atsimo (nosy Europa) sy 11° atsimo (nosy Lys ao amin' ny vondro-nosy Glorious) ny Nosy Miparitaka ao amin' ny Ranomasimbe Indiana ka iharan' ny toetany trôpikaly ary eo amin' ny lalan' ny rivodoza trôpikaly avy any avaratra-atsinanana. Ny tsy fisian' ny fikitoantoanan' ny vohon' ny tany anefa dia mametra ny rotsak' orana amin' ireo nosy ireo raha oharina amin' ny nosy be tendrombohitra izay manakana ny rahona.
Karazam-javamaniry
[hanova | hanova ny fango]Ny tamba-javamaniry trôpikaly any amin' ny Nosy Miparitaka dia tsy mitovy isaky ny nosy tsirairay: tsy misy zavamaniry tanteraka ao Bassas da India, somary maitso sy milenodenoka fatratra any amin' ny nosy Europa sy any amin' ny vondro-nosy Glorieuses, misy ala famata (Euphorbia) sy ala honko; tsy misy afa-tsy hazo voanio sy hazo filao na fiofio (Casuarina equisetifolia) ao amin' ny nosy Juan de Nova izy io, ary lasa ahitra sy kirihitra (hazo madinika) izany tamba-javamaniry izany ao amin' ny nosy Tromelin. Ireo tamba-javamaniry ireo, izay somary mahantra ao amin' ny nosy any amin' ny tany manodidjna ny zana-pehitany, dia vokatry ny toetry ny nofon-tany be vatosokay, izay tsy afaka mitahiry tsara ny ranon' orana.
Karazam-biby
[hanova | hanova ny fango]Manan-karena karazam-biby ny Nosy Miparitaka. Ny biby an-dranomasina dia ahitana indrindra ny bibin-karan-dranomasina, izay mandrafitra ny sakana manodidina ny nosy tsirairay, ary ao koa ny soka-dranomasina (Chelonioidea), izay tonga tsindraindray manatody ao amin' ny nosy Europa sy ny nosy Tromelin.
Ny karazam-borona dia ahitana indrindra ny andiam-boron-dranomasina toy ny vorona Fregata (Fregatidae) sy ny Sulidae ao amin' ny nosy Europa, ny Sterna ao amin' ny nosy Europa sy ao amin' ny vondro-nosy Glorieuses, izay andiam-borona lehibe indrindra amin' ny Onychoprion fuscatus ao amin' ny Ranomasimbe Indiana ary iray amin' ny lehibe indrindra eran-tany ao amin' ny nosy Juan de Nova ary ny sama mena (Phoenicopterus roseus) any amin' ny nosy Europa.
Farany, ny osy nampidirina dia mipetraka ao amin' ny nosy Europa, izay feno moka amin' ny filentehan' ny masoandro. Tontosa soa aman-tsara ny famongorana tanteraka ny biby mpikiky (voalavo, sns) tamin' ny taona 2003 tao amin' ny nosy Lys sy tamin' ny taona 2005 tao amin' ny nosy Tromelin.
Fiandrianana
[hanova | hanova ny fango]Fiandrianam-pirenena frantsay
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny taona 1896 dia nanambara ny fanjakana mpanjana-tany frantsay fa lasa zanatany frantsay "i Madagasikara sy ny nosy miankina aminy". Lasa fizaràn-tany tantanin' ny Prôtektôratan' i Madagasikara ny Nosy Miparitaka. Na izany aza, tamin' ny ankatoky ny fahaleovantenan' i Madagasikara (26 Jona 1960) dia namoaka didy ny fanjakana frantsay izay nanaisotra ny haran-driaka Tromelin, ny vondronosy Glorieuses ary ny nosikely Juan de Nova, i Europa ary i Bassas da India avy amin' ny tanin' ny Repoblika mizakatenan' i Madagasikara" (izay noforonina tamin' ny 14 Ôktôbra 1958) mba hametrahana azy ireo eo ambany fahefan' ny minisitra miandraikitra an' i Frantsa any ampitan-dranomasina.
Tamin' ny fotoana nahazoan' i Madagasikara fahaleovantena tamin' ny taona 1960 dia tena nanan-danja ny tombotsoa ara-jeôpôlitika ao amin' ny Nosy Miparitaka any amin' ny Ranomasimbe Indiana, satria eo amin' ny lalana an-dranomasina manan-danja mampitohy an' i Azia sy ny Atsinanana Afovoany amin' i Eorôpa sy i Amerika ireo nosy ireo, izay manana faritra ara-toekarena manokana (frantsay: zone économique exclusive -- ZEE) ary mety ho toerana fanaovana andrana nokleary. Ao anatin' izany toe-javatra izany no nanamafisan' ny jeneraly de Gaulle indray ny maha zava-dehibe ny tsy tokony hisian' ny fitakian' i Madagasikara ny fiandrianany amin' ireo nosy ireo:
"Mampitandrina ny Quai d'Orsay aho amin' izay mety ho fananan' i Madagasikara fahefana amin' ny nosy sy nosy kely frantsay mifanila aminy. Tsy mitombina veively izany ary mety hiteraka vokadratsy. Mety ho tena manan-danja azo tsapain-tanana amintsika ireo nosy sy ny nosy kely ireo, indrindra momba ny fanandramana atômika. Noho izany dia tsy ankasitrahako ny hampidirana an' i Madagasikara na amin' inona na amin' inona mitranga ao amin' ireo nosy ireo, indrindra ny momba ny toetrandro.[4][5][6]"
Fanoherana ny fiandrianam-pirenena frantsay
[hanova | hanova ny fango]Manohitra ny fananan' i Frantsa fiandrianana amin' ireo nosy ireo i Maorisy sy i Madagasikara ary i Kômôro. Mitaky an' i Tromelin i Maorisy ary milaza fa io nosy io, izay hitan' i Frantsa tamin' ny taona 1722, dia tsy nomena an' i Frantsa tamn' ny Fifanarahana tany Paris tamin' ny taona 1814. Mitaky ny fiandrianam-pirenena amin' ny Vondro-nosy Glorieuses na Nosy Sambatra (anisan' izany i Banc du Geyser) kosa i Madagasikara, na dia tsy anisan' ny Prôtektôrata frantsain' i Madagasikara mihitsy aza ireo nosy ireo, izay anisan' ny Zanatanin' i Mayotte sy ny nosy miankina aminy, avy eo dia anisan' ny Kômôro Frantsay izay lasa zanatany nisaraka tamin' i Madagasikara tamin' ny taona 1946. Mitaky ny Vondro-nosy Glorieuses (anisan' izany i Banc du Geyser), amin' ny maha ampahany ao amin' ny Faritr' i Mayotte azy (izay iadiana hevitra) i Kômôro. Ankoatra izany dia efa nitaky an' i Bassas da India (na Nosy Bedimaky) sy an' i Europa (na Nosy Ampela) ary an' i Juan de Nova (na Nosy Kely) koa i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 1972, ary nitaky ny hamindrana ireo nosy ireo ho an' i Madagasikara ny fehin-kevitry ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 1979 (izay tsy misy fahefana manery). Nitaky ny sasany amin' ny Nosy Miparitaka ihany koa i Seisely talohan' ny fanaovan-tsonia ny Fifanarahana momba ny sisintany an-dranomasina nataon' i Frantsa sy i Seisely (France–Seychelles Maritime Boundary Agreement).
Fitakian' i Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Tsy mampametra-panontaniana momba ny fanakambanana ireo nosy ireo amin' i Frantsa i Madagasikara talohan' ny taona 1973, nandritra ny fifampiraharahana momba ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao nataon' ny filoha malagasy Didier Ratsiraka, izay notohanan' ny Firaisana Sôvietika tao anatin' ny Ady Mangatsiaka, dia nanohitra ny fanapahan-kevitry ny Frantsay tamin' ny taona 1960 izy tamin' ny filazany fa nanitsakitsaka ny tsy maha azo anombinana ny tanin' ny firenena voazanaka izay nahazo fahaleovantena izany fanapahan-kevitra izany.
Nolavin' i Frantsa ny famerenana an' ireo nosy ireo amin' i Madagasikara, amin' ny fiheverana fa izao fisarahana izao dia nankatoavin' ny gouvernementa malagasy sy ny filoha Philibert Tsiranana. Ankoatra izay dia noheverin' ny Frantsay ho tsy mbola nisy Malagasy nonina mihitsy tao amin' ireo nosy ireo.
Manoloana ny fandavan' ny Frantsay dia nanapa-kevitra ny hampiakatra ny raharaha any amin' ny Firenena Mikambana i Madagasikara. Nandefa telegrama tany amin' ny sekretera jeneralin' ny Firenena Mikambana, Kurt Waldheim, ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, tamin' ny taona 1976, mba hanamafisana ny fiandrianan' i Madagasikara amin' ny Nosy Miparitaka, ary tamin' ny taona 1979 dia nanoro hevitra ny hamerenan' i Frantsa amin' i Madagasikara ireo nosy ireo, na farafaharatsiny hanomboka fifampiraharahana momba ny famerenana azy ireo indray, ny fehin-kevitry ny Firaisambe Afrikana sy ny an' ny Vondron-tany tsy momba ny atsy na ny aroa ary ny an' ny Filankevi-pitantanan' ny Firenena Mikambana. Nandritra izany fotoana izany dia nandefa fanoherana i Madagasikara tamin' ny 21 Marsa 1978, rehefa niforona ny faritra ara-toekarena manokana tamin' ny volana Febroary ary nanao toy izany koa tamin' ny fananganana faritra ara-toekarena manokana izay mirefy 200 maily tamin' ny taona 1985.
Avy eo, nandritra ny folo taona mahery kely, dia nitsahatra ny fitakiana ireo nosy ireo, mandra-pahatongan' ny taona 1999, raha nanapo tolo-kevitra ny fivoriana an-tampony nataon' ny Vaomieran' ny Ranomasimbe Indianina ny amin' ny fiaraha-mitantana ny Nosy Tromelin sy ny Nosy Miparitaka eo amin' i Frantsa sy i Madagasikara ary i Maorisy, izay niteraka ny fanaovan-tsonia fifanarahana teo amin' i Maorisy sy i Frantsa tamin' ny taona 2010[7]. Amin' ny lafiny iray dia mbola miaro ny tsy fahafaha-manasaraka aminy ny Nosy Miparitaka i Madagasikara, araka ny lahatenin' ny filoha Marc Ravalomanana tao amin' ny fivorian' ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 2006 sy 2007 ary 2008, izay nanampy amin' ny tsy fiovana eo amin' ny hoavin' ireo nosy ireo.
Tamin' ny volana Mey 2019 dia naneho ny fahavononany hanao dinika hisian' ny vahaolana iraisana ny filohan' ny Repoblika Frantsay, Emmanuel Macron, tamin' ny alalan' ny fananganana vaomiera iaraha-miasa amin' i Madagasikara, nefa tsy nisy fiantsoana fitsarana iraisam-pirenena izany[8]. Tamin' ny 18 Nôvambra 2019 dia nisy delegasiôna roa nivory tao Antananarivo mba hanombohana ny dinika fanomanana, ao anatin' ny vaomiera iraisana izay natomboky ny filoham-pirenena frantsay sy malagasy, natomboka tamin' ny volana Mey 2019. Tombanana ho tamin' ny volana Jona 2020, datin' ny faha-60 taonan' ny fahaleovantenan' i Madagasikara, ny fifanarahana vokatr' izany dingana izany[9]. Tamin' ny Janoary 2020 anefa dia nitsipaka izay mety ho fitakiana fiandrianam-pirenena ataon' i Frantsa amin' i Tromelin sy amin' ny faritra ara-toekarena manokana ao amin' io nosy io ny Repoblikan' i Maorisy ary nanambara ny fiandrianam-pireneny manontolo amin' i Tromelin sy amin' ny fari-dranomasina ao aminy. Nilaza ny mpitonda frantsay fa tsy misy lanjany araka ny lalàna ny filazan' i Maorisy, satria tsy niraharaha ny maha fizaràn-tany frantsay an' i Tromelin izay nampiharan' i Frantsa ny fiandrianany manontolo tsy nisy fahatapahana[10].
Tamin' ny 21 Mey 2020 dia nisy solombavambahoaka malagasy enimpolo eo ho eo izay niantso ny fanelanelanan' ny Vondrona Afrikana sy ny Southern African Development Community (SADC) amin' ny fifampidinihana eo amin' i Frantsa sy i Madagasikara momba ny Nosy Miparitaka[11]. Tamin' ny 26 Jona 2020 dia nanao sonia fanambaràna manohana ny fanakambanana ny Nosy Miparitaka amin' i Madagasikara ny firenena mpikambana ao amin' ny SADC (Afrika Atsimo, Angôla, Bôtsoana, Kômôro, Lesôtô, Malaoy, Maorisy, Môzambika, Namibia, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Seisely, Esoatiny, Tanzania, Zambia ary Zimbaboe), niaraka amin' ny fampahatsiahivana ny fehin-kevitry ny minisitra tao amin' ny Firaisambe Afrikana sy ny an' ny fivoriamben' ny Firenena Mikambana[12].
Tamin' ny volana Marsa 2021, nandritra ny filankevitry ny SADC, dia namerina nanohana ny fitakian' i Madagasikara ny Nosy Miparitaka ny firenena mpikambana teo anatrehan' ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Djacoba Tehindrazanarivelo[13].
Nihemotra ny fifampidinihana teo amin' i Frantsa sy i Madagasikara izay saika hatao tamin' ny taona 2020 noho ny valan' aretina Covid-19. Tokony hanomboka indray izany tamin' ny Nôvambra 2022 saingy nahemotra noho ny fanesorana ny minisitry ny Raharaham-bahiny izay nanambara ny tsy fankasitrahany ny fanakambanan' i Rosia ny ampahany amin' i Okraina[14].
Tamin' ny nahenoana ny fizakan' i Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay dia maro ny Malagasy izay tsy nanantena intsony ny fahavitrihan' ity filoham-pirenena ity hitaky ny Nosy Malagasy ho an' i Madagasikara.
Disadisa momba ny fizaràn-tany
[hanova | hanova ny fango]Maro ny fitakiana momba ny Nosy Miparitaka[15]. I Tromelin, izay hitan' ny Frantsay tamin' ny taona 1722, dia takian' i Maorisy nanomboka tamin' ny taona 1976, satria mihevitra izy fa ity nosy ity dia tokony teo ambany fahefan' ny Britanika taorian' ny fifanarahana tany Paris tamin' ny taona 1814.
Ao anatin' ny fitakiana an' i Mayotte, i Kômôro dia mitaky ny fiandrianany amin' ny vondro-nosy Nosy Glorieuses (anisan' izany ny Banc du Geyser), izay nitambatra tamin' i Mayotte talohan' ny nitantana an' i Kômôro tao amin' ny Zanatanin' i Madagasikara sy ny Tany miankina aminy. Nanomboka tamin' ny taona 1972 dia nitaky ny nosy Europa sy Bassas da India ary Juan de Nova i Madagasikara, takiany koa ny Banc du Geyser.
Mikasika ny nosy telo ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika (i Europa sy i Bassas da India ary i Juan de Nova), ny fitakian' ny Malagasy nentina teo anatrehan' ny Firenena Mikambana tamin' ny volana Desambra 1979 no nahatonga ny fehinkevitra 34/91 izay "manasa ny governemanta frantsay mba hanomboka tsy misy hataka andro ny fifampiraharahana amin' ny governemanta malagasy amin' ny hamerenana ireo nosy voalaza etsy ambony ireo izay nosarahana amin' ny fomba boraingona tamin' i Madagasikara".
Talohan' ny nahazoan' i Madagasikara ny fahaleovantena tokoa tamin' ny taona 1960, dia nosarahan' ny fanjakana frantsay tamin' i Madagasikara ireo nosy ireo. Io fanapahan-kevitry ny Fivoriamben' ny Firenena Mikambana io ihany dia manaiky fa io fanasarahana io dia fanaovana tsinintsinoa ny foto-pitsipika momba ny fanajana ny tsy maha azo anombinana ny tanim-pirenena sy ny fiandrianan' ny Fanjakana Malagasy.
Tamin' ny taona nanaraka, noho ny tsy fanatanterahana ny fehin-kevitry ny taona 1979, io fivoriambe io ihany dia nangataka ny fitondram-panjakana frantsay mba hanomboka haingana ny fifampiraharahana amin' ny fitondram-panjakana malagasy mba hitadiavana vahaolana mifanaraka amin' ny tanjona sy ny foto-kevitry ny Satan' ny Firenena Mikambana.
Vao mainka nihamafy ny fifandirana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21 noho ny fiheverana ny fisian' ny tahirin-tsolitany lehibe (tombanana ho 10 taona mahery no hampiasan' ny Frantsay izany) ao amin' ny nosy Juan de Nova, ary ny fangatahana fanitarana ny fahazoan-dalana hikaroka nataon' ny orinasa South Atlantic Petroleum (Nizerià) sy ny Marex Petroleum (Etazonia) dia nijanona ela niandry ny sonia avy amin' ny governemanta frantsay. Tamin' ny fandidiana navoakan' ny fitsarana misahana ny fitantanan-draharaha ao Saint-Denis ao La Réunion, izay nampisahanin' ny ireo orinasa roa ireo ny raharaha, no nahatonga ny Fanjakana Frantsay hanao sonia ireo fanitarana ireo tamin' ny volana Ôktôbra 2015.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Nosy Juan de Nova (na Nosy Kely)
- Bassas da India (na Nosy Bedimaky)
- Nosy Europa (na Nosy Ampela)
- Nosy Glorieuses (na Nosy Sambatra)
- Nosy Tromelin
- Fizakan' i Andry Rajoelina zom-pirenena frantsay
- Fitakian' i Madagasikara ny famerenana ny Nosy Malagasy
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Site officiel des Terres australes et antarctiques françaises - Introduction Archived Aprily 7, 2012 at the Wayback Machine" (Notsidihina tamin' ny 10/02/2010, rohy maty) (Arsiva)
- ↑ "Les îles Eparses, terres d'avenir", rapport disponible [archive] sur le site du Sénat.
- ↑ 3,0 et 3,1 "Le nouveau statut des îles Tromelin, Glorieuses, Juan de Nova, Europa et Bassas da India à la lumière de la loi ordinaire du 21 février 2007, « portant dispositions statutaire et institutionnelles relatives à l'outre-mer » Archived Desambra 22, 2017 at the Wayback Machine", rjoi.fr, 2008 (consulté le 21 décembre 2017, rohy maty). (Arsiva)
- ↑ Lahatsoratra nadika amin' ny teny malagasy: « Je mets en garde le Quai d'Orsay pour n’importe quelle emprise de Madagascar sur les îles et îlots français avoisinants. Cela ne se justifie d’aucune manière et risque d’entraîner des inconvénients. Les îles et îlots peuvent revêtir pour nous une importance réelle, notamment en ce qui concerne nos expériences atomiques. Je n’approuve donc pas qu’on introduise Madagascar en quoi que ce soit qui se passe dans ces îles, notamment en ce qui concerne la météo,. »
- ↑ Teny nataon' i Charles de Gaulle amin' i Jacques Foccart tamin' ny 3 Jolay 1961 nampahatsiahivin' i Pierre Caminade, Comores-Mayotte : une histoire néocoloniale, Marseille, Éditions Agone, 2003, p. 26.
- ↑ Laurence Caramel, "Les îles Eparses : des confettis administrés par la France en contentieux avec Madagascar", Le Monde, 2 août 2019 ([archive]).
- ↑ République française. "Projet de loi no 299 présenté au Sénat en session ordinaire de 2011-2012" [archive], senat.fr, le 25 janvier 2012.
- ↑ « La restitution par la France des îles Éparses à Madagascar, "un enjeu d'identité nationale" », France 24, 1er juin 2019 (Arsiva) (consulté le 24 juillet 2020).
- ↑ Isabelle Labeyrie, "Îles Éparses : reprise des discussions entre Madagascar et la France", franceinfo.fr, 19 novembre 2019 (Arsiva).
- ↑ « L'île Maurice prête à contester la souveraineté française sur Tromelin », zinfos974, 3 janvier 2020 (consulté le 1er février 2020) (Arsiva).
- ↑ "Îles Éparses : des députés malgaches demandent une médiation avec la France", rfi, 21 mai 2020 (consulté le 21 mai 2020) (Arsiva).
- ↑ « Madagascar : la SDAC soutient la demande de restitution des îles Éparses », la 1ère France TV, 29 juin 2020 (consulté le 30 juin 2020) (Arsiva).
- ↑ « Iles éparses : Enième soutien de la SADC », Madagascar Tribune, 15 mars 2021.
- ↑ "Madagascar : la reprise des négociations sur les îles Eparses n’aura pas lieu", Le Monde (Arsiva)
- ↑ "French Southern and Antarctic Lands", The World Facbook [Arsiva] an' i CIA.