Aller au contenu

Lovia

Avy amin'i Wikipedia
Lovia

Ny lovia na vilia dia kojakoja an-dakozia fisapisaka izay afaka asiana sy izarana ny sakafo hohanina. Ny ankamaroan' ny lovia dia boribory, nefa mety hanana endrika hafa koa, vita amin' ny akora mahatanty rano. Mety vita amin' ny vera, seramika, hazo na zavamaniry hafa, plastika, taratasy, metaly sns. Ny lovia koa dia azo ampiasaina amin' ny lanonana na amin' ny fanaingoana.

Vilia sinoa

Ao amin' ny kolontsaina tandrefana sy ny kolontsaina maro hafa, ny lovia dia endrika mahazatra amin' ny fitaovam-pisakafoanana natao hihinanana sakafo tsy tena mitsiranoka loatra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]