Aller au contenu

Kroazada

Avy amin'i Wikipedia
Fanaovana fahirano an' i Jerosalema

Ny kroazada na kroazady dia fanafihana mitam-piadiana nataon’ ny Kristiana avy any Andrefana nanomboka tamin’ ny taona 1095, mba hamonjena ny Kristiana any Atsinanana, hanafahana ny Tany Masina, izay matetika tanterahina araka ny fangatahan’ ny papa, mba nandroahana ny Miozolmana izay nanjakazaka tao amin’ ireo toerana masina tao amin’ ny faritra misy an’ i Palestina sy Israely ankehitriny, ary indrindra mba handroahana azy ireo hiala ny tanànan’ i Jerosalema izay misy ny fasan’ i Jesoa. Miisa valo ny kroazada ka ny farany indrindra dia vita tamin’ ny taona 1270. Anisan’ ny tanjon’ ny kroazada koa ny famonjena ireo fanjakana latina any Atsinanana[1].

Fiforonan-teny

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe kroazada na kroazady dia fanagasiana ny teny frantsay hoe croisade. Tamin' ny tenatenan' ny taonjato faha-13 no nisehoany tamin' ny teny latinan' ny Andro Antenatenany, nefa nahalankalana ny fampiasana izany. Miresaka matetika ny amin' ny iter hierosolymitanum ("dia mankany Jerosalema") na peregrinatio ("fivahiniana masina") ny lahatsoratra latina tamin' ny Andro Antenatenany. Taty aoriana dia nampiasaina ny teny hoe auxilium terre sancte ("fanampiana ny Tany Masina") sy ny maro hafa.

Ny fiteny frantsay dia nandika io teny latina io amin' ny hoe croiserie tamin' ny kroazada fahefatra (1204), fa ny fiteny espaniôla dia efa nampiasa ny hoe cruzada tamin' ny taona 1212. Ireo teny ireo dia anarana azo avy amin' ny mpamari-toetra hoe crucesignatus ("voamarika vokovoko") na avy amin' ny matoanteny hoe crucesignare ("mandray ny mariky ny vokovoko") izay nampiasaina matetika tamin' ny taonjato faha-12. Mbola tsy nampiasaina io teny nogasina hoe kroazada io tamin' ny fotoan' ny kroazada voalohany.

Ny niandohan' ny kroazada

[hanova | hanova ny fango]

Niandoha lavitra tamin' ny fampianaran' ny Fiangonanana tamin' ny taonjato faha-9 izay nanamasina ny ady amin' ny tsy mpino mba hiarovana ny Kristiana tratran' ny tsindry hazo lena ny kroazada. Tamin' ny voalohany dia vahoaka tsy manam-piadiana afa-tsy ny finoany no nanatanteraka ny kroazada ka faharipahana no vokatr' izany.

Fiitaran' ny tany nanjakan' ny Tiorka

[hanova | hanova ny fango]

Ny kroazada dia niandoha tamin’ ny fitroarana ara-pôlitika nitranga taorian’ ny fiitaran’ ny tany nanjakan’ ny Tiorka seljokida tany Atsinanana Akaiky, tamin’ ny tenatenan’ ny taonjato faha-11. Ny fahazoan' ny Seljokida mozilmana (izay lasa tompon’ i Jerosalema tamin’ ny taona 1078) an’ i Siria sy an’ i Palestina dia nanaitra ny Kristiana tany Andrefana. Niaraka tamin’ izay koa dia nisy mpanani-bohitra tiorka hafa izay niditra tany anivon’ ny tanin’ ny Empira Bizantina ka nampanompo Kristiana grika sy siriana ary armeniana maro. Ny fivahiniana masina any amin’ ny Tany Masina dia lasa nampidi-doza kokoa vokatry ny ady maro nifanaovan’ ny Tiorka sy ny Bizantina.

Fikatsahan’ ny papa hanitatra fanjakana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ ny fiandohan’ ny kroazada dia nisy koa ny nofinofim-pahombiazan’ ireo papa izay nikatsaka ny hanitatra ny fahefany ara-pivavahana sy ara-pôlitika. Zary fitaovam-piadiana ara-pôlitikan’ ny papa ny tafika tao amin’ ny kroazada. Ny Kristiana, izay nilanja vokovoko (hazo fijaliana) dia tsy nitaky valiny fa nionona amin’ ny fanomezana an’ Andriamanitra ny fanompoany, na dia nisy aza ny loza mety mitranga sy ny fijaliana: aretina, dia lavitra, fahafatesana amin’ ny ady. Ankoatry ny tsy fahazoan’ ny mpandray anjara tombon-tsoa firy dia nandany vola nihoa-pampana ny fanatanterahana kroazada.

Fitomboan' ny mponina sy fandrosoan' ny varotra

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpahay tantara sasany dia manazava ny antony nahatonga olona maro nandray anjara tamin’ ny kroazada ho vokatry ny fitombon’ ny isan’ ny mponina be loatra sy ny fandrosoan’ ny raharaham-barotra tany Eorôpa teo anelanelan’ ny taonjato faha-12 sy faha-14. Amin' ny ampahany iray amin’ ny vahoaka, ny kroazada dia natao hikatsahana toerana hanitarana ny fahefana sy hanatanterahana ny nofinofin' izay te halaza sy te hanan-karena ary te hisedra zava-tsarotra tsy ampoizina. Ny kroazada koa dia nahafahan’ ny mpivarotra ao amin’ ireo tanàna manodidina an’ i Mediteranea nampiroborobo ny raharaham-barony, indrindra ny tao Genova (frantsay: Gênes) sy tao Pisa (frantsay: Pise) ary tao Venezia (frantsay: Venise). Nanome aim-baovao ny fiarahamonina kristiana tamin’ ny Andro Antenatenany Izany dia lavitra izany. Satria te hamerina indray ny toerana masina izay azon’ ny Mozilmana tamin’ ny taonjato faha-8, ny Kristiana katôlika tao Eorôpa, dia nanantena ny hamely sy hahafaty tateraka ny fivavahana silamo izay efa niady tamin’ ny Rekônkista Espaniôla.

Ny kroazada nifanesy

[hanova | hanova ny fango]

Ny kroazada voalohany

[hanova | hanova ny fango]

Fiomanan-tsaina amin' ny kroazada voalohany

[hanova | hanova ny fango]
"I Md Orbano II mitory ny kroazada" (1455-1460)

Nanomboka tamin’ ny 27 Nôvambra 1095 ny kroazada, tamin’ ny toriteny nataon’ ny papa Orbano II teo anatrehan’ ny mpivory nandritra ny kôsily tao Clermont (Clermont-Ferrand ankehitriny), izay nanainga ny mpandray anjara hamonjy ny Kristiana any Atsinanana sy hanafaka ny tanàna sy toerana masina any. Maro noho izany ireo nanatevin-daharana ny mpiantafika, rehefa avy nosalorana ankanjo misy vokovoko (latina: crux). Nanome indolzansa feno izay nandray anjara tamin’ ny dia nankany Jerosalema ny papa sady nanapa-kevitra ny hiandry ny volana Aogositra 1096 vao izay hamela ny fandehanana isan’ andiany. Nifidy ny lalan-kombany hatrany Kônstantinôpla ny vondrona tsirairay izay nianto-tena sy nanana ny mpitarika azy. Tao Kônstantinôpla no niaingan’ ny fanafihana maro namelezana ny Seljokida tao Anatôlia sy namelezana ny emperora bizantina, alohan’ ny hahafahana mankany Jerosalema.

Ny tafika misalotra vokovoko

[hanova | hanova ny fango]

Notanterahina mandritra ny tapany sisa tamin’ ny taona 1095 sy tamin’ ny volana vitsivitsy voalohany tamin’ ny taona 1096 ny fampidirana mpandray anjara amin' ny ny kroazada voalohany, ary voangona tamin’ ny fiafaran’ ny taona 1096 ny tafika. Ankoatry ny kroazadan' ny mpanan-karena dia nisy ny kroazadam-bahoaka izay notarihin’ ilay mpitoriteny atao hoe Pierre l'Ermite, avy any Amiens sy i Gautier Sans-Avoir izay niainga voalohany, namakivaky an’ i Eorôpa Afovoany. Maro ny herisetra nataon’ izy ireo nandritra ny fandalovany, indrindra ny nataon’ izy ireo tamin’ ny Jiosy tao Jermania. Noho izy ireo tsy ampy fitaovana anefa dia matin’ ny Tiorka avokoa tao Nikômedia (atao hoe Izmit ankehitriny) tamin’ ny volana Ôktôbra 1096.

Ny nahazoana an' i Anatôlia

[hanova | hanova ny fango]
Ireo mpitarika ny kroazada: i Godefroy de Bouillon, i Bohémond de Tarente, i Raymond IV de Toulouse ary i Tancrède de Hauteville.

Lalana isan-karazany no nomban’ ny tafika efatry ny saranga ambony izay tonga tany Kônstantinôpla teo anelanelan’ ny volana Nôvambra 1096 sy Mey 1097. I Godefroy de Bouillon, i Bohémond I, ny kômten' i Toulouse atao hoe Raymond de Saint-Gilles sy ny solontenan’ ny papa atao hoe Adhémar de Monteil no mpitarika azy ireo.

Nanararaotra izany kroazada izany ny emperora bizantina Alexios I Komnenos ka nandroso hevitra, ho takalon’ ny fanampiany, ny amin’ ny hanaovana sonia ny fifanarahana hamerenana amin’ ny Empira Bizantina ireo tany bizantina rehetra azon’ ny mpanao kroazada indray. Tamin’ ny volana Mey 1097 dia nisy mpisalotra vokovoko miisa 30 000 any ho any nanafika an’ i Nikea (na Nisea), renivohitr’ i Anatôlia tiorka, ka nampilavo lefona an' ity tanàna ity tamin’ ny volana Jona 1097. Nanaja ny fifanarahana natao ny mpanao kroazada ka nanome ny tany azony voalohany ho an’ ny Bizantina. Fotoana fohy taorian’ ny nahazoana an’ i Nikea dia nifandona tamin’ ny tafika seljokida tao Dorylée na Dorylaion (atao hoe Eskişehir ankehitriny) ny Kristiana. Tamin’ ny voalohan’ ny volana Jolay 1097 dia resin’ izy ireo ny Tiorka, ka tsy dia nisy firy ny fanoherana tany Azia Minora.

Ny dingana manaraka dia ny tanànan’ i Antiôkia na Antiôka (Antakia ankehitriny) tao Siria avaratra. Tamin’ ny 21 Ôktôbra 1097 dia nanao fahirano an' io tanàna io, izay tsy azo raha tsy tamin’ ny 3 Jona 1098, ny mpisalotra vokovoko. Raha vao avy nahazo an’ i Antiôkia anefa izy ireo dia novelezin’ ny tafika tiorka izay tonga nanampy ireo voafahirano. Niandry ny famonjen’ ny Bizantina ny mpisalotra vokovoko, indrindra fa i Bohémond I, nefa tsy tonga izany. Izy ireo samirery no nanosika ny Tiorka tamin’ ny 28 Jona 1097. Tapa-kevitra ny hiorim-ponenana ao Antiôkia fa tsy nanolotra ny tanàna tamin’ i Alexios I Komnenos i Bohémond I.

Ny nahazoana an' i Jerosalema

[hanova | hanova ny fango]

Taorian’ ny nonenana fotoana visy tao Antiôkia dia niainga indray ny mpisalotra vokovoko mba hamarana ny diany, tamin’ ny faran’ ny volana Nôvambra 1098. Tamin’ ny volana Mey 1099 dia tonga teo amin’ ny sisin-tany avaratr’ i Palestina izy ireo, ka tamin’ ny takarivan’ ny 7 Jona izy ireo dia nanorin-day rehefa nahatsinjo ny rindrin’ i Jerosalema.

Niomana amin’ ny fahirano ny Egiptiana izay nifehy ny tanànana. Namely ny tanàna ny mpisalotra vokovoko tamin’ ny 15 Jolay 1099. Nanampy azy ireo ny miaramila avy any Genova (na Gênes) sy ny fitoavana lehibe fanaovam-pahirano vaovao, ka nandringana saika ny mponina mozilmana rehetra tao. Roa taona taty aorian’ ny diabe fanafihana vao tratra ny tanjon’ ny kroazada: afaka ny Tanàna Masina sady voadio tamin’ ny alalan’ ny ran’ ny tsy mino izay resy.

Niorim-ponenana ny tafika ka herinandro taorian’ izay dia nifidy an’ i Godefroy de Bouillon ho andriamanjakan’ ny fanjakana latina vaovaon' i Jerosalema. Tsy nanainky ny hiantsoana azy amin’ ny anaram-boninahitra hoe "mpanjaka" noho ny fanetren-tena i Godefroy. Teo ambany fitarihany ny tafika izay namely farany ka nampandositra ny tafika egiptiana tao Ascalon (Ashqelon ankehitriny) tamin' ny 12 Aogositra 1099. Fotoana fohy taty aoriana dia nody any Eorôpa ny ankabeazan’ ny mpisalotra vokovoko ka namela an’ i Godefroy sy ny ampahan’ ny tafika mba hanangana fitondram-panjakana sady hifehy ny tany azon’ izy ireo.

Ny tampon' ny tanjaky ny Latina tany Atsinanana

[hanova | hanova ny fango]

Taorian’ ny kroazada voalohany dia fanjakana latina efatra no natsangana tany Atsinanana (any Ampiposahana). Ny natanjaka indrindra dia ny Fanjakana latinan' i Jerosalema izay notarihin’ i Baudouin taorian’ ny nahafatesan’ i Godefroy de Bouillon rahalahiny tamin’ ny taona 1100. Tao avaratr’ ity fanjakana ity no nahitana ny Kômte kelin' i Tripoli teo amin’ ny faritra amorontsiraka siriana. Ao ambadik’ i Tripoli no nahitana ny Prensipaotean' i Antiôkia, izay naorina tao amin’ ny lohasahan’ i Oronte sy ny manodidina azy. Tany atsinanana indrindra no nahitana ny Kômten' i Edesse, izay nahitana indrindra kristiana armeniana.

Mba hiarovana ireo fanjakana latina ireo dia nasiana moanina miaramila nalamina ho tafika maharitra: anisan’ izany ny Hospitaliers tamin’ ny taona 1113 sy ny Templiers tamin’ ny taona 1118. Maro koa ny manda fiarovana naorina. Nanararaotra izany fifandraisana vaovao tamin’ ny Atsinanana izany ny mpivarotra manodidina an’ i Mediteranea ka nampitombo ny raharaham-barotra izay niroborobo fatratra.

Ny kroazada faharoa

[hanova | hanova ny fango]

Nahomby ny kroazada voalohany, indrindra vokatry ny fitokana-monin’ ireo tafika mozilmana. Nisy ny fampikambanana indray ny Mozilmana tao Atsinanana Akaiky taty aoriana, ka i Imad al-Din Zanki, andriamanjaka tao Mossoul sy Halab, no nitarika izany. Tamin’ ny fanapahany dia nahazo fandresena voalohany ny tafika mozilmana ka naka ny tanànan’ i Edesse tamin’ ny taona 1144.

Rehefa naheno izany ny papa Eogenio III dia nanambara ny hanaovana kroazada fanindroany amin’ ny faran’ ny taona 1145. I Bernard de Clairvaux no nampiandraiketiny ny toriteny ho amin’ ny ady amin’ ny tsy mpino, tamin’ ny fivoriana natao tao Vézelay tamin’ ny fotoan’ ny Paska tamin’ ny taona 1146. Izany fanentanana izany dia nahomby ka nahataona olona maro, ka anisan’ izany i Louis VII mpanjakan’ i Frantsa sy i Conrad III (Konrad III) emperoran’ ny Empira Masina Jermanika. Ny tafik’ i Conrad dia niainga avy tao Nuremberg any Bavière tamin’ ny volana Mey 1147 ho any Jerosalema. Ny tafiky ny Fanjakan' i Frantsa dia nanaraka azy ireo iray volana taty aoriana.

Tao akaikin’ i Dorylée any Anatôlia, ny tafiky ny emperora dia tafalatsaka tamin’ ny otrika nataon’ ny Tiorka, ka nahatonga ny ankamaroan’ ny miaramila misalotra vokovoko sy ny mpanao fivahiniana masina hiverin-dalana. Ny tafika frantsay kosa dia nanohy ny diany nefa ny ampahany tamin’ ny tafika tany am-piaingnana ihany no tonga tany Jerosalema tamin’ ny taona 1148. Niaraka nanao fahirano an’ i Damasy (na Damaskôsy) tamin’ ny volana Jolay izy ireo sy i Baudoin III mpanjakan’ i Jerosalema miaraka amin’ ny miaramila mpitaingin-tsoavaliny. Tsy nahomby anefa izany fahirano izany. Fotoana fohy taty aoriana dia nody niaraka tamin’ ny andian-tafiny ny mpanjakan’ i Frantsa.

Ny kroazada fahatelo  

[hanova | hanova ny fango]

Ny tsy fahombiazan’ ny kroazada faharoa dia nahafahan’ ny Mozilmana nivondrona amin-kalalahana. Maty tamin’ ny taona 1146 i Zanki nefa i Nur al-Din mpandimby azy dia nanamafy ny fahefan’ ny fanjakany. Tamin’ ny taona 1169 dia ny tafiny, izay teo ambany fibaikoan’ i Saladin vizirin’ ny Kalifata Fatimidan’ ny tananan’ i Kahira, no nifehy an’ i Ejipta. Rehefa maty i Nur al-Din dimy taona taty aoriana, dia nandimby azy i Saladin tamin’ ny fitarihana ny fanjakana mozilmana izay niitatra hatrany amin’ ny taniefitr' i Libia ka hatrany amin’ ny lohasahan' ny ony Tigra (Tigrisy), ka nanodidina ny sisa tamin’ ireo fanjakana latina.  

Tamin’ ny volana Mey 1187 dia nitarika tafika lehibe i Saladin ka niditra tao amin’ ny Fanjakan’ i Jerosalema. Tamin’ ny 4 Jolay 1187 dia resiny tao Hattin any Galilea (na Galilia) ny tafika latina. Nitolo-batana ny mpanjaka Gui de Jérusalem niaraka tamin’ ny miaramila mpitaingin-tsoavaly sasany ka tsy novonoina, nefa ny Templiers rehetra sy ny Hospitaliers de Saint-Jean-de-Jérusalem dia notapahin-doha teo akaikin’ ny toerana niadiana. Taorian’ io fandresena io dia nalain’ i Saladin ny ankamaroan’ ny tanàna voaaro manda an’ ny mpisalotra vokovoko, ka anisan’ izany i Jerosalema, izay nitolo-batana tamin’ ny 2 Ôktôbra 1187. Ny mpisalotra vokovoko dia tsy nanana tanàna manan-danja ara-tafika afa-tsy ny tanànan’ i Tiro (atao hoe Sour ankehitriny).

Noho ny fahatsapan’ ny papa Gregôrio VIII ny tombon-tsoa mety ho very, na ara-tafika na ara-pivavahana, vokatry ny fihemoran’ ny Kristiana any Atsinanana, dia nanambara ny hanaovana kroazada fahatelo tamin’ ny 29 Ôktôbra 1187, ka nampirongatra ny hafanam-pon’ ny vahoaka. Mpanjaka telo lehibe tao Eorôpa no nandray anjara tamin’ izany: i Frederic I Barberousse emperoran’ ny Empira Masina, i Philippe II Auguste mpanjakan’ i Frantsa, ary i Richard I Cœur de Lion mpanjakan’ i Angletera. Maro koa ireo mpanjaka madinika miankina izay niara-dia tamin’ ireo mpanjaka telo ireo ka nahaforona tafika lehibe misalotra vokovoko izay tsy mbola fahita hatramin’ ny taona 1095 nanombohan’ ny kroazada. Tsy dia lehibe anefa ny tombontsoa azo tamin’ ity kroazada fahatelo ity. Maty tany Anatôlia i Frederic izay tonga voalohany tany Azia Minora, ka nahatonga ankabeazan’ ny tafiny hiverin-dalana. I Philippe Auguste sy i Richard Cœur de Lion kosa tonga tany Palestina ka afaka naka tanàna maromaro amin’ ny faritra amoron-dranomasina teo am-pelantanan’ i Saladin tamin’ ny taona 1191, anisan’ izay i Saint-Jean d'Acre.

Niala tsy nandray anjara tamin’ ny kroazada intsony i Philippe ka i Richard no navelany hiandraikitra ny fakana ny tany tamin’ ny Miozolmana. Azon’ i Philippe i Jaffa sy i Ascalon, nefa tsy niady intsony haka an’ i Jerosalema izy tamin’ ny volana Janoary 1192. Nanao fifanarahana tamin’ i Saladin izy ka isan’ ny nifanarahana ny tsy hisian’ ny ady mandritra ny telo taona sy ny hahafahan’ ny Kristiana manao fivahiniana maina ao amin’ ny Tanàna Masina. Tamin’ ny volana Oktobra 1192, tamin’ ny nandaozan’ i Richard an’ i Palestina, dia tafaverina indray ny fanjakana latina, nefa kely kokoa noho ny fanjakana voalohany izany sady naharitra taonjato iray.    

Ny kroazada fahefatra

[hanova | hanova ny fango]

Ny kroazada manaraka dia tsy nahita fahombiazana hanatratra ny fahombizan’ ny tafika teo aloha. Ny kroazada fahefatra (1202-1204), izay namporisihin’ ny papa Inôkento III nanomboka tamin’ ny taona 1198, dia voamariky ny tsy fifanarahana teo amin’ ny papa sy ny mpisalotra vokovoko. Mba hahatongavana any Ejipta izay lasa ivon’ ny herin’ ny fivavahana silamo dia nanao fifanarahana ny Kristiana ny amin’ ny hitaterana ny tafika miaraka amin’ i Venezia (Venise), nefa tsy nahazoana alalana amin’ ny papa izany, ka nanodina ny tanjon’ ny kroazada amin’ ny tombontsoany. Ny lehiben’ ny kroazada dia nifanaraka amin’ ny Venitiana sy i Alexis Ange (izay nikendry ny haka ny seza fiandrianana bizantina) ny amin’ ny paikady hanafihana an’ i Kônstantinôpla. Ny mpitaingin-tsoavaly (chevaliers) mitafy vokovoko dia nahazo an’ i Kônstantinôpla tamin’ ny 17 Jolay 1203 sady nanolotra an’ i Isaac Ange rain’ i Alexis ny maha emperora azy. Noho ny revôlisiôna nahafahan’ i Alexis Doukas haka ny fahefana, dia nanapa-kevitra ny mpisalora vokovoko ny hanafika haka an’ i Kônstantinôpla izay norobainy tamin’ ny 12 sy 13 Avrily 1204. Na dia tsy nandray anjara tamin’ ny fiarovana ny Tany Masina aza izy ireo dia izy ireo no nanorina ny Empira Latina any Atsinanana izay rava tamin’ ny taona 1261 tamin’ ny fiakaran’ ny emprora bizantina Michel VIII Paléologue.

Ny kroazada fahadimy

[hanova | hanova ny fango]

Ny papa Inôkento III tamin’ ny taona 1215 (Kônsily faha-4 tao Latràna), ny kroazada faha-5 (1217-1221) dia nialohavan’ ny Kroazadan' ny Ankizy (1212). Ny papa Hônôrio III dia nampiasa ny paikadin’ ireo teo alohany ka nikendry indray an’ i Ejipta.

Ny fanafihana voalohany tamin’ ity kroazada faha-5 ity dia natao tamin’ ny seranan-tsambon’ i Damiette tamin’ ny taona 1219. Ny tanjona manaraka dia ny fakana ny tanànan’ i Kahira sy ny fanafihana mitohy mba hiantohana ny fifehezana an’ i Sinay (na Sinaia). Tamin’ ny farany, ny fanafihana an’ i Kahira dia nilaozana, noho ny tsy fisian’ ny mpanatevin-daharana nampanantenain’ ny emperoran’ ny Empira Masina, i Frédéric II. Tamin’ ny volana Aogositra 1221 dia voahodidina ny mpisalotra vokovoko ka namela an’ i Damiette tamin’ ny Ejipsiana ho takalon’ ny fahafahan’ izy ireo. Rava ka niparitaka izy ireo tamin’ ny volana Septambra 1221.

Ny kroazada fahenina

[hanova | hanova ny fango]

Ny kroazada faha-6 dia notarihin’ ny emperora Frederic II izay, haramin’ ny taona 1215, nivoady ny hitarika ny fanafihan’ ny kroazada. Nohavaoziny teo anatrehan’ ny papa izany fampanantenany izany tamin’ ny taona 1220 nefa, noho ny antony ara-pôlitika anatiny dia nihemotra ny fiaingany. Tsy nisy vokany ny fandrahonana hanongana avy amin’ ny fiangonana nataon’ ny papa Gregôrio IX (Gregoara IX). Tezitra noho izany fahatarana izany ny papa ka nanatanteraka ny fanonganany ny emperora tamin’ ny taona 1227. Niainga an-tsambo nankany amin’ ny Tany Masina tamin’ ny volana Jona 1228 ka nanatona ny ampahany be amin’ ny tafika nalefany tany Saint-Jean d’Acre. Nanao izay hahazoany an’ i Jerosalema izy tamin’ ny nanaovany fifampiraharahana tamin’ ny soltàna ejipsiana Al-Kamil. Izany fifampiraharahana izany dia niteraka fifanaraham-pandriampahalemana izay nosoniavina tao Jaffa tamin’ ny taona 1229, izay nahatonga ny Ejipsiana namerina an’ i Betlehema sy i Nazareta sy i Silon ary i Jerosalema tamin’ ny Kristiana sady namela malalaka ny lalana mankany amin’ ireo tanàna masina. Izany fifanarahana izany, izay nohajaina nandritra ny folo taona, dia tsy nankasitrahan’ ny Fiangonana kristiana manontolo izay tsy mampitovy ny kroazada amin’ ny fifampiraharahana ara-diplômasia.

Ny kroazadan' ny mpanan-karena

[hanova | hanova ny fango]

Ny fahombiazana ara-diplômasia azon’ i Frédéric II dia nohamafisin’ ny kroazada nampanaovin’ i Gregôrio IX nanomboka tamin’ ny taona 1237. Izany kroazadan' ny mpanan-karena izany (frantsay: Croisade des barons) dia nahafahana namerina amin’ ny Kristiana ny ampahany be amin’ ny Fanjakan' i Jerosalema (1239-1241) tamin’ ny alalan’ ny fifampiraharahana.

Ny kroazada fahafito

[hanova | hanova ny fango]

I Louis IX (izay atao hoe Saint Louis), mpanjakan’ i Frantsa, dia nanomana kroazada hakana indray an’ i Jerosalema izay nalain’ ny Mozilmana tamin’ ny taona 1244. Nanomana paika nandritra ny efatra taona i Saint Louis hanatanterahana ny nofinofiny. Tamin’ ny fiafaran’ ny volana Aogositra 1248 dia niondrana an-tsambo niaraka tamin’ ny tafiny izy tao Aigues-Mortes hankany amin’ ny nosy Kipra (Sipra) izay nandaniany ny ririnina tamin’ ny fanohizana ny fanomanana. Nampiasa ny paikady tamin’ ny kroazada faha-5 i Saint Louis sy ny miaramilany, ka niondrana an-tsambo tao Ejipta tamin’ ny 5 Jona 1249 ka naka an’ i Damiette ny ampitson’ io. Teo am-pandehanana mankany Kahira izy ireo no niady tamin’ ny Mameloka tamin’ ny 8 Febroary 1250, nefa voan’ ny pesta izy ireo ka niverin-dalana nanao tari-dositra ary voasambotra tamin’ ny farany tamin’ ny 6 Avrily 1250. Nandoa onitra tamin’ ireo mpandresy sady namerina an’ i Damiette tamin’ ny Mozilmana i Saint Louis, avy eo nandeha any Palestina, izay nandaniany afa-taona nananganany manda fiarovana sy nanamafisany ny fiarovana ny Fanjakana Latina. Tamin’ ny lohataonan’ ny 1254, taorian’ ny fifanarahana hampiato ny ady tamin’ ireo andriana mozilmana, dia nody tany Frantsa niaraka tamin’ ny tafika izy.

Ny kroazada fahavalo

[hanova | hanova ny fango]

Nanomana ny kroazada farany i Saint Louis tamin’ ny taona 1270. Nanentana ny olona ao amin’ ny saranga ambony izy nefa tsy narisika ireo. Ny fanafihana an’ i Tonizia dia natao mba hampiovana finoana ny emiran’ i Tunis. Nijanona tampoka izany tamin’ ny nahafatean’ i Saint Louis teo ambany mandan’ i Tunis tamin’ ny 25 Aogositra 1270.

Kroazada fahasivy

[hanova | hanova ny fango]

Nandritra ny fotoana fohy taorian’ izany dia niharan’ ny fanerena tsy nitsaha-mitombo tamin’ ny tafika ejipsiana i Siria sy i Palestina.

Taorian' ny kroazada

[hanova | hanova ny fango]

Nifanarakaraka ny faharesen’ ny tanàna ao amin’ ireo fanjakàna naorin’ ny tafiky ny kroazada noho ny nafitsoky ny tafiky ny Mameloka. Ny tanàna mimandan’ i Saint-Jean d’Acre dia azon’ ny Mozilmana tamin’ ny 18 Mey 1291 ary ireo voanjo kroaze toy ny moanina Templiers sy ny moanina Hospitaliers izay nitsoa-ponenana tany Kiprôsy (na Sipra). Tamin’ ny taona 1306 ireo moana Hospitaliers dia niorim-ponenana tao amin’ ny nosy Rhodes ao amin’ ny Ranomasina Mediteranea, ka nitoetra tao hatramin’ izay ka hatramin’ ny taona 1522 izay nampitolo-batana azy ireo tamin’ ny Tiorka. Tamin’ ny taona 1570 dia azon’ ny Tiorka koa i Kiprôsy (na Kipra) izay teo ambany fiandrianan’ i Venitia (Venise). Ny fanjakana latina hafa tao Grisia (Gresy), izay niorina tamin’ ny kroazada fahefatra, dia afaka nanohy ny fisiany hatramin’ ny tenatenan’ ny taonjato faha-15 naharavany.

Ny vokatry ny kroazada

[hanova | hanova ny fango]

Fiantraikany teo amin' ny tafika

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny lafiny ara-tafika dia faharesena no vokatra faran' ny kroazada. Tamin' ny filana ady amin' ny Mozilmana, izay nandefitra hatramin’ izay ny fisian’ ny Kristiana, dia nampifoha fankasitrahana ny atao hoe ady masina ny kroazada, ady izay nohararaotin’ ny andriamanjaka ôtômàna, namoha koa ny toetsaina mamaly faty naseho tamin’ ny alalan’ ny fakana an’ i Kônstantinôpla tamin’ ny taona 1453 izany, sy ny fifehezana an’ i Eorôpa Afovoany hatramin’ ny taonjato faha-17 niafaran’ izany.

Fiantraikany teo amin' ny finoana

[hanova | hanova ny fango]

Na dia izany aza dia nampitombo ny fifikirana amin' ny finoana izany fanafihana masina zany ho an' ny Kristiana sady nanamafy ny fahatsapany ny maha iray azy ireo. Amin’ ny fitondran’ ny papa dia fitaovana nahafaha-nanitatra ny fahefany sy nampandrosoany ny fakana hetra ny kroazada. Ny ezaka nataon’ ny papa sy ny mpanjaka maro haka vola amin’ ny vahoaka mba hamatsiana ny kroazada dia niteraka fampandrosoana ny fakana hetra mivantana amin’ ny olon-drehetra ka nanova tanteraka ny fandaminana ny hetra teo amin’ ireo fitondram-panjakana eorôpeana maro.

Fiantraikany teo amin' ny raharaham-barotra

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny lafiny ara-toekarena dia nahafahana nampitombo ny raharaham-barotra manodidina ny Ranomasina Mediteranea ho amin’ ny tombontsoan’ ny tanàn-dehibe italiana ny fanohanana ny fanjakana latina any Atsinanana. Rehefa niroborobo ny raharaham-barotra sy ny fifanakalozana dia namorona ny fomba fiasana vaovao ny banky.

Fiantraikany teo amin' ny fiainana ara-pôlitika

[hanova | hanova ny fango]

Nisy fiantraikany amin’ ny fiainana ara-pôlitikan’ ny Tontolo Andrefana koa ny kroazada: nihamafy ny fahefan’ ny fanjakan’ ireo mpanjaka tamin’ ny fandefasana ny olona ao amin’ ny saranga ambony hiady any Atsinanana, ary noho ny fitombon’ ny filana ara-bola nateraky ny fandehanana miady dia niteraka fivarotana ny tanin’ ireo olona ireo na ny fanomezana taratasy mamaritra ny satan’ ny tanàna maro ka nitarika ny hetsi-pahaleovan-tenan’ ny raharaham-barotra.

Fiantraikany teo amin' ny zavakanto

[hanova | hanova ny fango]

Any Eorôpa no tena nahatsapana ny fiantraikan’ ny kroazada: ny maritrano tamin’ ny nampiasana ny fahaiza-manao bizantina, ny literatiora tamin’ ny fandrosoan’ ny fanorantana tantara amin’ ny fiteny andavanandro ampiasain’ ny vahoaka.  

Fiantraikan' ny kroazada tany Atsinanana

[hanova | hanova ny fango]

Tsy namela zavatra firy tao Siria sy tao Palestina ny kroazada izay naharitra taonjato roa, afa-tsy ny trano fiangonana maro sy ny manda fiarovana ary ny trano makadiry mijoalajoala (chateaux) milahatra sahala amin’ i Marqab, any amin’ ny morontsirak’ i Siria, i Montréal any Transjordania, ny tanàna voaro manda (krak des Chevaliers) ao akaikin’ i Tripoli, ary i Montfort ao akaikin’ i Haifa.

Fanovozan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]
  • Balard (Michel), Les Croisades, Paris, MA Éditions, collection « Les noms, les thèmes, les lieux », 1988.
  • Tate (Georges), L'Orient des croisades, Paris, Gallimard, collection « Découvertes histoire », 1991.
  • Bordonove (Georges), Les Croisades et le royaume de Jérusalem, Paris, Pygmalion, 1992.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ny fanjakana latina any Atsinanana dia fanjakana kristiana maromaro naorin’ ny mpisalotra vokovoko tany Siria sy tany Palestina teo anelanelan’ ny taona 1095 sy 1109, ka anisan’ izany ny Kômtean' i Edesse, ny Prinsipaotean' i Antiôkia, ny Fanjakan' i Jerosalema ary ny Kômtean' i Tripoli; azon’ ny Mozilmàna ihany ireo fanjakana ireo teo anelanelan’ ny taona 1144 sy 1291.