Kalifata Omeiada
Ny Kalifata Omeiada (taona 661–750) no kalifata faharoa niorina taorian' ny nahafatesan' ny mpaminany silamo Mohamady. Ity kalifata ity dia nofehezin' ny Omeiada. I Othman ibn Affan (taona 644–656), ilay kalifa rasidona fahatelo, dia anisan’ io vondrom-pianakaviana io. Io fianakaviana io dia nanangana fitondrana nifandovana niaraka tamin' i Muawiya ibn Abi Sufyan, governora hatry ny ela tao Siria Lehibe, izay lasa kalifa taorian' ny fiafaran' ny Fitna voalohany tamin' ny taona 661. Taorian' ny nahafatesan' i Mu'awiya tamin' ny taona 680 dia fifandirana momba ny fifandimbiasana dia niteraka Fitna faharoa, ary tamin' ny farany dia lasan' i Marwan I, avy amin' ny sampana iray hafa amin' ilay fokom-pianakaviana ny fahefana. Nijanona ho tobin' ny fahefan' ny Omeiada i Siria taorian' izay, ary i Damaskôsy (na Damasy) no renivohitra. Atao hoe ٱلْأُمَوِيُّون / al-ʾUmawīyūn, na بَنُو أُمَيَّة / Banū ʾUmayya, izay midika hoe "Zanak' i Umayya" ny hoe Omeiada amin' ny teny arabo.
Nanohy ny fanitaran-tany amin' ny alalan' ny ady nataon' ny Mozilmana ny Omeiada, ka nandresy sy nahazo an' ireto faritra ireto: Ifriqiya, Transoxiana, Sind, Maghreb ary Hispania (al-Andalus). Tamin' ny fiitarany lehibe indrindra, ny Kalifata Omeiada dia nandrakotra 11 100 000 km2, ka nahatonga azy ho iray amin' ireo fanjakana lehibe indrindra teo amin' ny tantara raha ny velarantany no heverina. Io no kalifata lehibe izay nanjaka tamin' ny faritra misy an' i Pakistàna hatrany amin' ny faritra misy an' i Espaina: ny velarany tamin' ny taonjato faha-7 dia 13 tapitrisa km2 (velaran' i Sina sy India akambana).
Naongan' ny Abasida tamin' ny taona 750 ilay tarana-mpanjaka. Ireo sisa velona tamin' izy ireo dia niorim-ponenana tao Córdoba, tamin' ny endrika emirata ary avy eo kalifata, izay lasa foiben' ny siansa, ny fianarana fitsaboana, ny filôzôfia ary ny famoronana nandritra ny vanim-potoan' ny Andro Volamena.
Ny Kalifata Omeiada dia nanjaka tamin' ny vahoaka nahitana fokom-pirenena marobe sy kolontsaina maro. Ny Kristiana, izay ankamaroan' ny mponin' ilay kalifata, sy ny Jiosy dia navela hanaraka ny fivavahany manokana, saingy tsy maintsy nandoa jizya (hetra isan' olona mitovy sanda), hetra izay tsy nahazo ny Mozilmana. Tsy maintsy nandoa ny hetran' ny zakat ny Mozilmana, hetra izay natokana ho an' ny asa fiahiana samihafa ho tombontsoan' ny Mozilmana na ho an' izay niova fo ho Mozilmana. Nanana toerana ambony ny Kristianina, izay teo ambany fanapahan' ny kalifa omeiada tany am-boalohany, ary ny sasany tamin' izy ireo dia tao amin' ny fianakaviana maro nanompo ny Bizantina teo aloha. Ny fampiasana ny Kristiana dia anisan' ny pôlitika mivelatra kokoa amin' ny fandaminam-piaraha-monina momba ny fivavahana izay nilaina noho ny fisian' ny vahoaka kristiana betsaka tany amin' ireo faritany resy, toy ny tany Siria. Io pôlitika io koa dia nampitombo ny lazan' i Mu'awiya sy nanamafy ny maha fototry ny fahefany an' i Siria. Ny vanim-potoan' ny Omeiada dia matetika heverina ho vanim-potoan' ny fananganana ny zavakanto silamo.