Aller au contenu

Izao tontolo izao

Avy amin'i Wikipedia
Sarin' izao tontolo izao, araka ny hita tamin' ny alalalan' ny teleskôpy Hubble.

Izao tontolo izao, izay atao hoe tontolo na izao rehetra izao koa, dia ny fitambaran' ny zava-misy na ny zava-drehetra izay misy. Samihafa ny fiheverana ny atao hoe "izao tontolo izao" arakaraka ny sehatra iheverana azy. Ny fihevitra sasany dia manao izao tontolo izao ho tokana tsy manam-paharoa (mônisma) nefa ny hafa kosa mihevitra fa tsy tokana fa maro ny tontolo (ploralisma). Mihevitra an' izao tontolo izao ho toy ny zavatra tsotra ny sasany, ny hafa kosa manao izao tontolo izao ho toy ny fitambarana saro-drafitra misy ampahany maro.

Amin' ny kôsmôlôjia siantifika dia matetika faritana ho fitambarana manontolon' ny habaka sy ny fotoana na izay rehetra nisy sy misy ary hisy izao tontolo izao na izao rehetra izao. Ny fenômenôlôjia, manomboka amin' ny faravodilanitry ny zavatra miara-misy ankehitriny hatramin' ny sisin-tanin' izay mety ho traikefa, dia mamaritra izao tontolo izao ho faravodilanitra lehibe indrindra na ny "faravodilanitry ny faravodilanitra rehetra". Ao amin' ny filôzôfian' ny saina, izao tontolo izao dia ampifanoherina amin' ny saina, izany hoe izay asehon' ny saina. Mihevitra an' izao tontolo izao amin' ny fampifandraisana azy amin' Andriamanitra ny teôlôjia, ohatra amin' izany ny fiheverana an' izao tontolo izao ho noarîn' Andriamanitra, na ho mitovy amin' Andriamanitra (panteisma) na ny fiheverana an' izao tontolo izao sy Andriamanitra ho mifampiakina (panenteisma). Ao amin' ny fivavahana dia misy ny fironana hanambany ny tontolo ara-materialy na tontolo tsapan' ny fitaovam-pandrenesana raha mitaha amin' ny tontolo ara-panahy izay katsahina amin' ny alalan' ny fanao ara-pivavahana. Ny fanehoana an' izao tontolo izao sy ny toerana misy ny olombelona ao aminy, toy ny hita amin' ny fivavahana, dia fantatra amin' ny atao hoe fomba fijery an' izao tontolo izao. Ny kôsmôgônia dia sehatra mandalina ny niandohan' izao tontolo izao na ny famoronana izao tontolo izao fa ny eskatôlôjia kosa dia manondro ny siansa na fotopampianarana momba ny fiafaran' izao tontolo izao.

Amin' ny toe-javatra isan-karazany, ny teny hoe "izao tontolo izao" dia manana dikany voafetra kokoa mifandray amin-javatra sasany, ohatra amin' ny Tany sy ny zavamananaina rehetra eo aminy, amin' ny olombelona rehetra na amin' ny sehatra iraisam-pirenena na iraisan' ny kôntinenta. Amin' izany heviny izany, ny tantaran' izao tontolo izao dia manondro ny tantaran' ny zanak' olombelona amin' ny ankapobeny. ary ny pôlitika maneran-tany (na fifandraisana iraisam-pirenena) dia taranja ao amin' ny siansa pôlitika mandalina ny olana mihoatra ny sehatry ny firenena tsirairay na ny kôntinenta tsirairay.