Aller au contenu

Isa mihoadraha

Avy amin'i Wikipedia

Ao amin' ny matematika, ny isa mihoadraha dia isa voatsapa na isa haro izay tsy aljebrika - izany hoe, tsy fakan' ny maromiantoana tsy aotra izay manana isa tsimivaky (na, mitovy amin' izany, voasaina) ho lanjan' isa. Ny isa mihoadraha fantatra indrindra dia ny π sy ny e.

Na dia kilasy vitsivitsy monja amin' ny isa mihoadraha aza no fantatra - amin' ny ampahany satria mety ho sarotra be ny mampiseho fa ny isa iray dia mihoadraha - dia tsy fahita firy ny isa mihoadraha: marina tokoa fa saika ny isa voatsapa sy isa haro rehetra dia mihoadraha, satria ny isa aljebrika dia mahaforona vondrona azo isain-tsinga, fa ny vondron' ny isa voatsapa sy ny vondron' ny isa haro dia samy tsy azo isain-tsinga, ka lehibe kokoa noho ny vondrona rehetra.

Ny isa voatsapa mihoadraha rehetra (fantatra ihany koa amin' ny hoe isa tsivoasaina mihoadraha) dia isa tsivoasaina, satria aljebrika avokoa ny isa voasaina rehetra. Tsy marina ny filazana: tsy ny isa tsivoasaina rehetra no mihoadraha. Noho izany, ny vondron' ny isa voatsapa dia vondrona tsy mifanitsaka misy ny isa voatsapa voasaina sy isa aljebrika tsivoasaina, ary isa voatsapa mihoadraha. Ohatra, ny faka faharian' ny 2 dia isa tsivoasaina, nefa tsy isa mihoadraha satria fakan' ny fampimirana maromiantoana x2 − 2 = 0. Ny taha volamena (soratana hoe φ na Ф) dia isa tsivoasaina hafa izay tsy mihoadraha, satria fakan' ny fampimirana maromiantoana x2 − x − 1 = 0.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]