Aller au contenu

Henenina

Avy amin'i Wikipedia

Amin' ny matematika, ny henenina dia vokatry ny fampitomboana ny isa iray amin' ny isa tsimivaky iray. Raha lazaina amin' ny teny hafa, ho an' ny isa a sy b, dia azo lazaina fa b dia henenin' ny a raha toa ka b = n.a ho an' ny isa tsimivaky n. Raha tsy aotra ny a dia mitovy amin' ny filazana fa b/a dia isa tsimivaky.

Raha a sy b samy isa tsimivaky, ary b henenin' ny a, ny a dia atao hoe mpizara ny b. Misy koa milaza fa ny a mizara ny b. Raha tsy isa tsimivaky ny a sy ny b, dia aleon' ny matematika mampiasa ny hoe "henenina tsimivaky" fa tsy "henenina", mba hampazava ny resaka.

Ohatra, 14 sy 49 sy −21 ary 0 dia henenin' ny 7, fa ny 3 sy ny −6 kosa dia tsy heneniny. Izany dia satria misy isa tsimivaky azo ampitomboina amin' ny 7 mba hahazoana ny sanda 14, 49, 0 ary −21 (dia ny 2, ny 7, ny 0 ary ny -3 izany), nefa tsy misy isa tsimivaky toy izany ho an' ny 3 sy ny −6.

Tranga manokana:

Ny isa tsimivaky rehetra dia henenin' ny 1 sy ny tenany (oh: 3 = 1 × 3 na 3 = 3 × 1), ary ny isa tsy azo tsinjaraina dia henenin' ny 1 sy ny tenany ihany (oh: 13 = 13 × 1). Ny isa tsimivaky 0 dia henenin' ny isa tsimivaky rehetra n, satria 0 = 0 × n.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]