Aller au contenu

Hao

Avy amin'i Wikipedia
Hao

Ny hao dia bibikely tsy manana elatra izay kantsentsitra mitoetra amin' ny faritra maniry volo amin' ny olombelona sy ny biby hafa maro koa, ka raha manaikitra izy dia miteraka hidihidy amin' ny biby kaikeriny. Misy karazany roa ny hao mitsentsitra ny olombelona: ny haon-doha sy ny haofotsy. Manana ny haony koa ny kisoa, ny soavaly, ny alika ary ny biby fiompy hafa.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Antoandro tsy mifoy hao, ka alina vao manao pia-koho.
  • Hianao ve no volon-gita fieren' ny hao?
  • Lolohavi-manaikitra toa hao.
  • Ny hao no azo lazaina ananam-be, fa ny fananana hita ihany.
  • Renihao ka ny vavy indray no malaza.
  • Tondro tokana tsy mahazo hao.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]