Goavy (zavamaniry)
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b3/%C3%81rbol_en_fructificaci%C3%B3n_de_Psidium_guajava.jpg/271px-%C3%81rbol_en_fructificaci%C3%B3n_de_Psidium_guajava.jpg)
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/6a/Psidium_guajava_flower_26032014_01.jpg/187px-Psidium_guajava_flower_26032014_01.jpg)
Ny goavy dia zavamaniry fihinam-boa avy any amin' ireo faritra manana toetanin-janapehintany any Amerika, nefa afaka maniry amin' ny faritra kôntinenta hafa manana izany toetany izany ihany koa. Hazo tsy dia avo ny goavy, izay mety mahatratra 8 m. Somary lavalava ny raviny izay voarakotry ny volovolo madiika ao amin' ny lafiny ambany. Misy amin' ny ravin-goavy ny mahatratra halavana 15 sm sy sakany 7 sm. Ny bibikely no miantoka ny fitondrana ny lahim-bony mankeo amin' ny vavim-bony ka ahafahan' ny goavy hamoa. Azo hanina tsy misy fikarakarana afa-tsy ny fanadiovana azy ny voan-goavy masaka. Azo atao koa ny manamboatra ranom-boankazo amin' ny goavy.
Ny ravin-goavy avy nosasana dia azo tsakoina na alona anaty rano ka sotroina raha misy traran' ny fivalanana mipiriritra. Psidium guajava no anarana ara-tsiansan' ny goavy.