Aller au contenu

Fianakaviana Rothschild

Avy amin'i Wikipedia
Mariky ny fianakaviana Rothschild

Ny fianakaviana Rothschild dia fianakaviana mpanana banky, jiosy askenazy avy any Frankfurt izay nanomboka nanana ny maha izy azy tamin' ny andron' i Mayer Amschel Rothschild (1744–1812), izay anisan' ny Jiosy nitana andraikitra ambony tao amin' ny lapan' i Fanjakan' i Hesse-Kassel (alemana: Landgrafschaft Hessen-Kassel) tao amin' ny Tanàna afak' i Frankfurt (alemaina: Freie Stadt Frankfurt), tao amin' ny Empra Masina Rômana Jermanika, izay nanangana banky tamin' ny taompolo 1760. Tsy toy ny ankamaroan' ireo nitana andraikitra ambony an-dapa teo aloha i Rothschild fa nahavita nanolotra ny hareny ka nanangana fianakaviana mpandraharaha banky iraisam-pirenena tamin' ny alalan' ny zanany dimy lahy, izay nanangana orinasa tany Paris (Frantsa), tany Frankfurt (Alemaina), tany London (Britaina Lehibe), tany Vienna (Aotrisy) ary tany Napoli (Italia). Nasandratra ho ambony tao amin' ny Empira Masina Rômana Jermanika sy tao amin' ny Fanjakana Mitambatra ilay fianakaviana. Nanomboka tao Franlfurt tamin' ny taonjato faha-16 ny tantaran' ity fianakaviana ity voarakitra; ny anarany dia avy amin' ny tranon' ilay fianakaviana, Rothschild, naorin' i Isaak Elchanan Bacharach tao Frankfurt tamin' ny taona 1567.

Nandritra ny taonjato faha-19 dia ny fianakaviana Rothschild no nanana harena be indrindra eran-tany. Nihena ny haren' ilay fianakaviana nandritra ny taonjato faha-20, ary nozaraina tamin' ny taranaka maro. Amin' izao fotoana izao dia misahana sehatra maro isan-karazany izy ireo, ao anatin' izany ny fandraharahana ara-bola, ny fandraharahana trano fonenana, ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany, ny angovo, ny fambolena, ny famokarana divay ary ny fikambanana tsy mitady tombony. Hita manerana ny faritra avaratra-andrefan' i Eorôpa ny ohatra maro amin' ny maritrano ambanivohitran' ilay fianakaviana. Matetika ny fianakaviana Rothschild no anaovan' ny olona teôrian' ny tsikombakomba, izay maro amin' izany no vokatry ny antisemitisma.

Ny fianakaviana Rothschild no namatsy vola ny fananganana ny firenena Rôdezia (Rhodesia), i Zimbaboe ankehitriny, ary io no toerana nivelaran' ny fanitarana iraisam-pirenena voalohany ny iray amin' ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon' ny tany — ny orinasa Rio Tinto.