Fanjakana Mitambatra
Ny Fanjakana Mitambatra na Fanjakana Mitambatr' i Britaina sy Irlandy Avaratra, dia firenena ao Eorôpa Andrefana (ao avaratra-andrefana raha ny marimarina kokoa) niorina tamin' ny taona 1801. Ny fanjakana mandrafitra ny Fanjakana Mitambatra dia i Britaina Lehibe (Great Britain) sy i Irlandy Avaratra. Sahabo 66 921 307 ny mponina any tamin' ny taona 2019[1]. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy. Ny renivohitra dia ny i London. Firenena manana mpanjaka fehezin-dalàm-panorenana ny Fanjakana Mitambatra, ka manjaka ny mpanjaka nefa tsy miandraikitra ny fampandehanana ny firenena.
I Britaina Lehibe no nosy faha-8 lehibe indrindra maneran-tany, izay ahitana an’ i Angletera, i Ekôsy ary i Valesa. I Irlandy Avaratra dia tapany avaratra-atsinanana amin’ ny nosy Irlandy. Ny Ranomasina Manche no manasaraka azy amin’ i Frantsa. Monina an-tanàn-dehibe ny 90 %n’ ny mponina ao amin’ ny Fanjakana Mitambatra. Anisan’ ireo firenena misy mponina makitroka indrindra ao Eorôpa ny Fanjakana Mitambatra, sady anisan’ ireo firenena manao raharaham-barotra matanjaka sy manana taozava-baventy matanjaka indrindra maneran-tany.
Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-18 ny tantaran’ ny "Fanjakana Mitambatr’ i Britaina Lehibe", tamin’ ny nanakaikezan’ i Angletera (izay efa nikambana tamin’ i Valesa tamin’ ny taonjato faha-16) an’ i Ekôsy tamin’ ny alalan’ ilay Act of Union tamin’ ny taona 1707. Talohan’ izany dia tao amin’ ny Empira Rômana ireo faritra telo ireo talohan’ ny hizakany ireo fananiham-bohitra nifanesy sy talohan’ ny hitsaganany ho tany anjakà-mpanjaka, ka ny natanjaka indrindra dia ny Fanjakana Anglisy. Manana tafika an-dranomasina matanjaka ny Fanjakana Mitambatra, izay nahafahany nanao fandefasa-miaramila haka tany hozanahina. Tamin’ ny fotoana niforonan’ i India Britanika anefa dia voatery niatrika ady nifanandrenany tamin' ireo mpitaky ny fahaleovan-tena amerikana tamin’ ny taona 1776 hatramin’ ny 1783 ny Fanjakana Mitambatra: lasa nahazo fahaleovn-tena ny zanatany britanika miisa telo ambin’ ny folo ka niteraka an’ i Etazonia. Teo anelanelan’ ny fiafaràn’ ny taonjato faha-18 sy ny fiandohan’ ny taonjato faha-19 dia teraka sy nandroso tao amin’ ny Fanjakana Mitambatra ny fiovam-penitry ny taozava-baventy, indrindra tamin' ny andron' ny mpanjakavavy Victoria, teo anelanelan’ ny taona 1837 sy 1901. Tamin’ ny taona 1801 no teraka ny "Fanjakana Mitambatr’ i Britaina Lehibe sy Irlandy". Taorian’ ny fivakisana ara-pôlitikan' ny nosy Irlandy dia lasa nantsoina hoe "Fanjakana Mitabatr’ i Britaina Lehibe sy Irlandy Avaratra" ilay firenena. Niatrika ady tamin’ i Alemaina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ny Fanjakana Mitambatra, ady izay nandraisan’ ny praminisitra Winston Churchill anajara lehibe teo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Nosatrohana ny satro-boninahitra tamin’ ny taona 1952 ny mpanjakavavy Elisabeth II. Taorian’ ny fahaleovan-tenan’ i India (taona 1947) dia nahazo ny fahaleovan-tenany koa ireo zanatany britanika hafa tamin’ ireo taona 1950 sy 1960. Nanomboka nandray anjara tamin’ ny fananganana an’ i Eorôpa ny Fanjakana Mitambatra tamin’ ny taona 1973, nefa tsy dia niditra lalina loatra izy, tamin’ ny fandavany ny fampiasana ny vola Euro.
Olona
[hanova | hanova ny fango]Ohatra amin' ny olona avy any amin' ny Fanjakana Mitambatra izay nanao fandaharana amin' ny fahitalavitra, sy/na nanoratra boky, momba an' i Madagasikara: David Attenborough, Brian Cox, George McGavin, Charlotte Uhlenbroek ary David Bellamy. Roa karazana ny zavamananaina eto Madagasikara nomen' i David Attenborough anarana: ny angidina Acisoma attenboroughi sy ny makamba Ctenocheloides attenboroughi.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Firenena ao Eorôpa
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Kôntinenta eto an-tany