Aller au contenu

Ekoadôra

Avy amin'i Wikipedia
Sainan'i Ekoadôra
Saritany maneho ny toerana misy an' i Ekoadôra

I Ekoadôra na Ekoatera dia firenena ao Amerika Atsimo, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika. I Quito no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Guayaquil. Mirefy 283 520 km2 ny velarantaniny ary miisa 17 475 570 mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2020. Ny faritr' ora dia −5−6.

I Ekoadôra dia nomena io anarana io satria andalovan' ny fehiben-tany (Ecuador amin' ny teny espaniôla, na Equateur amin' ny teny fraNtsay, na Equator amin' ny teny anglisy). Ny vohon' ny tanin’ ity firenena ity dia isongadinan' ny tandavan-tendrombohitra Andes izay mamakivaky ny tanim-pirenena manontolo avy any avaratra ka hatrany atsimo.

I Ekoadôra dia azo zaraina ho faritra ara-jeôgrafia telo, dia

  • ny Costa, izay mandrakotra mihoatra ny 25 % amin' ny tanim-pirenena, ahitana lemaka amorontsiraka sy faritra iva ary iray amin' ireo faritra lonaka sy manankarena indrindra ao amin' ilay firenena;
  • ny Sierra (na ny tany avo afovoany), izay voaforon' ny tandavana (cordillieras) roa misy tendrombohitra avo (ny Cordillera Andrefana sy Cordillera Atsinanana) izay ahitana an' i Cotopaxi (5 897 m), iray amin' ireo volkano avo indrindra mbola velona eran-tany;
  • farany, i Oriente (na ny ala atsinanana) izay mandrakotra ny antsasaky ny tanim-pirenena ary mandrafitra ny faritra amazoniana any Ekodôra.
Toerana misy an' i Ekoadôra ao Amerika Atsimo

An' i Ekoadôra ny nosy Galápagos, any amin' ny Ranomasimbe Pasifika, 1 000 km mahery miala ny kôntineta.

Manodidina ny 80 % amin' ny Ekoadôriana no Amerindiana. Katôlika ny ankamaroan' ny mponina. Tena tsy mitovy ny fitsinjaran' ny mponina ao amin' ity firenena ity; mipetraka ao amin' ny Costa sy ao amin' ny Sierra ny ankamaroany.

Sarin-tanin' i Ekoadôra

Ny toekaren' i Ekoadôra dia mifototra indrindra amin' ny fambolena (fambolena akondro, fary, voamadinika, kafe ary kakaô). I Ekoadôra dia iray amin' ireo firenena mpamokatra hazo balsa malaza indrindra eran-tany. Ankoatra izany, ny rano manodidina ny vondronosy Galapagos dia iray amin' ireo toeram-panjonoana lamatra (thon) betsaka indrindra eran-tany. Ny solitany no loharanon-karena voalohany ao amin' ity firenena ity ankehitriny.

Nandritra ny tapany faharoa amin' ny taompolo 1990, ny toekaren' i Ekoadôra dia niharan' ny fisehoan-javatra momba ny toetany atao hoe El Niño (izay niteraka fiakaran' ny maripana sy ny rotsak' orana be dia be) sy niharan' ny fihenan' ny vidin-tsolitany. Tamin' ny taona 1999 dia nirodana ny sehatry ny banky niaraka tamin' ny volam-pirenena, ny Sucre; noho izany, tamin' ny Septambra 2000 dia navela ny Sucre fa ny dôlara amerikana no nisolo azy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.