Aller au contenu

Bukovina

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Bukovina

I Bukovina dia faritra ara-tantara mirefy 10 442 km2 voafaritra tamin' ny taona 1775, izay mipaka hatrany amin' ny faritry ny sisintanin' i Eorôpa Afovoany sy ny an' i Eorôpa Atsinanana ary ny an' i Eorôpa Atsimo-Atsinanana. Ny antsasany avaratra misy 5 713 km2 dia any Okraina hatramin' ny naharavan' ny Firaisana Sôvietika tamin' ny taona 1991 (izy no namorona ny ampahany be amin' ny ôblastan' i Chernivtsi na Tchernivtsi nanomboka tamin' ny taona 1940) ary ny atsimo misy 4 729 km2 dia ao Romania (namorona ny ny ampahany be amin' ny jodetan' i Suceava). Amin' ny teny okrainiana izy dia atao hoe Буковина / Bukovyna, fa amin' ny teny romaniana kosa dia Bucovina, ary amin' ny teny alemàna dia Bukowina na Buchenland)

Ny Dokean' i Bukovina tao amin' ny Empira Aostrô-Hôngroà (1914).

Nandritra ny taonjato maro, io faritra io no namorona ny foibe ara-tantaran' ny "Tany Avo" (Țara de Sus) ao amin' ny Prinspaotean' i Môldavia, tohanan' ny tangoron-tendrombohitra Karpatiana avaratra-atsinanana ary anisan' izany ny havoana maro manodidina.

Nampidirina tao amin' ny Fanjakan' i Habsburg izy io tamin' ny 1775 ka hatramin' ny taona 1918, lasa nahitana vondrom-poko maro, avy eo niditra tao amin' ny Fanjakan' i Romania tamin' ny faran' ny Ady Lehibe Voalohany, talohan' ny nizarany ho roa tamin' ny taona 1940 teo amin' i Romania sy ny Firaisana Sôvietika ho fampiharana ny fifanarahana teo amin' ny Alemàna sy ny Sôvietika.