Aller au contenu

Azteka

Avy amin'i Wikipedia

Ny Azteka dia sivilizasiôna tany Amerika Afovoany izay niroborobo tany amin' ny faritra afovoan' i Meksika tamin' ny tapany faran' ny vanim-potoana kilasika hatramin' ny taona 1300 ka hatramin' ny 1521. Ny vahoaka azteka dia nahitana vondrom-poko isan-karazany tao afovoan' i Mexika, indrindra ny vondrona izay nampiasa ny fiteny nahoatla sy nanjakazaka tamin' ny ampahany be amin' i Amerika Afovoany tamin' ny taonjato faha-14 ka hatramin' ny faha-16. Ny kolontsaina azteka dia nalamina ho tanàna-fanjakana (altepetl), ny sasany amin' izy ireo dia niara-dia amin' ny alalan' ny fanekena, nitambatra anaty kônfederasiôna ara-pôlitika, na nanangana empira mihitsy aza.