Azia
I Azia na Asia dia kôntinenta ahitana firenena miisa 46, izay voafaritry ny Ranomasimbe Arktika ao avaratra, ny andilan-dranomasin' i Bering sy ny Ranomasimbe Pasifika ao atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana ao atsimo, ary ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo-atsinanana. Ny efitra manasaraka an' i Azia sy Eorôpa dia nifanarahana fa ny tendrombohitra Ural. Raha heverina ho kôntinenta iray i Azia sy i Eorôpa noho izy ireo tany mitohy dia antsoina hoe Eorazia. Manana velarana 43 810 582 km2 i Azia ka izy no be velarana indrindra amin' ny kôntinenta rehetra. Izy koa no be mponina indrindra (4,3 lavitrisa: 60 % amin' ny mponina eran-tany). Ao no ahitana ny tendrombohitra avo indrindra, dia i Everest, izay mahatratra 8 848 m.
Mifanjohy mankany Ôseania ny nosy sy ny tamba-nosy ao atsimo-atsinanana: anisan' izany ny vondro-nosy Filipina sy ny vondro-nosy Indônezia (i Sumatra sy i Java ary i Sulawesi), i Bôrneô ary i Ginea Vaovao. Ao avaratra atsinanan' i Azia no ahitana ny vondro-nosin' i Japàna sy ny nosy Sakhalin. Ao amin' ny Ranomasimbe Indiana no misy ny nosy Srilanka sy ny tamba-nosy madinika toa ny an' i Maldiva sy ny nosy Andaman sy Nikobar.
Ny faritra ao Azia
[hanova | hanova ny fango]Ny faritra ao Azia araka ny famaritan' ny Firenena Mikambana
[hanova | hanova ny fango]Araka ny famaritan' ny Firenena Mikambana dia izao ny faritra hita ao Azia: Azia Avaratra, iAzia Afovoany, Atsinanana Afovoany, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, ary Azia Atsimo-Atsinanana.
Azia Avaratra
[hanova | hanova ny fango]I Azia Avaratra dia ahitana an' i Siberia ny faritra Farany Atsinanana rosiana, ary indraindray koa i Môngôlia sy i Mantsoria izay atambatra amin' i Azia Atsinanana amin' ny ankapobeny.
Azia Afovoany
[hanova | hanova ny fango]I Azia Afovoany hita eo afovoan' ny kôntinenta aziatika izay mivelatra manodidina ny Ranomasina Kaspiana, ny Ranomasin' i Aral ary ny farihy Balkhach. I Kazakstàna, i Ozbekistàna, i Tajikistàna, i Torkmenistàna ary i Kirgizistàna no firenena ao Azia Afovoany.
Atsinanana Afovoany
[hanova | hanova ny fango]Ny faritra Atsinanana Afovoany dia ny tapany atsimo-andrefan' i Azia. I Arabia Saodita, i Iràka, i Iemena, i Ômàna, i Iràna, i Siria, i Jôrdania, i Israely, i Palestina ary i Torkia no firenena ao amin' ity faritra ity.
Azia Atsimo
[hanova | hanova ny fango]I Azia Atsimo dia faritra atsimo ao Azia izay mahafaoka an' i Afganistàna, i Bangladesy, i Botàna, i India, Ny vondro-nosy Maldiva, i Nepaly, i Pakistàna ary i Srilanka. Faritra be mponina indrindra eto an-tany i Azia Atsimo, izay onenan' olona miisa 1,9 lavitrisa tamin' ny taona 2019, izany hoe ampahefatry ny mponina maneran-tany.
Azia Atsinanana
[hanova | hanova ny fango]Faritra atsinanana ao amin' ny kôntinentan' i Azia i Azia Atsinanana. Ireto avy ny firenena hita ao Azia Atsinanana: Sina, Kôrea Avaratra, Kôrea Atsimo, Japàna ary i Taioàna. Manampy azy ireo i Môngôlia (izay indraindray atao isan' i Azia Afovoany) sy i Vietnamy sy i Singaporo (noho ny antony ara-kolontsaina, atambatra matetika amin' i Azia Atsimo-Atsinanana), ny faritra rosiana Atsinanana Indrindra koa dia azo ampidirina ao. Matetika dia akambana amin' ny faritra Farany Atsinanana izy.
Azia Atsimo-Atsinanana
[hanova | hanova ny fango]I Azia Atsimo-Atsinanana dia ny faritr' i Azia any atsinanan' i India sy any atsimon'
I Broney, i Filipina, i Indônezia, i Kambôdia, i Laôsy, i Malezia, i Mianmara, i Sina. i Tailandy, i Timôro Atsinanana ary i Vietnamy no firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana.
Faritra hafa
[hanova | hanova ny fango]Ny faritra hafa ao Azia
[hanova | hanova ny fango]- Atsinanana Indrindra
- Masreka
- Zana-kontinenta Indiana
- Siberia
- India Atsinanana
- Indôsina
- Tsinam-Bolana Lonaka
- Saikanosin' i Arabia
- Kaokazy
- Anatôlia
Faritra ara-tantara ao Azia
[hanova | hanova ny fango]
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Ireo kôntinenta
- Afrika - Azia - Eorôpa - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) - Antarktika - Ôseania - Eorazia
Lisitry ny firenena any Azia:
- Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jeôrjia - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara (na Birmania) - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina - Rosia - Sina - Singapôro - Siria - Srilankà - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Timôro Atsinanana - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy
Fanjakana mbola misy olana: