Ali ibn Abi Talib
Ali ibn Abi Talib
| |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Ali ibn Abi Talib | ||
Teraka | 17 Martsa 599 | ||
Maty | 28 Febroary 661 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
I Ali ibn Abi Talib izay atao hoe Ali fotsiny dia kalifa fahefatry ny fivavahana silamo. Teraka tokony tamin' ny taona 600 ary maty tokony tamin’ ny 28 Janoary 661 izy. Zanak' olo-mpiray tam-po sy vinantolahin' ny mpaminany Mohamady i Ali izay omen’ ny Sonita voninahitra amin’ ny maha farany amin' ny kalifa rashidun efatra ("votarika marina"), izay nanarakataka an' i Abu Bakr sy i Omar ary i Othman. Vao mainka hajain' ny Siita, izay mihevitra azy ho hany mpandimby ara-dalàna ny Mpaminany sy voalohany amin' ny imama (imam) izy.
Ny fiainany manokana
[hanova | hanova ny fango]I Abu Talib ibn ‘Abd al-Muttalib no rainy.
Ny vadiny dia i Fatimah, i Khawlah bint Ja'far, i Umm ul-Banin, i Umamah bint Zainab ary i Asma bint Umays.
Ny zanany dia i Muhsin ibn Ali, i Hasan ibn Ali, i Husayn ibn Ali, i Al-Abbas ibn Ali, i Abdullah ibn Ali, i Jafar ibn Ali, i Muhammad ibn al-Hanafiyyah, i Zaynab bint Ali, i Umm Kulthum bint Ali, i Hilal ibn Ali, i Uthman ibn Ali ary i Ruqayya Mashhad.
Ny mpiray tampo aminy dia i Aqeel ibn Abi Talib sy i Ja'far ibn Abī Tālib.
Mpiara-dia amin' i Mohamady
[hanova | hanova ny fango]Teraka tao Maka i Ali dia voalaza fa iray amin' ny olona niova fo voalohany ho amin' ny finoana silamo. Izy no be fandavan-tena indrindra tamin' ny mpianatry ny mpaminany, nanambady an' i Fatima zanaka vavin’ ny mpaminany izy, izay nahazoany zaza roa lahy, dia i Hassan sy i Hussein. Taorian' ny nahafatesan' i Mohamady tamin' ny taona 632 dia nitaky foana ny zo handimby ny kalifata i Ali, kalifata izay nifandimbiasan’ i Abu Bakr sy i Omar ary i Othman. Taorian' ny famonoana an' i Othman tamin’ ny taona 656 dia lasa kalifa fahefatra i Ali.
Kalifa fahefatry ny silamo
[hanova | hanova ny fango]Nandritra ny taona voalohany naha-kalifa an’ i Ali dia niatrika fikomiana tao an-tanànan' i Basra na Basora (ankehitriny any Iràka), fikomiana nataon' ny naman' ny mpaminany roa taloha, dia i Talha sy i Zubayr, izay notarihin' i Aisha, vehivavy mpitondratena (vady navelan’ i Mohamady) izay nohajaina indrindra. Resy ireo miaramila mpikomy ireo tamin’ ny "Adin' ny Rameva" tamin’ ny taona 656; fa i Mu'awiya, governôra omeiada tao Siria sady havana akaiky ny kalifa Othman izay nisy namono, no nanohitra an' i Ali nanomboka teo, nanohitra ny maha ara-dalàna ny maha kalifa azy. Niady maharitra tao Siffin i Ali sy Mu'awiya, ka tsy nifarana izany raha tsy tamin' ny taona 658 tamin' ny nanaovana marimaritra iraisana izay nahatonga an' i Ali tsy ho kalifa intsony.
Novonoin' ny Karijita iray i Ali tamin' ny taona 661. I Mu'awiya, kalifa vaovao, dia namindra ny renivohitra ho any Siria izay nananganany ny taranaka kalifa omeiada nanjaka tamin' ny Empira Mozilmana tamin' ny 661 ka hatramin' ny 750.
Fandraisan' ny silamo an' i Ali
[hanova | hanova ny fango]Ny Sonita sy ny Siita ary ny Karijita — na dia tsy noraiketina aza ny fivoasany samy hafa momba ny finoana silamo raha tsy taorian' ny nahafatesan' i Ali — dia mihevitra ny niandohan' ny tsy fitovizan' izy ireo ho tamin' ny vanim-potoana naha kalifa an’ i Ali; ny teny hoe "Siita" mantsy dia avy amin' ny teny arabo hoe Shi'at Ali, izay midika hoe "mpanohana an' i Ali".
Ny taranak' i Ali dia heverin' ny Sonita sy ny Siita ho olo-manan-kaja, mpihazona ny anaram-boninahitra hoe "Sayyid".
Ny Siita sy ny Sofy dia manao an' i Ali ho mpitondra ny ezôterisma mozilmana. Amin' ny Siita imamita sy ismaelita, i Ali dia tsy mety diso, manana hery mahagaga ary nampiasa ny siansa avy amin' Andriamanitra. Amin' izy ireo, ny mistikan’ ny sofisma dia mihevitra azy ho ray mpanorina ny hetsik' izy ireo (taorian' i Mohamady), satria izy ireo dia mihevitra fa nanomboka taminy ny fifandimbiasana ara-panahy.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Ao amin'i Freebase: [1] Archived Janoary 24, 2015 at the Wayback Machine