Aller au contenu

Piotr Nikolaievitch Wrangel

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 9 Jolay 2024 à 16:04 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara) (Nanisy sary)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)
Pyotr Nikolayevich Wrangel

I Pyotr Nikolayevich Wrangel na Piotr Nikolaievitch Wrangel dia manamboninahitra rosiana manam-piaviana alemàna baltika, tao amin' ny Tafika Imperialy Rosiana. Nandritra ny dingana farany tamin' ny Ady an-trano rosiana dia izy no kômandy jeneralin' ny Tafika Fotsy nanohitra ny Bôlsevika tany amin' ny tapany atsimon' i Rosia. Amin' ny teny rosiana izy dia atao hoe Пётр Николаевич Врангель / Piotr Nikolaievich Vrangiel fa amin' ny teny alemàna kosa dia Peter von Wrangel.

Teraka amin' ny anarana hoe Peter von Wrangel izy tamin' ny 27 Aogositra 1878 (15 Aogositra 1878 amin' ny kalandrie joliana) tao Novoaleksandrovsk, tao amin' ny Empira Rosiana (na Zarasai ankehitriny, any Litoania) ary maty tamin' ny 25 Avrily 1928 tao Brussel. Ao amin' ny Eglizy Ôrtôdôksa Rosiana any Belgrade any Serbia ny vatany.

Anisan' ny fianakavian' andriana malaza Wrangel i Pyotr Wrangel izay nampianarina ho injeniera mpitrandraka harena an-kibon' ny tany ary niasa an-tsitrapo tao amin' ny Mpiambina Imperialy Rosiana. Niavaka izy nandritra ny Ady Lehibe I tamin' ny naha komandin' ny mpitaingin-tsoavaly azy, ka nahazo ny laharan' ny mazôro jeneraly. Taorian' ny Revôlisiônan' ny Febroary sy ny fialan' i Rosia tamin' ny ady dia nisotro ronono tany Krimea i Wrangel. Nosamborin' ny Bôlsevika izy taorian' ny Revôlisiônan' ny Ôktôbra, saingy vetivety dia navotsotra ary nandositra tatỳ aoriana ary niditra tao amin' ny Tafiky ny Mpirotsaka an-Tsitrapo ao amin' ny Hetsika Fotsy manohitra ny Bôlsevika. Tamin' ny taona 1918 dia lasa lehiben' ny etamazôron' i Anton Denikin tao amin' ny Tafika Mitam-Piadian' i Rosia Atsimo izy.

I Wrangel no nandimby an' i Denikin ho lehiben' ny komandin' ny Tafika Fotsy tany Krimea tamin' ny Avrily 1920. Amin' ny maha-filohan' ny governemanta miaramilan' i Rosia Atsimo azy dia nanandrana nanao fanavaozana momba ny tany, sy nandamina indray ny Tafika Fotsy ho lasa Tafika Rosiana (fantatra kokoa amin' ny anarana hoe Tafik' i Wrangel), ary nanangana fifandraisana tamin' ny hetsika ho an' ny fahaleovantena manohitra ny Bôlsevika. Satria vitsy lavitra noho ny Tafika Mena sady tojo faharesena i Wrangel ka nikarakara fialana faobe avy any Krimea tamin' ny taona 1920. Tany am-piandohan' ny sesitany izy dia nipetraka tany Kônstantinôpla sy tany Serbia, ary nanjary fantatra ho anisan' ny "Rosiana mpifindra monina fotsy" malaza indrindra. Nifindra tany Brussel izy tamin' ny taona 1927 ary maty herintaona tatỳ aoriana.