Aller au contenu

Fanjakana

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 29 Janoary 2024 à 16:53 nataon'i 41.213.235.225 (dinika) (Sokajy:Politika)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)

Ny fanjakana dia vondro-mponina mipetraka amin' ny tanim-pirenena voafaritra sady eo ambany fifehezan' ny fitondram-panjakana (governemanta) iray. Amin' ny lafiny fandaminana dia endri-pandaminana ampiasain' ny fiarahamonina ny fanjakana mba hitondrany sy hitantanany ny tenany. Eo amin' ny lafiny lalàna, ny fanjakana dia fitambaran' ny fahefana sy fahafaha-manery ananan' ny firenena amin' ny olom-pirenena sy ny isam-batan' olona, ​​mba hampanjakana ny tombontsoan' ny besinimaro, izany hoe ny tombontsoam-bahoaka na ny soa iombonana.

Eo amin' ny lalàna iraisam-pirenena, ny fanjakana manana ny fiandrianany dia voafaritry ny fananany tanim-pirenena, ka ao anatin' izany tany izany no mihatra amin' ny mponina ao aminy ny lalàny, sady ahitana andrim-panjakana mampihatra fahefana. Ny maha ara-dalàna an' io fahefana io amin' ny ankapobeny dia tsy maintsy miorina - indrindra ao amin' ny fanjakana lazaina hoe demôkratika - amin' ny maha masi-mandidy ny vahoaka na amin' ny fiandrianan' ny firenena.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]