I Quebec dia fizaràn-tany miteny frantsay any atsinanana amin' i Kanada. Ny renivohiny dia i Québec, kanefa i Montréal no metrôpôliny.

Saina ny Quebec
marika ny Quebec

Voafaritry ny hoalan' i Ungava sy ny andilan'dranomsin' i Hudson i Quebec any avaratra, voafariry ny hoalan' i Hudson sy i Ontario any andrefana, ny faritany mizakatenan' i Maine, i New Hampshire, i Vermont sy i New York, ary voafaritr' i Nouveau Brunswick, i Terre-Neuve-et-Labrador sy ny hoalan' i Saint-Laurent any atsinanana. Miampita ny tanin' i Quebec ny renirano Saint-Laurent.

Ny isan' ny mponina any Quebec tamin' ny taona 2008 dia nisy 7 750 000, misy vondrona ara-kolontsaina sy ara-piteny maro any Quebec, misy vahoaka tompon-tany iraika ambin' ny folo izao miaina any Quebec. Ny fiteny ôfisialiny dia fiteny frantsay. Tamin' ny taona 2006, ny olona miteny frantsay any dia lasa 79,6 isan-jato. Kanefa 81,8 isan-jaton' ny olona no lazaina fa mampiasa ny fiteny frantsay any an-tranony. Talohan' izany dia manan-tanjona hampidina ny mpiteny frantsay ny politique d'assimilation linguistique ny Acte d'union natao tamin' ny taona 1840.

Jeôgrafia

hanova
 
Mapy ny Quebec tamy taona 2001
 
Tananan'i Quebec hita taminy satellite Spot
 
Tohodrano Robert-Bourassa

Ao amin' ny jeôgrafiany, voazara faritany telo ambin' ny folo i Quebec, ny tondron' izy ireo dia toetany, jeôlôjia, hidrôgrafia, ny zava-maintso sns. Ny fandinihana ireo endrika ireo dia miankina amin' ny sampan-draharaham-panjakana iandraiketan' ny ministeran' ny fampivoarana mateza, ny ministeran' ny tontolo iainana, ny parkan' i Quebec sy ny ministeran' ny harena an-kibon' ny tany.

Sisintany

hanova

Manan-danja ny toerana misy an' i Quebec any atsinanana amin' i Amerika Avaratra. Amin' ny fivelarany, 1 667 441 km2, ny velarany dia intelon' i Frantsa metrôpôlitana, indimin' i Alemaina sy i Japana, na in' efapolon' i Soisa.

Maka faribolana ara-pehintany 17 i Quebec any atsinanana katrany andrefana, ary maka faribolana ara-daharan-jarahasina 22 any avaratra hatrany atsimo. Mampiasa hasin' ora roa i Quebec, indrindra ny ora atsinanana, ora tsotra na ora naroso, sy ny ora Atlantika, tsotra na naroso (ho an' ny nosy Madelena sy ny faritanin' ny reserve-n' i Listuguj), tsy mihetsika ny ora ora sasany any amin' ny faritany hafa.

Mizara sisin-tany amin' ny fanjakana mizaka tena amerikana efatra i Quebec, toy ny fanjakan' i New York, i Vermont, i New Hampshire ary i Maine. Mizara sisin-tany amin' ny faritany kanadianina hafa ihany koa i Quebec toa an' i Terre-Neuve-et-Labrador, i Nouveau-Brunswick, i Ontario. Manana sisin-tany amin' i Quebec koa i Nunavy, ny Île-du-Prince-Édouard sy i Nouvelle-Écosse.

Rohy ivelany

hanova