Faritra Androy
-
Fianarana no lova tsara
Firenena  Madagasikara
Faritany Toliara
Renivohi-paritra Ambovombe-Androy
Distrika 4
Lehiben'ny faritra Tsy fantatra
Fianarana no lova tsara
Velarantany 19 317 km2
Isam-ponina 903 376 mpo.
Hakitroky ny mponina 46,77 mpo/km2
Fianarana no lova tsara
Laharam-pehintany -----
Laharan-jarahasina -----

Ny Faritra Androy dia iray amin' ny faritra 23 eto Madagasikara. Ao amin' ny Faritanin' i Toliara ao amin'ny tapany atsimon' ny Nosy no misy azy. Ambovombe-Androy no renivohiny. Manana velarana mirefy 19 317 km2 io faritra io. Saro-dalana izy sady maina tsy ampy rano. Ny vahoaka antandroy no mponina betsaka ao. Ny isan' ny mponina dia 903 376 tamin' ny taona 2018. Ny isan' ny mponina ao amin' ilay faritra dia tombanana ho 1 328 000 eo ho eo tamin' ny taona 2021. Avy amin' ny anaran' ny zavamaniry hoe roy ny anaran' io faritra io.

Ireto ny distrika efatra mandrafitra ny Faritra Androy:

Jeôgrafia

hanova

Toerana misy azy sy refiny

hanova

Any amin' ny farany atsimo amin' i Madagasikara no misy ny Faritra Androy izay manana velarana 19 350 km2. Ny hakitroky ny mponina dia 13 mp/km2. Ny tanin’ ny Bara no mamaritra azy avy ao avaratra, ny Ranomasimbe Indianina sy ny Lakandranon' i Môzambika ny ao atsimo, ny Faritra Anosy no ao atsinanana sy avaratra ary ny Faritra Atsimo-Andrefana no ao andrefana.

Taloha dia tao amin’ ny Faritany Mizaka Tenan' i Toliara ny Faritra Androy. Ahitana distrika efatra (Ambovombe, Tsihombe, Bekily ary Beloha) sy kaominina 51 ary fokontany 881 ny ao aminy.

Toetany

hanova
 
Endriny ny tany any Androy

Voasokajy ao anatin’ ny faritra maina eto Madagasikara ny Faritra Androy, izay manana rotsak' orana 400 mm eo ho eo isan-taona ary sala-maripana 28 °C. Mihena be ny rotsak' orana avy amin' ny faritra avaratra mianatsimo any amin’ ny morontsiraka. Tsy marin-toerana ny rotsak' orana, ary ny elanelan-kafana dia miovaova sady lehibe ka matetika mahatonga ny fahasimban’ ny tany efa karankaina. Misy fiantraikany mivantana amin' ny asa fiveloman’ ny mponina izany.

Ny vanin-taona mafana dia eo anelanelan' ny Ôktôbra sy Avrily ary 24 °C ny sala-maripana isam-bolana, ka ny volana Janoary no manana maripana ambony indrindra. Ny vanim-potoana mangatsiaka dia ny volana Mey hatramin' ny Septambra izay manana maripana 19 °C mandritra ny volana Jona sy Jolay. Ny hain-tany dia misy fiovaovana mitsigerina isaky ny valo ka hatramin' ny folo taona. Iharan’ ny rivotra mahery sy maina avy any atsimo, atao hoe Tiokatimo ny Faritra Androy.

Rano sy tambajotran-drano

hanova
 
Tambajotran-drano any amin' ny tapany atsimon' i Madagasikara

Ony telo lehibe no mandrafitra ny tambajotran-drano ao amin' ny Faritra Androy, dia i Mandrare ao amin’ ny tapany avaratra amin’ ny Distrikan' Ambovombe, i Manambovo ao amin’ ny Distrikan' i Tsiombe, i Menarandra ao amin’ ny Distrikan' i Bekily sy ao amin’ ny Distrikan' i Beloha. Tsy maharitra anefa ny rano ao amin' ireo renirano ireo ary misy ny vanim-potoana maha kely ny rano ao aminy mandritra ny fotoana maharitra amin’ ny main-tany, amin' ny Avrily ka hatramin' ny Septambra. Izany toe-javatra izany no mahatonga ny olana eo amin’ ny fahazoana rano any Androy.

Sady tsy ampy ny rano no maloto ka tsy mendrika hosotroin' olombelona. Ny rano avy amin' ny lava-drano dia somary masira noho ny fandrosoan' ny rano avy amin’ ny ranomasina, ka ny biby fiompy no sahaza azy. Misy fiantraikany ratsy amin’ ny tany anirian-kazo sy ny tany fambolena izany noho ny rano masira, ka mampitombo ny olan’ ny tsy fahampian-tsakafo.

Mponina sy toekarena ary sôsialy

hanova

Tamin' ny taona 2013 ny totalin' ny mponina ao amin' ny Faritra Androy dia 733 933 mponina, miaraka amin' ny taham-pitomboana 2,7 % (midika izany fa hitombo avo roa heny ny isan' ny mponina ao anatin' ny 25 taona raha tsy mihena). Ny mponina dia saika Tandroy ("mponin' ny kirihitr' ala") na Karembola (any atsimo andrefana), ary vitsy dia vitsy ny Antanosy, ny Mahafaly, ny Merina ary Betsileo hita ao. Tombanana ho 150 000 ny Tandroy monina any amin' ny faritra hafa amin' ny Nosy, maro amin' izy ireo no nifindra toerana noho ny mosary miverimberina any amin' ny Faritra Androy.

Tamin' ny taona 2013 dia olona 349 675 eo ho eo - saika ny antsasaky ny mponina ao Androy - no nipetraka tao amin' ny Distrikan' Ambovombe, izay manana hakitroka 60/km2. Ny sisin-tany manamorona ny morontsiraka atsimo-atsinanana no be mponina indrindra. Ny Distrikan' i Bekily dia nisy mponina 164 751 (32/km2), ny Distrikan' i Beloha 109 361 (23/km2) ny ary ny Distrikan' i Tsiombe 110 147 (50/km2).

Ny isan' ny mponina ao amin' ilay faritra dia tombanana ho 1 328 000 eo ho eo tamin' ny taona 2021.

Ny Faritra Androy dia ahitana tetikasa maro isan-karazany sy mpamatsy vola maro, nanao tetikasa hanalefahana ny fiantraikan’ ny hain-tany, nefa ny ankamaroan’ ireo dia tsy mahomby, noho ny hakelin’ ny fandraisana anjaran' ny mponina amin' ny famolavolana sy fanatanterahana izany tetikasa izany.

Ny ampahany betsaka amin' ny mponina dia tao anatin' ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika tamin' ny taona 2021. Ny vanim-potoanan' ny hain-tany miverimberina (hamafisin' ny vokatry ny fiovan' ny toetr' andro sy ny fomba fanao toy ny fanaovana tavy sy ny fandripahana ala), ny fitomboan' ny mponina ary ny tsy fahampian' ny tetikasa fampandrosoana no antony.

Ny distrika sy kaominina

hanova

Mizara ho distrika efatra ny Faritra Androy, izay mizara ho kaominina 56, izay misy fokontany miisa 881.

Distrika

hanova

Ireto ireo distrika efatra mandrafitra ny Faritra Androy:

Kaominina

hanova

Kaominina ao amin' ny Distrikan' Ambovombe

hanova

Ireto ny kaominina ao amin' ny Distrikan' Ambovombe: Ambanisarike - Ambazoa - Ambohimalaza - Ambonaivo - Ambondro - Ambovombe - Ampamata - Andalatanosy - Anjeky Ankilikira - Antanimora Sud - Imanombo - Erada - Jafaro - Maroalomainty - Maroalopoty - Marovato Befeno - Sihanamaro

Kaominina ao amin' ny Distrikan' i Bekily

hanova

Ireto ny kaominina ao amin' ny Distrikan' i Bekily: Ambahita - Ambatosola - Anivorano Mitsinjo - Anja Nord - Ankaranabo Nord - Antsakoamaro - Bekitro - Belindo Mahasoa - Beraketa - Beteza - Bevitiky - Manakompy - Maroviro - Morafeno Bekily - Tanambao Tsirandrana - Tanandava - Tsikolaky - Vohimanga

Kaominina ao amin' ny Distrikan' i Beloha

hanova

Ireto ny kaominina ao amin' ny Distrikan' i Beloha: Beloha - Kopoky - Marolinta - Tranoroa - Tranovaho

Kaominina ao amin' ny Distrikan' i Tsiombe

hanova

Ireto ny kaominina ao amin' ny Distrikan' i Tsiombe: Antaritarika - Betanty (Faux-Cap) - Imongy - Marovato - Tsiombe - Nikoly - Anjampaly - Behazomanga

Jereo koa

hanova

Faritany sy faritra eto Madagasikara:

Rohy ivelany

hanova

Lahatsoratra samihafa

Disy aman-dalàna

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Loharano sy fanamarihana

hanova