Ny kristianisma dia fivavahana abrahamika mino an' Andriamanitra tokana, izay mifototra amin' ny soratra navelan' ny apôstôly (evanjely na filazantsara) mikasika ny fiainan' i Jesoa avy any Nazareta, na Jesoa Kristy. Roa arivo taona taorian' ny nahafatesany, dia miisa maherin' ny 2 546 000 tapitrisa ny mpino tamin' ny taona 2021, miparitaka anaty antokom-piangonana miisa 33 000 any ho any; ka ny lehibe indrindra amin' izy ireo dia ny Fiangonana katôlika.

Sarin' ny hazo fijaliana, iray amin' ireo famantarana ny kristianisma

Niisa 2 355 000 tapitrisa ny Kristiana maneran-tany tamin' ny taona 2013, ka ny 1 200 000 tapitrisa Katôlika, ny 440 tapitrisa Prôtestanta, ny 280 tapitrisa Ôrtôdôksa, ny 92 tapitrisa Anglikana, ny 370 tapitrisa Kristiana tsy miankina, ary ny 38 tapitrisa Kristiana hafa.

Ny mpamaritra anarana kristianina dia midika hoe "an' i Kristy", na "mpanaraka ny fampianaran' i Kristy". Io mpamaritra io dia nomena ny mpanaraka ny fampianaran' i Kristy nanomboka tamin' ny taonjato voalohany tany Antiôkia (na Antiôka).

Ny Testamenta Taloha miaraka amin' ny Testamenta Vaovao no soratra ifotoran' ny finoana kristianina.

Fampianaram-pinoana

hanova

Ny Baiboly

hanova

Ny Baiboly no boky inoan' ny Kristiana fa Soratra Masina mirakitra ny tenin' Andriamanitra. Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka ny fizaràna voalohany, izay fitambaran' ireo boky voasoratra talohan' i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Taloha, fa ny fizaràna faharoa kosa, izay fitambaran' ireo boky voasoratra taorian' ny nahaterahan' i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Vaovao.

Ny amin' i Kristy

hanova
 
Fanaovam-batisa an' i Jesoa, sary nataon' i Almeida Júnior, 1895

Amin' ny Kristiana dia i Jesoa no Mesia na Kristy. Inoan' ny Kristiana ho voahosotr' Andriamanitra sy zanak' Andriamanitra nirahina ety ambonin' ny tany hanavotra ny olombelona amin' ny alalan' ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona i Jesoa.

Fanekem-pinoana sy Trinite

hanova

Ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana dia mino ny atao hoe Trinite, izany hoe ny maha tokana nefa misy persôna (na Olona) telo an' Andriamanitra. Ireo persôna ireo dia ny Ray sy ny Zanaka (na ny Teny) ary ny Fanahy Masina. Tsy andriamanitra telo izany, araka io fampianarana io.

Ny fiangonana kristiana sasany dia nandray fanekem-pinoana (na fiekem-pinoana) nolovana tamin' ny kônsily maro tany aloha fa ny sasany dia tsy manana na nanampy fanekem-pinoana famenony azy manokana. Ny malaza indrindra amin' ny fanekem-pinoana kristiana dia ny Faneke-mpinoana apôstôlika sy ny Fanekem-pinoan' i Nikea-Kônstantinôpôly.

 
Ny Trinite Masina

Ny sakramenta na ôrdônansa

hanova

Ny sakramenta na ôrdônansa (kristianisma) dia fombam-pivavahana inoana fa naorin' i Jesoa Kristy ary nasainy hotandreman' ny mpanara-dia azy mba hampitana sy hanomezana ny fahasoavan' Andriamanitra, izay sady famantarana (na tandindon') ny fihavanana eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona no sady fitaovana ahatongavana amin' izany, famantarana atao hanomezana sy hampitomboana ny fahasoavana izay manamasina ny mpino. Roa ny isan' ny sakramenta iraisan' ny fiangonana kristiana rehetra, dia ny batisa (na batemy) sy ny eokaristia (na fanasan' ny Tompo), fa miampy dimy izany ao amin' ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana ôrtôdôksa, dia ny kônfirmasiôna, ny sakramentan' ny fampihavanana, ny fanosorana ny marary, ny fanambadiana, ary ny ôrdinasiônan' ny pretra.

Ny teôlôjia kristiana

hanova

Ny teôlôjia kristiana dia andinihana ny Andriamanitry ny Kristiana sy ny fifandraisany amin' ny olombelona eo amin' ny tantaran' ny famonjena, ka ny fara tampony dia ny asa sy ny sorom-panavotana nataon' i Jesoa Kristy. Ireto ny sampana lehiben' izany teôlôjia izany: ny kristôlôjia (izay andinihana ny amin' ny persôna sy ny fampianarana ary ny asan' i Jesoa amin' ny maha Kristy azy), ny antrôpôlôjia kristiana (andalinana ny amin' ny olombelona ny fifandraisany amin' Andriamanitra), ny sôteriôlôjia (andalinana ny amin' ny famonjena), ny pneomatôlôjia (iresahana indrindra ny amin' ny Fanahy Masina sy ny asany ary ny fanomezan' ny Fanahy), ny ekleziôlôjia (andalinana ny anjara asan' ny Fiangonana amin' ny maha vahoakan' Andriamanitra azy eo amin' ny tantaran' ny famonjena ny olombelona), ary ny eskatôlôjia (andinihana ny fiafaran' izao tontolo izao izay atao hoe koa andro farany).

Tantara

hanova

Fiantombohana

hanova
 
Pentekôsta, sary nataon' i Julius Schnorr von Carolsfeld, 1860

Tany amin' ny fotoana lazaina fa nilatsahan' ny Fanahy Masina tamin' ny Apôstôly sy nanombohan' izy ireo nitory ny filazantsara no azo lazaina fa nanombohan' ny fivavahana kristiana efa nahaleo tena ka tsy nikambana intsony tamin' ny fivavahana jiosy. Niely tany Asia Minora sy Eorôpa Atsimo ary amin' ny tapak' i Afrika Avaratra ny fivavahana kristianina ka isan' ny nandray anjara betsaka i Paoly. Nisy ny fanenjehana ny Kristiana nataon' ny Jiosy sy ny Rômanina.

Lasa fivavaham-panjakana rômana

hanova
 
Ny emperora Kônstantino (eo afovoany), sy ireo eveka tamin' ny Kônsilin' i Nikea (taona 325), mihazona ny lahatsoratry ny Fanekem-pinoana nikeana

Taty aoriana dia lasa fivavaham-panjakana ny kristianisma ka i Rôma no renivohitra tamin' izany. Nanomboka ny fahalalahan' ny fivavahan' ny tsirairay tamin' ny andron' i Kônstantino I, ka tapitra ny fanenjehana ny Kristiana tamin' ny taona 313, ary taorian' izany dia niantomboka ny fananany fahefana amin' ny raharaham-pivavahana. Ny fanavaozana sy fanitsiana nataony dia nanampy ny firoborobon' ny fivavahana kristiana.

Kônsily

hanova

Noho ny tokony hisian' ny filaminan' ny raharaha fehezin' ny Papa sy ny eveka hafa rehetra sy ny tokony hananan' ny Fiangonana fampianaram-pinoana mitovy dia nisy matetika ny atao hoe kônsily na sinôda (na sinaoda) izay fivoriana anasana ny eveka rehetra sy andraisany anjara. Ny emperora matetika no mamory. Maro ny fehin-kevitra nivoaka avy tamin' ireo kônsily ireo ka isan' izany ny fanekem-pinoana sasany iraisan' ny fiangonana. Tamin' ny fotoana nampisy ireo kônsily ireo koa no nisian' ny fanenjehana mafy an' ireo atao hoe heretika na mpanao fampianaran-diso.

Ny kroazada

hanova

Ny kroazada dia fanafihana mitam-piadiana mifangaro amin' ny fivahiniana masina nataon’ ny Kristiana avy tany Andrefana nanomboka tamin’ ny taona 1095, mba hamonjena ireo Kristiana any Atsinanana, hanafahana ny Tany Masina, izay matetika tanterahina araka ny fangatahan’ ny papa, mba nandroahana ny Miozolmana izay nanjakazaka tao amin’ ny toerana masina maro tao amin’ ny faritra misy an’ i Palestina sy Israely ankehitriny, ary indrindra mba handroahana azy ireo hiala ny tanànan’ i Jerosalema izay misy ny fasan’ i Jesoa. Miisa valo ny kroazada ka ny farany indrindra dia vita tamin’ ny taona 1270. Isan’ ny tanjon’ ny kroazada koa ny famonjena ny fanjakana latina maro any Atsinanana[1].

Fisarahan' ny Andrefana sy ny Atsinanana

hanova

Noho ny tsy fifanarahana amin' ny lafiny ara-teôlôjia sy ara-pôlitika ary antony maro hafa koa, na dia teo aza ny fanaovana kônsily sy ny fomba hafa hisian' ny fitovian-kevitra na ny marimaritra iraisana, dia nivaky roa ny fivavahana kristiana ka i Rôma sy i Kônstantinôpôly (na Kônstantinôpla) no lasa renivohitry ny fiangonana roa (dia ny Fiangonana tandrefana na Katôlika rômana sy ny Fiangonana tatsinanana na Ôrtôdôksa).

Refôrmasiona prôtestanta

hanova
 
Martin Lotera

Taorian' ny fanavaozam-piangonana (refôrmasiôna na refôrma) nataon-dry Lotera sy i Calvin sy i Zwingli izay te hanitsy ny fanao sasantsasany tao amin' ny Fiangonana katôlika (indrindra ny fivarotana indolzansa sy ny fitondran-tena ratsin' ny mpitondra fivavahana) dia niforona ny prôtestantisma (ny loteranisma, ny fiangonana nohavaozina, ny anglikanisma sns) izay tsy niankina intsony tamin' ny Fiangonana katôlika.

Ny fifohazam-panahy lehibe

hanova

Ny fifohazam-panahy lehibe dia fifohazana ara-pivavahana niseho tao amin' ny Fanjakan' i Britaina Lehibe sy tao amin' ireo zanataniny tany Amerika teo antenatenan' ny taonjato faha-18. Maro ny andiam-pifohazam-panahy nanaraka niseho, dia ny fifohazam-panahy lehibe voalohany (taompolo 1730-1740), ny fifohazam-panahy lehibe faharoa (taompolo1790-1840) sy ny fifohazam-panahy lehibe fahatelo teo anelanelan' ny taona 1855 sy ireo taompolo voalohandohany amin' ny taonjato faha-20. Ireo fifohazam-panahy ireo, tao amin' ny prôtestantisma, indrindra fa tany Amerika, dia vanim-potoana nanomezana hery vaovao indray ny fiainanana ara-pivavahana. Ny fifohazam-panahy lehibe dia nahatratra koa ny fiangonana prôtestanta sy fiangonana ara-piazantsara sady nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny fiagonana vaovao.

Ny restaorasiônisma

hanova

Ny restaorasiônisma dia finoana ny tokony hamerenana ny fivavahana kristiana amin' ny finoany sy ny fanaony tany amin' ny taonjato voalohany. Ny antokon' ny restaorasiônisma dia nino fa ny kristianisma ankehitriny, amin' ny endriny rehetra, dia nivily lalana avy amin' ny kristianisma marina tany am-boalohany.

Ny teny hoe restaorasiônisma dia ampiasaina indrindra hanondroana ireo antokom-pivavahana niforona tao Etazonia, sahala amin' ny ny Hetsika Famerenana amin' ny laoniny nataon' i Stone-Campbell na ireo Kristadelfiana, ny Pentekôtista ary ny Adventista (sy ny sampany rehetra).

Io teny io koa dia ampiasaina mba hilazana ny hetsiky ny Vavolombelon' i Jehovah, naorin' i Charles Taze Russell tamin' ny faramparan' ny taompolo 1870. Azo ampiasaina koa io teny io mba hanondroana ny hetsiky ny Olomasin' ny Andro Farany, anisan' izany ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany, ny Fikambanan' i Kristy, ary ny sampana mpisara-bazana Olomasin' ny Andro Farany maro hafa, izay mino fa i Joseph Smith dia nofidina hamerina amin' ny laoniny ny fandaminana tany am-boalohany naorin' i Jesoa.

Sampan' ny kristianisma

hanova

Izao ireo sampana lehiben' ny fivavahana kristiana: ny fiangonana katôlika (izay ahitana ny Fiangonana latina sy ireo fiangonana katôlika tatsinanana miisa 23 toy ny Fiangonana katôlika marônita), ny fiangonana ôrtôdôksa (fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana, fiangonana ôrtôdôksa atsinanana, ny Fiangonan' ny Atsinanana), ny prôtestantisma (ahitana ny anglikanisma, ny kalvinisma, ny loteranisma ary ny evanjelisma. Ao koa nyfiangonana hafa toy ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin' ny Andro Farany sy ny Vavolombelon' i Jehovah.

Ny katôlisisma

hanova

Ny katôlisisma dia fivavahan' ny Kristiana mankato ny fahefan' ny papa, indrindra momba ny famolavolana ny foto-pampianarany, ny fampitana sy ny fandaminana ny fanompoam-pivavahany. Ny ankamaroan' ny Katôlika dia ao amin' ny Eglizy latina, nefa ny Eglizy katôlika dia mahafaoka koa ireo fiangonana katôlika tatsinanana miisa 23 izay manan-jo hanao ôrdinasiôna pretra lehilahy manam-bady.

Ny fiangonana latina

hanova

Ny Fiangonana latina dia ny ampahany manaraka fomba tandrefana ao amin' ny Fiangonana katôlika ka ny Fiangonana katôlika tatsinanana no ampahany mifameno aminy. Amin' ny Fiangonana katôlika rehetra dia izy no lehibe indrindra. Izy koa no lehibe indrindra ao amin' ny Kristianisma tandrefana. Nampiasa ny fiteny latina izy tamin' ny Andro Antenatenany ka hatra taty aoriana fa tsy ny fiteny grika na hafa. Indraindray koa ny Fiangonana latina dia mety hantsoina hoe "Fiangonana katôlika rômana" na "Eglizy katôlika rômana". Manana ny fehezan-dalàny manokana ny Fiangonana latina, dia ny Lalàna Kanônika izay tsy ampiharina amin' ny Fiangonana katôlika tatsinanana maro, na dia manaiky ny fahefan' ny papa ihany koa.

Ny fiangonana katôlika tatsinanana

hanova

Ny Fiangonana katôlika tatsinanana dia fitambaran' ny fiangonana maro any Atsinanana izay miombona amin' ny Papa ao Rôma sy manaiky ny fahamboniany, nefa izy ireo manao ny fombam-pivavahana tatsinanana. Na dia samy tatsinanana aza dia tsy Fiangonana ôrtôdôksa izy ireo. Atao hoe "Fiangonana oniata" na "Fiangonana katôlika manaraka fomba bizantina" koa izy ireo. Raha ny lafiny fombafombam-pivavahana dia tsy mifanalavitra firy amin' ny fomban' ny kristianisma ôrtôdôksa ny an' ny Fiangonana katôlika tatsinanana ka izy manaiky ny fahambonian' ny Papa ihany no tsy maha Ôrtôdoksa azy ireo. Anisan' ny Fiangonana katôlika tatsinanana ny Fiangonana katôlika marônita, kôpta, armeniana, indiana, grika, eritreana ary etiôpiana. Tsy any Atsinanana sy ao Eorôpa Atsinanana ihany no ahitana azy ireo fa nanaraka any am-pielezana ka misy any Amerika sy any Ôseania ary any Eorôpa Andrefana koa.

Ny fiangonana ôrtôdôksa

hanova

Ny fiangonana ôrtôdôksa dia mahafaoka ireo Kristiana monina any Atsinanana Akaiky sy Atsinanana Afovoany indrindraindrindra.

Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana na Fiangonana ôrtôdôksa katôlika, izay fantatra indrindra amin' ny anarana fohy hoe Fiangonana ôrtôdôksa, dia iray amin' ireo fiangonana tranainy indrindra. Fiombonam-piangonana ôrtôdôksa maromaro izay samy niorina araka ny Kônsily fito nifandimby izay atao hoe "Fiangonan' ny kônsily fito" izy. Ny ankamaroan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana dia hita ao Eorôpa Andrefana sy ao Grisia (na Gresy) ary ao Kaokazy.

Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana na Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo etiôpiana dia fiangonana antekalkedôniana niforona tao Etiôpia, mahaleo tena hatramin' ny taona 1959, izay miombona ao amin' ny Fiangonan' ny kônsily telo. Anisan' ny fiangonana kristiana tranainy indrindra maneran-tany izy satria efa niforona tany amin' ny taonjato faha-4.

Ny Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo eritreana dia fiangonana antekalkedôniana mahaleotena. Miombona ao amin' ny Fiangonan' ny kônsily telo izy. Teo ambany fahefan' ny Fiangonana etiôpiana ôrtôdôksa io fiangonana io taloha nefa nifarana tamin' ny taona 1993 izany rehefa nahaleo tena izy.

Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana dia sady tsy isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana no tsy isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana.

Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe Fiangonana tsy kalkedôniana na Fiangonana tsy kalsedôniana, dia ireo fiangonana kristiana tranainy niorina araka ny Kônsilin' i Nikea (taona 325) sy ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôly (taona 381) ka indraindray atao hoe Fiangonan' ny kônsily roa na Fiangonan' ny kônsily telo. Tsy anisan' ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana izany ireo atao hoe Fiangonanan' ny kônsily fito, izany hoe ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana.

Ny prôtestantisma

hanova

Ny prôtestantisma dia mahafaoka ireo fiangonana nipoitra mivantana na tsia amin' ny Refôrmasiôna (na Refôrma) ka mizara ho sampany maro (toy ny adventisma, ny anabatisma, ny anglikanisma, ny fiangonana batista, ny fiangonana nohavaozina, ny loteranisma, ny metôdisma, ny pentekôtisma sns). Ireo fiangonana ara-pilazantsara (ny batisma, ny pentekôtisma, ny hetsika karismatika ara-pilazantsara, ny hetsika karismatika vaovao, sns) dia indraindray heverina ho anisan' ny Prôtestanta nefa indraindray koa lazaina hoe sampana manokan' ny kristianisma.

Ny anglikanisma

hanova

Ny anglikanisma dia fivavahana kristiana niorina voalohany tao Angletera vokatry ny fialany avy amin' ny Fiangonana katôlika tamin' ny taona 1534. Any amin' ny firenena miteny anglisy no tena ahitana azy, indrindra ireo zanatany britanika taloha. Miisa eo amin’ ny 85 tapitrisa eo ny mpino ao aminy. Raha any ivelan' ny Fanjakana Mitambatra dia  "episkôpaliana" no ahafantarana io fiangonana io. Eo anelanelan’ ny katôlisisma sy ny prôtestantisma ny anglikanisma izay milaza ny tenany ho sady katôlika no nohavaozina.

Ny kalvinisma

hanova

Ny kalvinisma dia foto-pampianarana teôlôjika prôtestanta sy fomba fijery ny fiainana kristiana izay mifototra amin' ny fiandrianan' Andriamanitra amin' ny zavatra rehetra. Ankehitriny dia ilazana ny foto-pampianarana sy ny fanaon' ny fiangonana nohavaozina sy presbiteriana ary kôngregasiônalista izany.

Ny loteranisma

hanova

Ny loteranisma dia fiangonana manaraka ny teôlôjia nipoitra avy amin' ny fandinihana sy soratr' i Martin Lotera. Betsaha fiangonana loterana maro ny any Alemaina sy any Skandinavia (Danemarka, Nôrvezy, sns.), ny any amin' ny faritra na firenena hafa toa an' i Alsace, i Lorraine, i Madagasikara, i Namibia, i Polonia ary ireo firenena balta (i Estônia sy i Letônia ary i Litoania).

Ny adventisma

hanova

Ny adventisma dia hetsika ara-pinoana kristiana milenarista nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 tamin' ny fotoana nampiroborobo ny fifohazam-panahy lehibe faharoa tao Etazonia izay mampianatra momba ny Fiavian' i Jesoa Kristy fanindroany izay hiseho tsy ho ela amin' ny andro farany. Ny tena be mpanaraka indrindra dia ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito.

Ny anabatisma

hanova

Ny anabatisma dia firehana prôtestanta manandratra avo ny batisa an-tsitrapon' ny olona efa tonga saina. Anisan' ny fiangonana batista ny Amisy (alemàna: Amische; anglisy: Amish), ny Hoterita (anglisy: Hutterites; alemàna: Hutterer), ny Mpirahalahy ao amin' i Kristy (alemàna: Brüder in Christo; anglisy: Brethren in Christ), ny Mpirahalahy Batista Jermanika  (anglisy: German Baptist Brethren; alemàna: Schwarzenauer Brüder) ary ny fiangonana menônita maro izay maro anisa indrindra.

Ny evanjelisma

hanova

Ny evanjelisma dia hetsika kristiana milaza fa ny Filazantsara (na Evanjely) no hany fototra sy filamatry ny finoany. Nitombo tanjaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 tamin' ny nipoiran' ny metôdisma britanika sy ny pietisma loterana izy. Anisan' ny matanjaka ao amin' ny fiangonana evanjelika maro ny batisma, ny pentekôtisma, ny hetsika karismatika evanjelika, ny hetsika karismatika vaovao (na pentekôtisma vaovao) ary ny kristianisma avanjelika tsy miankina maro.

Ny batisma

hanova

Ny batisma dia finoana kristiana nipoitra tamin' ny fifohazam-panahy notarihin' ilay pastora anglisy atao hoe John Smyth tao Hôlandy tamin' ny taona 1609. Io hetsika io dia nanomezany lanja ny Baiboly, ny fahateraham-baovao, ny batisan' ny olon-dehibe, ny fizakan-tena anisan-toeran' ny fiangonana, ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana ary ny fananan' ny fitambaran' ny mpiara-mivavaka rehetra fahefana (kôngregasiônalisma). Mizara ho antokom-piangonana 27 ny fiangonana batista. Tamin' ny taona 2010 dia niisa 100 tapitrisa ny mpino batista. Ny ankamaroan' izy ireo dia monina ao Etazonia ka ao izy manjaka tanteraka manoloana ny fiangonana prôtestanta hafa rehetra.

Ny pentekôtisma

hanova

Ny pentekôtisma dia fireham-pinoana vokatry ny fifohazam-panahy notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao Etazonia tamin' ny taona 1906. Io hetsika io dia manome lanja manokana ny Baiboly, ny fahaterahana indray, ny batisan' ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina, ny batisan' ny olon-dehibe. Manao fiteny tsy fantatra ny Pentekôtista sady mazoto mifady hanina. Araka ny tarehimarika omen' ny Pew Research Center dia miisa any amin' ny 279 tapitrisa any ho any ny mpino pentekôtista maneran-tany izay hita indrindra any amin' ny firenena any Amerika (Etazonia, Kanada, Brezily, Sily, Nikaragoa, Kôlômbia, Arzantina), any Afrika (Ginea Bisao, Kôtidivoara, Borkina Faso, Benîno, Ganà, Kamerona, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Repoblikan' i Kôngô, Angôla, Madagasikara, Môzambika) ary any Azia (Sina, Kôrea, Japana, India, Tany Masina).

Ny hetsika karismatika ara-pilazantsara

hanova

Ny hetsika karismatika evanjelika dia manandratra avo ny fanomezan' ny Fanahy Masina. Nanomboka tao Etazonia tamin' ny taona 1960 izy io ka nisy akony tao amin' ny fiangonana rehetra na prôtestanta na katôlika na evanjelika ary nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny fiangonana evanjelika tsy miankina maro. Tsy manao ny fiteny tsy fantatra ho hany porofon' ny batisan' ny Fanahy Masina izy nefa manome toerana lehibe ny fahasamihafan' ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina. Araka ny tarehimarika nomen' ny Pew Research Center dia ahitana mpino miisa 305 tapitrisa io hetsika io tamin' ny taona 2011.

Ny hetsika karismatika vaovao

hanova

Ny hetsika karismatika vaovao, toy ny hetsika karismatika evanjelika, dia manandratra avo koa ny fanomezan' ny Fanahy Masina. Nanomboka tao Etazonia tamin' ny fanombohan' ny taompolo 1980 izany hetsika izany. Maro ny fiangonana niforona maneran-tany vokatr' io hetsika io. Ny batisan' ny Fanahy Masina sy ny fanomezan' ny Fanahy Masina sivy no ivon' ny finoana ao amin' io firehana io. Araka ny tarehimariky ny Pew Research Center tamin' ny taona 2011 dia ahitana mpino miisa 305 tapitrisa io hetsika io.

Ny kristianisma tsy manavaka fiangonana

hanova

Kristianisma hafa

hanova

Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany

hanova

Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany dia fiangonana kristiana restaorasiônista teraka tany Etazonia tamin' ny taona 1830. I Joseph Smith no mpanorina azy. Ao Salt Lake City any Utah no misy ny foiben-toerany. Amin' ny teôlôjia môrmôna, ny ampahany tsy mety maty amin' ny olombelona, izany hoe ny fanahiny, dia naterak' Andriamanitra Ray. Zanak' Andriamanitra ara-bakiteny ny olombelona sady notezainy mandra-pahalehibeny tao amin' ny fitoerana mandrakizain' ny Ray alohan' ny hiaviany tety an-tany miaraka amin' ny vatana mety maty azo tsapain-tanana. Tsy anisan' ny fiangonana trinitariana ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany na dia miresaka momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay lazainy fa samy Andriamanitra. Ankoatry ny Baiboly dia manana ny boky masiny manokana izy, dia ny Bokin' i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy. Manana mpikambana miisa 16 tapitrisa any ho any io fiangonana io maneran-tany.

Ny Vavolombelon' i Jehovah

hanova

Ny Vavolombelon' i Jehovah dia mino ny fitondran’ ny Mesia mandritra ny arivo taona (milenarisma) sy mihevi-tena ho mamerina amin’ ny endriny tany amboalohany ny fivavahana kristiana (restaorasiônista). Nipoitra avy amin' ny fikambanana Bible Students ("Mpianatra Baiboly") notarihin' i Charles Taze Russell izay nandray ampahany betsaka tamin' ny fampianaran' ny adventisma. Amin' ny Vavolombelon' i Jehovah, i Jesoa dia noforonin' Andriamanitra mivantana sady voalohany fa tsy Andriamanitra, ny fanahy masina dia herin' Andriamanitra. Tsy mitambatra ho Trinite ny Ray sy ny Zanaka (Jesosy) ary ny fanahy masina. Tamin' ny taona 2020 dia niisa manodidina ny 8 430 000 ny mpino Vavolombelon' i Jehovah.

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Ny fanjakana latina any Atsinanana dia fanjakana kristiana maromaro naorin’ ny mpanao kroazada tany Siria sy tany Palestina (faritra) teo anelanelan’ ny taona 1095 sy 1109, ka isan’ izany ny Kômtean’ i Edesse, ny Prinsipaotean’ i Antiôkia, ny Fanjakan’ i Jerosalema ary ny Kômtean’ i Tripoli; azon’ ny Miozolmana ihany ireo fanjakana ireo teo anelanelan’ ny taona 1144 sy 1291.