Palestina
I Palestina na ny Fanjakan' i Palestina dia fanjakana manana ny fiandrianany ara-dalàna (lalàna palestiniana). Any amin' ny faritra Afovoany Atsinanana no misy azy. Milaza io fanjakana io fa miorina ao amin' ny fizaran-tany palestiniana voabodo, ka anisan' izany i Jerosalema Atsinanana. Atao hoe دولة فلسطين / Dawlat Filastin izy amin' ny teny arabo.
Tafiditra tao amin' ny Empira Ôtômàna taloha, avy eo teo ambany fahefan' ny Britanika izy. Ny fipoiran' i Palestina ho fanjakana mahaleo tena dia nohafainganina noho ny Ady Arabo-Israeliana tamin' ny taona 1948-1949. Notazonin' ny Fanjakan' i Palestina ho fanambaràny ny fahaleovantenany ny fanambaràna tamin' ny 15 Nôvambra 1988 nataon' ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina izay nisesitany any Alger ary eken' ny Ligy Arabo sy ny Fikambanan' ny Fiaraha-Miasa Islamika. Tamin' ny taona 2011 dia niditra tao amin' ny UNESCO i Palestina. Tamin' ny 29 Nôvambra 2012 dia nanatevin-daharana ny Firenena Mikambana ny Fanjakan' i Palestina nefa tsy nanana afa-tsy ny satan' ny firenena mpanatrika fa tsy mpikambana.
Ny fiandrianam-pirenena, ny fankatoavana iraisam-pirenena, ny mpitsoa-ponenana palestiniana, ny fizaran-tany sy ny sisin-taniny, ny renivohitry ny Fanjakan' i Palestina: ireo no lohahevitry ny adihevitra sy ny disadisa. Tamin' ny taona 2017 dia neken' ny firenena miisa 136 (70,5 % amin' ny firenena miisa 193 mpikambana ao amin' ny Firenena Mikambana) ny Fanjakan' i Palestina. Ny sisin-tanin' ny Fanjakan' i Palestina dia ny an' ny Jôrdania Andrefana, izay fehezin' ny Fahefana Palestiniana nanomboka tamin' ny taona 1994, sy ny Salavantanin' i Gaza, izay eo ambany fifehezan' i Hamas nanomboka tamin' ny taona 2007. I Jerosalema no renivohitry ny Fanjakan' i Palestina. Ao Ramallah no misy ny foiben' ny governemanta palestiniana.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny Andro Taloha
[hanova | hanova ny fango]Ny tapany atsimo amin' Ampiposahana ao amin' ny fizaran-tanin' i Palestina ankehitriny dia nofehezin' ny Filistina tamin' ny taonjato faha-12 tal. J.K. Nanorim-ponenana teo amin' ny morontsiraka hatrany Gaza ka hatrany Jaffa izy ireo, ary nifangaro tamin’ ny Kananita teo an-toerana.
Raha nanjavona i Filistia amin' ny maha firenena azy tamin’ ny faran’ ny taonjato faha-6 tal. J.K., ny anarana novana ho amin' ny teny grika hoe Palaistinê dia hita ao amin' ny asasoratr' i Herôdôtôsy tamin’ ny taonjato faha-5 tal. J.K. Miresaka momba an' i "Palestina ao Siria" izy raha manondro ny faritra ao Ampiposahana manakaiky an' i Ejipta.
Tatỳ aoriana, raha teo ambany fanapahan' ny Rômana ny faritr' i Palestina, dia nanao ny fizaran-tany mifanitsy amin’ ny faritra atsimo amin' Ampiposahana hoe Palestina ny emperora Diôkletiano.
Tamin' ny andron' ny Empira Ôtômana
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny fandresen' ny Tiorka Ôtômana ny Mameloka Ejipsiana tamin' ny taona 1517 dia teo ambany fahefan' ny Tiorka ilay faritra ary tafiditra sy nitoetra tao amin' ny Empira Ôtômana nandritra ny 400 taona, mandra-pahatongan' ny ririnin' ny taona 1917-1918. Ampahany manan-danja tao amin' ny "Faritanin' i Damaskôsy" (Dimashq al-Shâm), nofehezin' ny tanànan' i Istanbul ary voafaoka ao anatin' ireo distrika mandrakotra ny faritra Atsinanana Afovoany, ny faritr' i Palestina. Ny fiteny tiorka no fiteny ôfisialin' ny fitantanan-draharaha, fa ny fiteny arabo siriana-libaney kosa no fitenin' ny ankamaroan' ny mponina. Nantsoin' ny Tiorka hoe Arzi Filistin tsikelikely ny faritanin’ i Damaskôsy mba hilazana ny faritra eo anelanelan' i Mediteranea sy ny ony Jordana.
Na dia teo aza ny fifehezan' ny Tiorka sy ny Mozilmana an' ilay faritra dia nanana fizakan-tena manokana ny Kristiana sy ny Jiosy: ny fifanarahana nifandimby teo amin' ny Empira Ôtômana sy ny firenena eorôpeana dia nanome fiarovana ny pretra kristiana sy ny Kristiana rehetra tao amin' ilay empira ary ny Jiosy tao Jerosalema dia notarihin' ny lehiben' ny raby (raby lehibe), antsoina amin’ ny teny hebreo hoe ראשון לציון / Rishon LeTzion (izay midika hoe "Voalohany ao Ziôna") nanomboka tamin' ny taonjato faha-17. Nahazo tombony tamin' ny firoboroboan' ny Empira Ôtômana i Palestina nandritra ny taonjato voalohany nanjakan' ny Ôtômana, saingy nihena tsikelikely nanomboka tamin' ny taonjato faha-17. Nisy fiatraikany tamin' ny varotra sy ny fambolena ary ny mponina izany fihenana izany izay nitohy hatramin' ny taonjato faha-19. Teo am-piandohan' ny taonjato faha-19 dia nihena ho antsasa-manilany ny mponina tany Palestina tamin' ny taonjato faha-16; 280 000 eo ho eo monja no sisa tavela, nitombo ho 470 000 izany tamin’ ny taona 1880, rehefa nanomboka nitombo ny fifindra-monina jiosy sy ny fividianana tany tao amin' ilay faritra.
Nandritra ny taompolo 1880 dia nitondra fitaovana môderina sy renivola ilaina amin' ny fampandrosoana ny firenena ny voanjo alemàna sy jiosy mpifindra monina. Tombanana ho nisy Jiosy miisa 24 000 eo ho eo i Palestina, ary 470 000 eo ho eo ny fitambaran' ny mponina tao Jerosalema; ny fiteny arabo sy ny fiteny tiorka no fiteny be mpampiasa indrindra. Nametraka famerana henjana momba ny fifindrà-monina sy ny fividiana tany nataon' ny Jiosy ny governemanta ôtômana. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 dia nizara ho distrika telo ilay faritra, dia ny an' i Acre, ny an' i Balqa ary ny an' i Jerosalema, ny roa voalohany an' ny vilaiàn' i Beyruth (faritra na faritany).
Fipoiran' ny fanindrahindram-pirenenana palestiniana
[hanova | hanova ny fango]Niaraka tamin' ny fipoiran' ny fanindrahindram-pirenena tany amin' ny fizaran-tany arabo ny firodanan' ny Empira Ôtômàna tamin' ny taona 1923, indrindra fa tany Siria, izay nahafaoka an' i Libàna sy ny tapany avaratra amin' i Palestina tamin' izany fotoana izany. Tamin’ ny taona 1917 dia nanome alalana ny fananganana "akanim-pirenena ho an’ ny vahoaka jiosy" ny Fanambaràna Balfour. Tamin' ny taona 1919 dia nosoniavina ho ampahany amin' ny Fihaonambe momba ny Fandriampahalemana tao Paris ny Fifanarahana Faisal-Weizmann.
Nanomboka tamin' ny taona 1920 dia lasa iray amin' ny mpitarika ny nasiônalisma palestiniana ny mufti Mohammed Amin al-Husseini. Nanohitra tamim-pahavitrihana ny ziônisma izy ary noheverina ho mpamporisika ny rotaka tao Palestina hatramin' ny 1921 ka hatramin' ny 1937, anisan' izany ny fandripahana tao Hebrôna tamin' ny taona 1929. Tamin' ny taona 1925 dia nanohana ny tolona mitam-piadiana amin' ny hetsika ara-pôlitika i Izz al-Din al-Qassam; tamin' ny taona 1930 dia nanangana fikambanana miaramila ivelan' ny fanjakana izy, dia ny "Tanana Mainty" (arabo: الكف الاسود / al-Kaff al-Aswad), izay nanafika ny Jiosy sy ny Britanika.
Hatramin' ny taona 1921 ka hatramin' ny taona 1935 dia narindra miaraka amin' ny an' i Mohammed Amin al-Husseini ny hetsika nataony. Nohamafisin' ny fanambaràna antiziônista any amin' ny faritra arabo manodidina rehetra nandritra ny Fihaonambe tao Bloudan tamin' ny taona 1937 ny fanindrahindram-pirenena palestiniana.
I Palestina teo ambany fitantanan' ny Britanika
[hanova | hanova ny fango]Ny hoe "Palestina tantanan' ny Britanika" dia i Palestina sy i Transjôrdania izay nanana sata ara-pôlitika napetraky ny Fikambanan' ny Firenena nanomboka tamin' ny taona 1920. Ny andinindininy sy ny famaritana azy no fototry ny fifampiraharahana teo amin' ny Britanika, ny Frantsay, ny Arabo ary ny Jiosy tamin' ny sehatry ny fifanarahana sy ny fampanantenana isan-karazany nifanaovan' izy ireo. Io no sehatra ahitana fifandonana mahery vaika teo amin' ny Arabo sy Jiosy palestiniana izay tsy azon' ny Britanika nampihavanina ny fitakiana nasiônalista andaniny sy ankilany. Noho izany dia natolotry ny Britanika ny Firenena Mikambana ny olana momba an’ i Palestina sy ny fahefana napetraka amin' izy ireo tamin’ ny Febroary 1947. Ny tanjona dia ny hananganana “akanim-pirenena ho an' ny vahoaka jiosy” ao Palestina satria mazava fa tsy hisy na inona na inona atao izay mety hanitsakitsaka ny zo sivika sy ara-pivavahana amin’ ireo vondrona tsy jiosy misy ao Palestina.” araka ny voafaritry ny Fanambaràna Balfour tamin' ny taona 1917 ary hita taratra ao anatin' ny fepetran' ny fanomezana fahefana hitantana. Nitombo ny mponina tao aminy ka nahitana Jiosy 55 000 raha 560 000 ny Arabo tamin' ny taona 1918 ka hatramin' ny Jiosy 600 000 raha ny 1 200 000 Arabo tamin' ny taona1948.
Taorian' ny fikomian' ny Arabo (nahafatesana olona 5 000 mahery) sy mba hampitoniana ny fikomian' ny Arabo tao Palestina tantanan' ny Britanika, ary noho ny tahotra ny hanosika ny Arabo hiaraka amin' i Alemaina mialoha kelin' ny Ady Lehibe Faharoa, dia namoaka Boky Fotsy fahatelo ny Britanika tamin' ny taona 1939, izay nampihena be ny fifindra-monina jiosy ho ao taloha kelin' ny Ady Lehibe Faharoa, nametra ny fivarotana tany vaovao ho an’ ny Jiosy ary nanambara fa ao anatin’ ny 10 taona dia mety ho lasa fanjakana tokana mahaleo tena i Palestina, araka ny takin’ ny mpitarika arabo palestiniana
Tamin' ny volana Febroary 1947 dia nanolotra ny raharaha momba an' i Palestina sy ny andraikitra momba ny fitantanana azy tamin' ny Firenena Mikambana ny Britanika. Ity fikambanana ity dia nifidy ny fizarana an' i Palestina ho fanjakana roa, fanjakana jiosy sy fanjakana arabo. Nolavin' ny firenena arabo sy ny Arabo palestiniana izany drafitra izany.
Drafitra fizaràna an' i Palestina sy ady tamin' ny taona 1947-1948
[hanova | hanova ny fango]Nahatonga ny Britanika handao ny fahefana nomena azy hitantana an' i Palestina ka namerina izany ny Firenena Mikambana ny disadisa teo amin' ny Jiosy sy ny Arabo palestiniana. Nanapa-kevitra ny hampanao latsa-bato hizara ny fizaran-tany mba hananganana fanjakana jiosy sy fanjakana arabo ny Firenena Mikambana ary hanao an' i Jerosalema sy ny manodidina azy ho hanana sata manokana tsy azo zaraina sady iraisam-pirenena. Nolanina tao amin' ny fivoriamben' ny Firenena Mikambana ny drafi-pizaràna tamin' ny 29 Nôvambra 1947.
Nanohitra izany drafitra izany ny Arabo palestiniana sy ny firenena arabo mifanila aminy ary nitaky fahaleovantena ho an' i Palestina iray tsy mivaky. Nolanin' ny Firenena Mikambana anefa io drafitra io tamin' ny 29 Nôvambra 1947. Nanome alalana ny fananganana fanjakana arabo sy fanjakana jiosy ity drafitra ity. Nolavin' ny Arabo io drafitra io fa neken' ny Jiosy. Tamin’ ny 14 Mey 1948, andro iray talohan’ ny nifaranan’ ny fahefan' ny Britanika hitantana an' i Palestina, dia nanambara ny fahaleovantenan' ny Fanjakan' i Israely i David Ben-Gurion. Nandà ny drafi-pizaràna natolotry ny Firenena Mikambana ny Ligy Arabo ary nanambara ny zo afahan' ny Arabo ao Palestina mitantan-tena. Firenena arabo dimy no nanambara ady tamin' ny Fanjakan' i Isiraely avy hatrany taorian' ny fanambaràna ny fahaleovantenany ary nisy antokon-tafika avy amin' ny efatra amin' ny firenena fito mpikambana ao amin' ny Ligy Arabo tamin' izany fotoana izany (i Ejipta, i Iràka, i Jôrdania ary i Siria) ary nanafika ny fari-tanin' i Palestina notantanan' ny Britanika taloha ny Tafi-Panafahana Arabo (Jaysh al-Inqadh al-Arabi).
Niafara tamin' ny faharesen' ny tafika arabo sy ny milisy palestiniana ilay ady. Namaritra io faharesena io ho "Naqba" (midika hoe "Loza") ny Palestiniana.
Tamin' ny taona 1949 dia nanao sonia fifanarahana misaraka tamin' i Ejipta sy i Libàna sy i Jôrdania ary i Siria i Israely. Araka ny fifanarahana fampitsaharana ny ady ireo, ny fari-tanin' i Israely dia ny 78 % eo ho eo amin' ny an' i Palestina notantanan' ny Britanjka taloha (18 % mihoatra noho ny nofaritan' ny drafi-pizaràna natolotry ny Firenena Mikambana). Nantsoina hoe "Tsipika Maitso" ireo tsipika fampitsaharana ady ireo. Ny Salavantanin' i Gaza sy i Jôrdania Andrefana dia nobodoin' i Ejipta sy i Jôrdana izay mampiditra an' io faritra io sy ny Tanàna Tranain' i Jerosalema ho anisan' ny taniny. Nankatoavin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tanim-pirenen' i Israely ao anatin' ireo sisintany vaovao ireo fa tsy nankatoaviny ny fanakambanany ny Salavantanin' i Gaza sy i Jôrdania Andrefana ary i Jerosalema Atsinanana ho ao amin' izany. Vokatr' io fifandonana io dia manodidina ny 700 000 eo ho eo amin' ny Arabo palestiniana 900 000 no nandositra na noroahina hiala avy amin' ny faritra izay lasa Fanjakan' i Israely.
Tamin' ny 20 Septambra 1948 dia nanambara ny fananganana governemanta palestiniana ny Ligy Arabo, ary tamin' ny 22 Septambra dia nisy governemanta arabo ho an' i Palestina manontolo naorina tao amin' ny Salavantanin' i Gaza nobodoin' i Ejipta. Tsy neken' i Jôrdania izay nanakambana ao amin' ny taniny ny fizaran-tany nobodoiny io fanapahan-kevitra io.
Andro vitsy taty aoriana dia nivory ny Antenimiera mpanorina, nifidy ny mufti Mohammed Amin al-Husseini ho filoha ary nitondra ny anarana hoe Filankevi-Pirenena Palestiniana (arabo: المجلس الوطني الفلسطيني, / Almajlis Alwataniu Alfilastiniu). Nifidy lalàm-panorenana vonjimaika saingy tsy arahin’ ny fankatoavana iraisam-pirenena io fanambarana io.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany