Aller au contenu

Filôlôjia

Avy amin'i Wikipedia

Ny filôlôjia dia fandalinana ny fiteny iray sy ny literatiorany izay mifototra amin' ny tahirin-kevitra voasoratra. Avy amin' ny teny grika hoe φιλολογία / philologia, izay midika ara-bakiteny hoe "fitiavana teny" na "fitiavana literatiora”, ny teny hoe filôlojia. Fitambaran' ny tsikera ara-kaisoratra sy ny tsikera ara-tantara ary ara-kaifiteny ny filôlôjia. Ny tanjony dia ny hamerenana ny vontoaty tany am-boalohan' ny lahatsoratra izay fantatra amin' ny alalan' ny loharano maro, izany hoe ny fisafidianana ny lahatsoratra izay heverina fa tena izy, avy amin' ny sora-tanana na ny fanontana pirinty na loharano hafa azo ampiasaina: sombin-dahatsoratra (tonon-tsiahy nataon' ny mpanoratra hafa), soratra amin' ny rindrina tranainy, sns. Araka izany dia mampitaha ny endrika voatahiry amin' ireo lahatsoratra ireo, na mamerina ny lahatsoratra tsara indrindra amin' ny alalan' ny fanitsiana ny loharano regetra misy ny filôlôga.