Aller au contenu

Naômy

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Miara-mandeha amin' i Rota i Naômy (eo afovoany), sary nataon' i Julius Schnorr von Karolsfeld, taona 1860.

I Naômy na Nôemy dia vehivavy resahina ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Bokin' i Rota. I Elimeleka no anaran' ny vadiny. Izy no rafozambavin' i Rota, vehivavy môabita, tamin' ny zanany lahy atao hoe Malôna nefa tsy nanan-janaka taminy sady maty taty aoriana. I Naômy no nanao izay hahatonga an' i Rota sy i Bôaza havan' i Elimeleka hifanambady. Isan' ny fokon' i Benjamina i Naômy. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe נָעֳמִי / Noʻomi izy.