Aller au contenu

Fiteny semitika

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny semitika dia vondrom-piteny nampiasaina tamin'ny Andro Taloha any Atsinana Akaiky (Azia Andrefana) sy ao Afrika Avaratra ary ao amin'ny Tandrok'i Afrika. Isan'ireo fiteny atao hoe hamito-semitika na afro-aziatika na afraziana izy ireo ka miely avy amin'ny tapany avaratr'i Afrika hatrany Atsinana Akaiky. Nanomboka tamin'ny taona 1781 no nanomezan'ilay Alemàna atao hoe August Ludwig von Schlözer anarana toy izany ireo fiteny ireo[1] araka ny anaran'olona iray ao amin'ny Baiboly, dia i Sema zanak'i Noa (na Noe)[2]. Amin'izao fotoana izao dia ireto avy ireo fiteny ireo: ny fiteny arabo, amharika, tigrigna, hebreo, soreta na arameana tatsinana vaovao, arameana tandrefana vaovao, maltey ary siriaka. Mampiavaka ny fiteny semitika ny fampiasana fototeny foronina renifeo telo[3] sy ny fampiasana renifeo tononina am-bavatraoka sy an-janadela ary anterina mafy.

Tantarany sy fielezany

Ny haifiteny tamin'ny taonjato faha-19 dia nanohana fa avy any Azia ny fiteny semitika. Tamin'ny taonjato faha-20 sy 21 anefa dia nisy petra-kevitra izay nilazana fa avy ao Afrika izy ireo ka mitambatra amin'ny fiankaviam-piteny lehibe kokoa atao hoe fiteny hamito-semitika.

Taonarivo faha-4 tal. J.K.

Ho an'ireo mpandalina ny fomba sy ny fitenin'ny mponina Atsinanan'izao tontolo izao toa an'i Theodore Nöldeke (1836-1930)[4] dia avy amin'ny fiteny novinavinaina ka nomena ny anarana hoe proto-semitika (fiteny semitika niandohana). Io fiteny nipoirana io dia heverin'ny mpikaroka fa mety notenenina tao Atsinana Afovoany alohan'ny hielezany amin'ny faritra manodidina sy ao avaratr'i Afrika

Tamin'ny taona 1998 i Mc Call dia nanao petra-kevitra mifamadika amin'izany ka nilaza fa avy ao Afrika no nipoiran'ny fiteny semitika[5].

Tamin'ny taona 2004 kosa dia nilaza ny mpahay fiteny vitsivitsy, dia i Ehret sy i Keita sy i Newman ary i Bellwood, fa ny proto-semitika dia avy ao Afrika nefa niely any amin'ny faritr'i Saharà noho ny fifindrà-monin'ireo mpiteny azy tamin'ny fotoana neolitika ka notenenina voalohany tao Atsinana Akaiky (Azia Atsimo-Andrefana) tamin'ny taona 4000 tal. J.K.[6].

Taonarivo faha-3 tal. J.K.

Tamin'ny taona 1964 tao amin'i Tell Mardikh ao Siria no nahitana ny tanana fahagolan'i Ebla. Tamin'ny taona 1974 dia tanimanga fanoratana miisa 42 no hita tao amin'ny sisam-paharavan'ny lapa iray izay tokony ho tamin'ny Andron'ny Alimo tranainy (2400-2225 tal. J.K.). Tamin'ny taona 1975 dia tanimanga fanoratana miisa 17 000 no hita koa. Ny fanadihadiana natao tamin'ireo zavatra hita ireo dia nahitana fiteny tranainy izay mampahatsiahy ny endri-piforonan-tenin'ny fiteny akadiana, ary ny voambolany dia mitovitovy amin'ny an'ny fiteny hebreo sy ny arameana.

Taonarivo faha-2 tal. J.K.

Ny fiteny semitina tatsinanana no manjaka tamin'ny fiandohan'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. tao Mesopotamia (na Mezopotamia). Ny hoe fiteny akadiana dia teny mahafaobe izay mifanohitra amin'ny hoe fiteny someriana izay manondro fiteny tsy semitika nampiasaina tao Mesopotamia ambany. Ny arkeolojia dia nanome tahirin-tsoratra amin'ny endri-tsoratra mizoro (koneiforma) izay vita teo anelanelan'ny taona 2500 sy ny vaninandro kristiana[1].

Ny fiteny semitika tandrefana izay notenenina tao Siria ao Iemena dia namoaka lahatsoratra tsikelikely. Nisy lahatsoratra tamin'ny fiteny proto-kananeana izay vita tamin'ny taona 1500 tal. J.K. sady manaporofo ny fampiasana fiteny semitika tandrefana iray tamin'io vanim-potoana io. Nisy tanimanga fanoratana voasoratra amin'ny fiteny ogaritika[7] hita tao Siria Avaratra, izay vita tamin'ny taona 1300 tal. J.K. Tamin'io fotoana io dia nisy Arameana mpifindrafindra toeram-pivelomana niditra tao amin'ny tany efitr'i Siria.

Taonarivo voalohany tal. J.K.

Tamin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. dia niely izaitsizy ny abidy ka maro ireo fiteny hafa izay azon'ny mpikaroka amin'izao nodinihina, dia ny fiteny arameana sy ireo fiteny tranainy ao atsimon'i Arabia. Nandritra io vanim-potoana io dia nisy rafi-pitanisana endrik'anjara asan'ny teny[8] izay mbola nanan-kery tamin'y fiteny ogaritika, izay nihalefy hery ka niteraka ny fiteny semitika ao avaratra-andrefana. Ny Fenisiana (na Foininkiana) dia nampiely ny fitenhy kananeana (na kananita) tamin'ny ampahany lehibe amin'ny faritra mediteraneana, nefa ny fiteny hebreo dia tonga fitenin'ny literatioram-pivavahana tamin'ny nanoratana ny Baiboly hebreo. Tamin'ny fandresen'ny fanjakana asiriana dia nanjary fiteny ifaneraseran'ny samy hafa firenena ny fieny arameana tao amin'ny Tsinambola-mahavokatra, ka nisolo ireo fiteny hafa, indrindra ny fiteny akadiana sy ny fiteny fenisiana, fa ny fiteny hebreo kosa dia nitoetra ho fiteny ampiasaina amin'ny fotoam-pivavahana. Tokony ho tamin'izany vanim-potoana izany no nivoahan'ireo lahatsoratra voasoratra tamin'ny fiteny gezy, izay fisehoan'ireo fiteny semitika ao Etiopia voalohany.

Ireo fiteny semitika fantatra

Mizara ho sampana roa lehibe tsy mitovy lanja ny fiteny semitika, dia ny fiteny semitika tantsinana sy ny fiteny semitika tandrefana. Ny fiteny semitika tandrefana no miely indrindra sady io no ahitana fiteny mbola tenen'ny olona. Ny maha samy hafa ireo vondrom-piteny roa ireo dia ny fomba fiforonan'ny matoanteny. Ny matoantenin'ny fiteny semitika tandrefana dia mampiasa tovona mba hilazany ny fanehoan-javatra tsy efa fa tovana kosa ho an'ny fanehoan-javatra efa, nefa ny fiteny semitika tatsinanana dia mampiasa tovona fotsiny. Ny fiteny semitika tandrefana dia ahitana mpanoritra sady namorona abidy ireo mpiteny azy.

Loharano sy fanamarihana

  1. 1,0 et 1,1 Paul Joüon, Grammaire de l'hebreu biblique, Institut biblique pontifical, 1923, p. 2.
  2. Genesisy 10.31: "Ireo no zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny fireneny." (Ny Baiboly - Baiboly protestanta)
  3. Paul Joüon, Grammaire de l'hebreu biblique, Institut biblique pontifical, 1923, p. 3.
  4. Theodor Nöldeke, Die semitischen Sprachen, 1899.
  5. Daniel F. Mc Call, The Afroasiatic Language Phylum: African in Origin, or Asian ? [tahiry], The University of Chicago Press, 1998
  6. Christophe Ehret, S. O. Y. Keita, Paul Newman et Peter Bellwood, « The Origins of Afroasiatic » [tahiry], Science tamin'ny 03 Desambra 2004, Vol. 306. no. 5702, p. 1680.
  7. Stanislav Segert, A Basic Grammar of the Ugaritic Language: With Selected Texts and Glossary, University of California Press, 1984.
  8. Izany dia ilay atao amin'ny teny frantsay hoe "declinaison" na aminn'y teny anglisy hoe "declension".