Aller au contenu

Euro

Avy amin'i Wikipedia
     firenen'ny faritra euro      firenena mpikambana ao amin'ny VE sy ny MCE II      firenena mpikambana ao amin'ny VE fa any ivelan'ny MCE II      firenena hafa mampiasa ny euro

Ny euro dia ny sandam-bola ofisialin'ny firenena mpikambana 16 ao amin'ny Vondrona Eoropeana, ary vola tokana sy iraisan'ireo firenena 16 ireo. Ny fikambanan'ny firenena rehetra mampiasa ny vola euro dia atao hoe faritra euro.

Ankoatran'ny firenena ao amin'ny faritra euro, misy firenena ao Eoropa mampiasa ilay sandam-bola na dia tsy vola ofisialy any amin'ny fireneny aza ny euro, ny Montenegro sy ny Kosovo ohatra mampiasa azy, noho ny fianjadian'ny faritra euro.

Ny euro dia nanomboka niasa tamin'ny 1999 ary nandimby ny ECU (European Currency Unit), sandam-bola eoropeana noforonina tamin'ny 1979. Ankehitriny, izy izao ny sandam-bola faharoa miasa indrindra eto an-tany ary voalohany amin'ny isan'ny vola taratasy voaprinty (610 miliara euro).

Ny taham-panakalozana euro/dollar ny taona 1999-2011
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Endrika:Lien BA Endrika:Lien BA