Aller au contenu

Teôlôjia kristiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny teôlôjia kristiana dia andinihana ny Andriamanitry ny Kristiana sy ny fifandraisany amin' ny olombelona eo amin' ny tantaran' ny famonjena, ka ny fara tampony dia ny asa sy ny sorom-panavotana nataon' i Jesoa Kristy amin' ny maha Tenin' Andriamanitra azy (grika: Logos Theou). Ara-tantara sy araka ireo teôlôjiana tranainy dia taranja mifanahantsahana amin' ny siansa ny teôlôjia satria natao handalinana ny finoana sy hamaliana ireo fanontaniana ara-pilôzôfia.

Mifantoka amin' ny zava-boalazan' ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ny teôlôjia kristiana nefa koa afaka manampy izany ny lovam-pampianarana, indrindra ao amin' ny teôlôjia katôlika. Mampiasa ny fanaovana hevi-tenin' ny Baiboly sy fitsikerana voasaina ary fanjohian-kevitra hentitra ny teôlôjiana kristiana. Isan' ny tanjoana koa ny hiarovana ny finoana kristiana manoloana ireo fanoherana sy tsikera manaratsy, mba hanamora ny fanarenana eo amin' ny Fiangonana, mba hanampiana ny fampielezana ny fivavahana kristiana, mba hitrandrahana ireo lovam-pampianarana kristiana.

Ny tenim-pinoana (na dôgma) sy ny foto-pampianarana ataon' ny firehana sasany dia niteraka tsy fifanarahan-kevitra teo amin' ny samy teôlôjiana ka nampisy ireo atao hoe mpanao fampianaran-diso (na heretika). Mba hanoherana sy handresena lahatra ireo filôzôfa tamin' izay dia nampiasa ny fitenin' ireo filôzôfa ireo ny teôlôjiana. Nisy noho izany ny fifangaroan' ny teôlôjia sy ny filôzôfia (jereo, ohatra, ny voambolana ampiasaina momba ny Trinite).

Taranja hita amin' ny ankamaroan' ny fiangonana

Teôlôjia

Andriamanira Ray

Andriamanitra Ray no iantsoana an' Andriamanitra ao ao amin'ny fivavahana kristiana. I Jesoa Kristy, ao amin' ny fampianarany hita ao amin' ny Vaovao Mahafaly, dia mamaritra ny maha Ray an' Andriamanitra amin' ny maha Andriamanitra fitiavana azy. Izany maha Ray an' Andriamanitra izany dia asehon' ny fifandraisan' i Jesoa manokana aminy, nefa miseho koa izany amin' ny Kristiana izay antsoiny hanao azy ho Ray amin' ny maha zanaka natsangany azy ireo sady misokatra ho an'ny olombelona rehetra. Manamafy izany ny vavaka nampianarin' ny Tompo. Hatramin' ny taonjato faharoa no efa nisian' ny fanambaràna ny finoana an' Andriamanitra Ray (Tsitoha)" izay manindry ny maha Ray sy mpamorona an' izao tontolo izao an' Andriamanitra.

Andriamanitra Trinite

Taty aoriana, tamin' ny taonjato faha-4, dia lanin' ny maro an'isa tamin' ireo eveka nivory nandritra ny Kônsily tao Nikea ny tenim-pinoan' ny Trinite izay mihevitra an' Andriamanitra ho tokana nefa manana persôna telo, dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Noraiketina tao amin' ny fanekem-pinoana nikeana izany sady nohamafisina tamin' ny kônsily hafa taty aoriana koa. Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, Andriamanitra ny Fanahy Masina, hoy izy ireo nefa tokana Andriamanitra. Ny tenim-pinoan' ny Trinite dia miaro ny maha tokana an' Andriamanitra sady mampivohitra ny fananan' io Andriamanitra io persôna telo izay samy manana ny anjara asany tamin' ny famoronana izao tontolo izao sy amin' ny famonjena ny olombelona.

Tsy mora ny mahazo ny tiana ho lazaina amin' ny hoe persôna satria tsy azo lazaina tanteraka ho fomba fiseho samihafan' ilay Andriamanitra tokana izany araka ny hita amin' ny tantaran' ny fampanjakana ny tenim-pinoan' ny Trinite izay nanamelohana fampianarana toy ny môdalisma sy ny dôketisma ary ny maro hafa koa. Niteraka fisamatsamahan' ny kristianisma nandritra ny tantarany hatramin' izao izany toe-javatra izany. Ny Katôlika sy ny ankamaroan' ny Prôtestanta ary ny Ortôdôksa dia mino ny Trinite.

Andriamanita tsy Trinite

Tsy ny fiangonana kristiana rehetra no manaiky an' izany fiheverana an' i Jesoa sy ny Fanahy Masina ho Andriamanitra izany. Tsy mifanaraka amin' ny mônôteisma ny fampianarana ny Trinite hoy ny antokom-pivavahana kristiana sasany isan' ireo niforona taorian' ny Reformasiona (na Refôrma). Maro ireo fiangonana manohitra ny Trinite ka mihevitra an' i Jesoa ho Mesia fotsiny fa tsy Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina ho hery entin' Andriamanitra miasa. Manohana ny atao hoe onitarisma izy ireo, izany hoe tsy persôna telo Andriamanitra fa tokana.

Ny antrôpôlôjia

Ny antrôpôlôjia kristiana dia andalinana ny amin' ny olombelona manontolo araka ny fanambaràn' Andriamanitra ao amin' ny Baiboly sy amin' ny fijerena ny fifandraisany amin' Andriamanitra. Halalinina ao ny amin' ny toetra sy ny fomban' ny olombelona: ny vatan-tenany sy ny ainy ary ny fanahiny izay mitambatra ka mamorona ny atao hoe olona, araka ny anoritsoritan' ny Baiboly azy. Isan' ny resahina amin' izany ny amin' ny fahariana ny olombelona, ny fisainany, ny fahotany ary ny fahafatesany.

Ny sôteriôlôjia

Ny sôteriôlôjia dia andalinana ny amin' ny famonjena. Ny sôteriôlôjia dia teôlôjian' ny famonjena. Tsy ny Kristianisma ihany no azo anaovana sôteriôlôjia fa ireo fivavahana hafa koa izay ahitana ny firesahana ny amin' ny famonjena.

Izany teôlôjian' ny famonjena izany dia tsy afa-misaraka amin' ny zava-miafin' ny fanavotana, sady misy fifamatorana amin' ny atao hoe "fahotana" sy ny "fahasoavana". Maro ny adihevitra mampifanohitra ny foto-pampianarana katôlika sy prôtestanta, indrindra ny amin' ny fanamarinana sy ny fanendren' Andriamanitra mialoha (predestinasiona). Niteraka fivakisana anatiny ao amin' ny katôlisisma sy ao amin' ny prôtestantisma izany. Amin' ny Katôlika, ny lohahevitra momba ny famonjena ny olon-drehetra dia tsy nahitana marimaritra iraisana fa mbola iadian-kevitra. Ny Prôtestanta kosa dia mizara ho firehana maro, ka samy manana ny fivoasany ny Soratra Masina. Toraka izany koa ny lohahevitra ny amin' ny famonjena izay tsy itovizan' ny teôlôjia isan' antokom-piangonana hevitra. Ny sôteriôlojia dia tsy afa-misaraka amin' ny kristôlôjia.

Ny kristôlôjia

Ny kristôlôjia dia taranja andalinana ny amin' ny persôna sy ny fampianarana ary ny asan' i Jesoa amin' ny maha Kristy azy, indrindra ny fifandraisany amin' Andriamanitra.

Ny Kristiana dia mino fa zanak' Andriamanitra i Jesoa. Araka ny Filazantsara dia efa nisy talohan' izao rehetra izao i Jesoa. Izy no ilay Teny (na Logos) izay nahariana izao tontolo izao. Izy no ilay Teny tonga nofo.

Ny finoana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa

Ho an' ny fiangonana kristiana mino ny Trinite dia Andriamanitra tonga nofo i Jesoa Kristy. Tsy zanak' Andriamanitra fotsiny ihany izy fa Andriamanitra Zanaka. Persônan' Andriamanitra i Jesoa sahala amin' ny Ray sy ny Fanahy Masina izay samy persôna avokoa. Manana toetra roa izy: sady olona no Andriamanitra. Naterak' Andriamanitra Ray fa tsy natao. Ny Fiangonana katôlika sy Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana prôtestanta ary ny Fiangonana evanjelika maro dia mino ny Trinite.

Ny Kônsily voalohany tao Nikea na Nisea dia namahàna ny olana nisy tamin' ny fomba fiheverana an' i Jesoa. Isan’ ireny ny amin’ ny hevitr' i Ariosy sy ny namany izay tsy nanaiky ny fitoviam-pomba (na fitovia-natiora na fitoviana sobstansa) eo amin’ i Jesoa sy ny Ray. Nivoaka ny Fanekem-pinoana nikeana amin' ny endriny volohany. Nekena ho finoana marina (latina: ortodoxia) ny finoana ny Trinite. Maro koa ny zavatra notapahina nandritra ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôly ka isan’ ireny ny fanamafisana ny amin’ ny maha-mitovy fomba (na mitovy sobstansa) ny Fanahy Masina amin’ ny Zanaka sy ny Ray. Nivoaka tamin’ izany ny Fanekem-pinoan' i Nikea sy Kônstantinôpôly izay tsy inona fa ny Fanekem-pinoana nikeana amin' ny endriny lava kokoa.

Ny tsy finoana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa

Misy ny fiangonana izay mihevitra fa ny teny hoe zanak' Andriamanitra dia sarinteny fotsiny na teny azo ampiharina amin' ny olona rehetra izay mino an' Andriamanitra sy manao ny sitrapony. Misy amin' ireo fiangonana ireo ny manao an' i Jesoa Kristy ho olona fotsiny fa natsangan' Andriamanitra ho zanany.

Araka ny arianisma dia ny Ray ihany no tena Andriamantra, izay sady tsy nateraka no tsy noforonina. Tsy mitovy natiora amin’ Andriamanitra ny Zanaka sady tsy mandrakizay ny fisiany satria noforonina. Araka ny fampianaran' ny adôptianisma dia tsy tonga zanak’ Andriamanitra i Jesoa raha tsy nanomboka teo amin’ ny fanaovan’ i Joany batisa azy teo amin’ny onin’i Jôrdana. Zanaka natsangan’ Andriamanitra i Jesoa fa tsy Andriamanitra. Olombelona i Jesoa.

Pneomatôlôjia

Ny pneomatôlôjia dia andalinana ny amin' ny Fanahy Masina.

Ekleziôlôjia

Ny ekleziôlôjia dia andalinana ny anjara asan' ny Fiangonana amin' ny maha vahoakan' Andriamanitra azy eo amin' ny tantaran' ny famonjena ny olombelona; fandalinana ny fiandohan' ny kristianisma, ny fifandraisany amin' i Jesoa, ny anjara asa sahaniny eo amin' ny asam-pamonjena, ny fandaminana misy ao aminy, ny fitsipika mifehy azy, ny zava-kendreny sy ny tanjony ary ny fitantanana azy. Mandalina koa ny fiantraika sy ny fivoaran' ireo fiangonana izay nanjary ho Fiangonana amin' ny maha andrin' ny finoana azy koa ny ekleziôlôjia. Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia atao hoe Fiangonana (grika: Εκκλησία / Ekklêsia) ny vahoakan' Andriamanitra (hebreo: qâhâl) izay tsy iza fa ny Kristiana miray ao amin' ny Batisa sy ny fanatrehan' i Kristy nitsangana tamin' ny maty, indrindra fa amin' ny fotoan' ny fandraisana ny Fanasan' ny Tompo na Eokaristia.

Eskatôlojia

Ny eskatôlôjia dia fandalinana momba ny fiafaran' izao tontolo izao izay atao hoe koa andro farany. Mahakasika ireo lohahevitra mifandray amin' ny andro farany toy ny amin' ny Mesia na ny vanim-potoana mesianika sy ny zavatra hiseho aorian' ny fahafatesana, ny amin' ny fanahin' olombelona, ny fitsarana farany ary ny fitsanganana amin' ny maty koa ny eskatôlôjia.

Ny eskatôlôjia ao amin' ny Testamenta Taloha

Ahitana andalana momba ny eskatôlôjia ny ao amin' ny Testamenta Taloha, indrindra ny ao amin' ny Bokin' i Isaia (Is. 24-27; 56-66), ao amin' ny Bokin' i Jôela (na Jôely) ary ny Bokin' i Zakaria (Zak. 9-14), ao amin' ny Bokin' i Daniela (na Daniely) ary ao amin' ny Bokin' i Mika (na Mikea) sy ny Bokin' i Amôsa sy ny Bokin' i Zefania (na Sôfônia) ary ny Bokin' ny Salamo.

Ao amin' ny Testamenta Taloha, ny eskatôlôjia dia miompana amin' ny fiandrasana ny Mesia. Ny fiverenany ety an-tany dia hiaraka amin' ny fitsarana farany sy ny famonjena an' i Israely sy i Jodà. Hisy famaizan' Andriamanitra hahazo ireo tsy nanaraka ny didiny. Hitsara ny vahoakany Andriamanitra (Salamo 96.13; Mika 6.1-3; Isaia 43.1-6) nefa izy ihany koa no mpanjakany (Isaia 51.11) sy mpiandry (Mika 4.6) ary mpanavotra azy (Isaia 51.11). Amin' ny Andron' i Iahveh (na Andron' i Jehovah na Andron' ny Tompo) (Zefania 1.14-16) no hanovana izao rehetra izao sady hiavian' ny paradisa. Izany Andron' i Iahveh izany dia andro maizina (Amôsa 5.18-49). Misy olo-marina vitsy ho vonjena amin' ny fahatezeran' Andriamanitra izay ho mponina ao amin' i Israely vaovao (Amôsa 3.12; Isaia 28.5). Amin' ny lahatsoratra hafa dia amin' io Andron' i Iahveh io no hiverenan' i Mosesy (na Môizy) na i Davida na i Elia indray.

Ny eskatôlôjia ao amin' ny Testamenta Vaovao

Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia betsaka ihany koa ny andalan-tsoratra masina mahakasika ny eskatôlôjia, indrindra ny ao amin' ny Vaovao Mahafaly araka an' i Matio sy ao amin' ny Apôkalipsan' i Joany. Isan' izany ny fanoharana ny amin' ny Ondry sy ny Osy (Mat. 24). Ireo epistily koa dia miresaka ny amin' ny andro farany.

Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia miendrika fiambenana ny fiandrasana eskatôlôjika. Tokony hiambina sy hivavaka ny mpanara-dia an' i Jesoa Kristy satria akaiky ny fitsarana. Ao amin' ny Testamenta Vaovao amin' ny teny grika dia fampiasa ny teny hoe ἔσχατος / eskhatos hiresahana ny fiavian' i Kristy ety an-tany fanindroany izay. Ny Apôkalipsan' i Joany dia manoritsoritra tanteraka ny fiafaran' izao tontolo izao, ny adin' ny Tsara amin' ny herin' ny Ratsy, sy ny hiverenan' i Jesoa Kristy ary ny fitsarana farany.

Mbola miafina amin' izao ny Fanjakan' Andriamanitra (Matio 13). Hoavy indray i Jesoa hitsara ny velona sy ny maty ka izany no atao hoe parosia (fisehoana fenon' Andriamanitra amin' ny olona rehetra)[1]. Handrasana izany andro hiavian' ny mpamonjy sady Tompo izany (Filipiana 3.20).

Fivoaran' ny eskatôlojia kristiana

Ireo Kristiana tamin' ny taonjato voalohany dia nihevitra fa hitranga fahavelon' izy ireo ny fiafaran' izao tontolo izao.

Rehefa nenjehin' ny Rômana ny Kristiana tao Tesalônika dia nino fa tonga ny andro farany. Nefa ny tsy fahafantarana ny tena marina dia nitohy hatramin' ny taona 90 taor. J.K. ka nanambara i Jostino Maritira fa nahemotr' Andriamanitra ny fiafaran' izao tontolo izao mba hahatonga ny Fivavahana kristiana hahenika an' izao tontolo izao. Tamin' ireo taona 250 dia nanoratra i Kipriano avy any Kartago fa ny fahotan' ny Kristiana tamin' izany andro izany dia fambara mialoha lalana ny fahantomotry ny andro farany.

Araka ny tantara dia tsy nitovy hevitra ireo teôlôjiana ny amin' ny fisian' ny fanjakana arivo taonan' ny Kristy eto an-tany mandritra ireo andro farany[2].

Tamin' ny taonjato faha-3 anefa dia nino ny ankamaroan' ny Kristiana fa ny andro farany dia hitranga aorian' ny taranaka misy azy ireo; nihevitra izy ireo fa tsy neken' i Jesoa ireo fanandroana hamantatra ny hoavy, hamantarana "ireo fotoana sy fizaran-taona", ary izany fanao izany dia norarana na dia nisy daty voafaritra mazava fa hitrangan' ny andro farany. Ireo izay nampiasa izany fanisana izany dia nahita fa amin' ny taona 202 ny andro farany. Nefa rehefa lasa io fotoana io dia novana ho amin' ny taona 500.

Taorian' ny taona 500 dia noheverina fa tsy zava-dehibe ho an' ny finoana kristiana ny andro farany, na dia misy ireo izay mbola manamafy izany amin' ny fotoan' ny Advento.

Taranja tsy dia ifantohan' ny ankamaroan' ny fiangonana

Anjelôlôjia

Ny anjelôlôjia dia fandalinana ny amin' ny anjely. Hadihadina amin' izany ny anaran' izy ireo, ny toeran' ny anjely tsirairay ao amin' ny ambaratonga any an-danitra sy ny anjara asany.

Eken' ny Fiangonana katôlika rômana ny fanasokajiana ny anjely nataon' i Tomà avy any Akoino. Ampianarina an' ireo miomana ho pretra mpandroaka demony izany anjelôlôjia izany ao amin' ireo oniversite katôlika maro. Ao amin' ny anjelôlôjia nataon' i Diônisio Areôpagita dia misokajy sivy ny anjely sady mizara dingana telo lehibe. Ny anjelin' ny Fiangonana dia ireo voalaza ao amin' ny Baiboly, dia ny anjely Misely (na Mikaela) sy Gabriely sy Rafaely ary ireo Anjely mpiambina voalazan' i Jesoa. Ny Fiangonana dia manome voninahitra an' i Misely amin' ny fiantsoana azy ho lehibe sy andrianan' ny tafiky ny lanitra ao amin' ny Bokin' i Daniely (Daniely 10.13).

Ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany dia misy andalana izay milaza fa nentin' ny dragona nanaraka azy tamin' ny fahalavoany ny iray ampahatelon' ny kintana eny amin' ny lanitra. Izany dia nadikan' ireo Rain' ny Fiangonana ho toy izao: taorian' ny fikomian' i Losifera tamin' Andriamanitra dia nentiny niaraka taminy tamin' ny fahalavoany ny iray ampahatelon' ny anjely ka lasa lavo niaraka aminy.

Demônôlôjia

Ny demônôlôjia dia fandalinana sy fampianarana ary finoana momba ny demony sy ny antanan-tohatra misy ao aminy. Hatramin' ny fiafaran' ny taonjato faha-13 dia tsy dia nisy mpiraharaha firy ny resaka demony. Ny teôlôjiana dia nanomboka nifantoka tamin' ny fandalinana ny Ratsy. Namporisihin' ny fitondrana ambony ao amin' ny Eglizy katôlika sy ny Papa tenany ny demônôlôjia.

Loharano sy fanamarihana

  1. Amin' ny Vavolombelon' i Jehovah ny parosia dia tsy fisehoana fa fanatrehana ka efa manatrika izao i Jesosy Kristy na dia tsy hitan' ny maso aza.
  2. Guillaume Bourin, «http://leboncombat.fr/comprendre-lapocalypse-oui-mais-comment/» [tahiry], sur www.leboncombat.fr, 15/05/2014 (notsidihina 6/09/2014)