Kônfesy

(tonga teto avy amin'ny Konfesy)

Ny kônfesy dia fanambaràna ny fahotan' ny tena amin' Andriamanitra mba hahazoana ny absôlosiôna. Imbetsaka no ananteran' ny Baiboly ny tokony hanambaràna ny fahotan' ny tena, hita indrindra izany ao amin' ny famporisihana sy fananarana ataon' ny mpaminany.

Ny kônfesy Pietro Longhi, vers 1750.

Ny teny hoe "kônfesy" dia avy amin' ny teny latina hoe fateor, izay midika hoe "manambara ny fahadisoana".

Ny fanambaràna fahotana ao amin' ny jodaisma

hanova

Ao amin' ny jodaisma, ny Yom Kippur (hebreo: יוֹם כִּיפּוּר) dia andro fifadian-kanina sy fanambaràna ny fahotan' ny tena ary fangatahana famelan-keloka.

Ny fanambaràna ny fahadisoana (hebreo: וידוי / viddouï) dia matetika akambana amin' ny fibebahana na ny fanavotana ny fahadisoana. Izany fanambaràm-pahadisoana izany dia tononina mangingina isan' andro ka mitana anjara asa lehibe ao amin' ny litorjian'ny Yom Kippur sady anisan' ny fombam-pivavahana tandremana alohan' ny hahafatesana.

Ny fanambaràm-pahotana dia tanterahina eo amin' ny olona sy Andriamanitra, ka tsy atrehin' olon-kafa, ny mifanohitra amin' izany, hoy ny Talmoda, dia midika tsy fanajana an' Andriamanitra. Raha misy Jiosy nanao fahadisoana amin' ny namany dia atao ampahibemaso ny fanambaràm-pahadisoana.

Ny kônfesy ao amin' ny fivavahana kristiana

hanova

Ao amin' ny fivavahana kristiana dia miseho amin' ny endrika roa ny kônfesy, dia ny kônfesy eo anatrehan' ny pretra sy ny kônfesy eo anatrehan' ny mpiara-mivavaka.

Ny kônfesy ao amin' ny fiagonana katôlika sy ny fiagonana ôrtôdôksa

hanova

Araka ny fampianarana katôlika dia ampahany manan-danja ao amin' ny sakramentan' ny fivalozana ny kônfesy mangingina. Asaina mikônfesy ny fahotana lehibe vitany eo anatrehan' ny pretra ny Katôlika, farafahavitsiny indray mandeha isan-taona, indrindra amin' ny andro Paka. Izany fahefana mamehy sy mamaha izany, izany hoe mamela ny fahotana izany, dia nomena ny apôstôly[1].sady noraisin' ny pretra tamin' ny alalan' ny fifandimbiasana apôstôlika. Ny kônfesy sy ny absôlosiona koa dia miorina amin' ny Filazantsara[2].

Ny fanaovana kônfesy eo amin' ny pretra dia fanao efa hatry ny andro taloha ela, nefa ny fomba fanatenterahana azy dia mahalana tao amin' ny Fiangonana voalohany ary matetika dia amin' ny fotoana farany amin' ny androm-piainana no nanatanterahana azy. Mafy dia mafy ny fifehezana nanatanterahana azy.

Hatramin' ny Kônsily faharoa tao Vatikàna (1962) dia novana anarana hoe "sakramentan' ny fampihavanana" ny kônfesy na sakramentan' ny fivalozana. Izany anarana izany dia manantitra ny fiverenana amin' Andriamanitra indray, izany hoe ny fibebahana.

Ny kônfesy koa dia andidian' ny fiangonana ôrtôdôksa kôpta sy fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana.

Amin' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa ary ny Fiangonana tatsinanana dia sakramenta ny kônfesy. Aorian' ny fikônfesena dia manome na tsia ny absôlosiôna (izany hoe ny famelan-keloka sy ny famelàna ny fahotana) ny pretra. Tsy misy dikany anefa ny kônfesy raha tsy ialohavan' ny fibebahana.

Ny kônfesy ao amin' ny fiagonana anglikana

hanova

Ny Fiangonan' i Angletera sy ny fiangonana anglikana hafa dia nitahiry ny foto-pampianarana katôlika momba ny kôfesy. Niroborobo indray ny fanaovana kônfesy ren' ny sofina tamin' ny taonjato faha-19 tamin' ny fihetsiketsehana tao Oxford, nefa maro amin' ny mpino anglikana no misafidy ny absôlosiôna faobe mandritra ny fotoam-pivavahana.

Ny Anglikana izay manana ny foto-pampianarany ao amin' ilay atao hoe "Artikla sivy amby telompolo" dia mitovy fomba fijery amin' ny Prôtestanta, ka tsy nitahiry afa-tsy ny saktamenta roa izay voalaza mazava tsara ao amin' ny Baiboly, dia ny batisa (na batemy) sy ny eokaristia. Noho izany ny kônfesy dia tsy sakramenta nefa anisan' ny fomba sakramentaly dimin' ny anglikanisma.

Ny kônfesy ao amin' ny fiagonana peôtestanta

hanova

Ny kônfesy ampahibemaso dia tafiditra ao amin' ny fanompoam-pivavahana loterana. Hatramin' ny fintombohan' ny refôrmasiôna dia efa tsy nankasitraka ny fanaovana kônfesy amin' ny pretra tao amin' ny Fiangonan' ny Andro Antenatenany ny mpanitsy fivavahana (refôrmatora). Amin' izy ireo dia tsy terena sady tsy natokana ho henoin' ny pretra ny kônfesy (na dia ny mpino tsotra dia afaka mandray ny kônfesy ataon' ny olona), ary indrindra tsy misy heviny ny fametrahana ny fahefana hamela heloka amin' ny pretra. Izay anefa tsy midika fa tsy ilaina ny mikônfesy satria tsy nanafoana izany na i Lotera na i Calvin. Ny olona mandray ny kônfesy dia tsy inona fa mpanao raharaha, vavolombelona manambara na manamafy izay zavatra ampanantenain' Andriamanitra amin' ny alalan' ny Teniny, dia ny Baiboly.

Ny kônfesy ampahibemaso dia hita ihany koa ao amin' ireo fiangonana pentekôtista sy fôndamentalista.

Ny tsiambaratelon' ny kônfesy

hanova

Ny tsiambaratelon' ny kônfesy dia ilazana ny fandrarana ny pretra mpampikôfesy na ny mpandika teny na ny mpandalo sedra nifanojo amin' olona mikônfesy, mba tsy hanambara ny vontoatin' izany kônfesy izany amin' olon-kafa. Ny fiarovana ny tsiambaratelon' ny kônfesy dia efa fanao tany amin' ny taonjato faha-4 sy faha-5 nefa tsy noraiketina ho lalàna ao amin'ny fiangonana izany raha tsy tamin'ny taona 1215 mandritra ny kônsily fahefatra natao tao Latràna.

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Araka ny Matio 16.19 sy 18.18.
  2. Araka ny Joany 20.22-23