Fanisam-bahoaka
Ny fanisam-bahoaka dia asa fanisana ny mponina. Efa nisy hatramin’ ny Andro Taloha ny fanisam-bahoaka (Sina, Egipta, Hebreo izay resahin' ny Baiboly imbetsaka; Rôma), saingy nivoatra ny heviny sy ny fomba fiasany.
Nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 ihany no nampiharana azy ireny ary vao mainka nampiharina tamin' ny fahatongavan' ny fanjakana-firenena, izay nanatanterahany tanjona isan-karazany: indrindra ny fanaovana miaramila, ny fizaràna hetra, ny fahalalana ny isan' ny mponina sy ny haren' ny mponina.
Amin' ny taonjato faha-21, ny fanisam-bahoaka dia fitaovana hanampiana indrindra amin' ny vinavina ara-toekarena. Ho fanampin' ny isan' ny mponina dia manangona zavatra hafa izy ireo toy ny taona, ny asa, ny toetry ny trano fonenana, ny fandehanana avy ao an-trano mankany am-piasana sy ny mifamadika amin' izany na ny fandehanana avy ao an-trano mankany am-pianarana sy ny mifamadika amion' izany, ny fomba fitateram-bahoaka ary ny anarana sy ny faranampiny, izay hita ankehitriny fa miharihary tsy toy ny teo aloha. Ny angon-drakitra manokana hafa dia angonina indraindray, toy ny fivavahana, ny fiteny.